Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Paradisa ve ny Tany?

Ho Paradisa ve ny Tany?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ho Paradisa ve ny Tany?

MANANA angano momba ny fotoam-pahasambarana fahiny ela be ny firenena maro, anisan’izany ny Ejipsianina, ny Meksikanina, ny Perovianina, ary ny Tibetanina. Voalazan’ireny angano ireny fa tsy nanan-tsiny ny olona tamin’izany, nihavana tamin’Andriamanitra, ary tsy narary na maty. Resahin’izy ireny koa ny nahatonga ny olona hanota.

Na dia nisy novana sy nitarina aza ireny angano ireny, dia maro ny zavatra itovizany, ka tsy azo inoana ho vokatry ny kisendrasendra. Maro àry no mihevitra fa avy amin’ny tantara tena nisy izy ireny. Mitovy amin’izay voatantara ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Genesisy ireny zavatra itovizany ireny, raha ny marina. Tsy toy ny angano anefa ny fitantarana ao amin’ny Genesisy fa ahitana tsipiriany mazava tsara, noho izy io tantara marina.—2 Timoty 3:16.

Fiandohana tonga lafatra

Mitantara ny bokin’ny Genesisy fa namorona an’i Adama sy Eva Andriamanitra, ary nametraka azy ireo tao amin’ny zaridaina azon-drano tsara, nantsoina hoe Saha Edena. Tonga lafatra ny fahasalaman’ireo olombelona voalohany ireo, ary afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo. Raha manota izy ireo vao ho faty. (Genesisy 2:8-17; Romanina 5:12) Tokony ho ‘maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany’ izy ireo, ka ‘hampanompo azy.’ (Genesisy 1:28) Amin’ny farany ny tany manontolo, dia ho lasa paradisa feno olona lavorary, izay ho faly hanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra azy.

Nampalahelo fa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. Tsy afaka nanatanteraka ny fikasan’ny Mpamorona izy ireo, sady tsy afaka niaina mandrakizay. Hanatanteraka ny fikasany momba ny tany anefa i Jehovah Andriamanitra. Hoy izy: ‘Tsy hiverina amiko foana ny teniko izay aloaky ny vavako’, fa ‘hambinina.’ (Isaia 55:11) Anisan’ny loha hevitra lehibe ao amin’ny Baiboly ny fikasan’i Jehovah hanao ny tany ho paradisa, izay honenan’ny olona manahaka ny toetrany.—Romanina 8:19-21.

“Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao”

Vao nanota i Adama sy Eva, dia nampanantena Andriamanitra fa hampipoitra “taranaka” iray. Handringana an’i Satana Devoly, “ilay menarana tany am-boalohany”, sy handrava ny asa ratsiny izy io. (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:9; 1 Jaona 3:8) Fantatra tatỳ aoriana, fa i Jesosy Kristy no voalohany amin’io “taranaka” io. (Galatianina 3:16) Notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’ny Fanjakana iray any an-danitra izy, ary hitondra ny tany io Fanjakana io.—Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15.

Hamita an-tsakany sy an-davany ny zavatra tsy vitan’i Adama i Kristy. Antsoin’ny Baiboly hoe “Adama Farany” izy. (1 Korintianina 15:45) Mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hoavin’ny tany, araka ny nasehon’i Jesosy tamin’ilay vavaka nampianariny, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:10.

Ho Mpanjakan’ny tany i Jesosy amin’ny hoavy. Tamin’izy tetỳ an-tany, dia afaka nilaza tamin’ilay mpanao ratsy nibebaka, izay niara-nofantsihana taminy izy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Ho eto an-tany io Paradisa nolazain’i Jesosy io, satria izany no fikasan’Andriamanitra hatrany am-boalohany. Manaporofo izany ny Baiboly. Diniho, ohatra, ireto andinin-teny ireto.

“Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 72:16) “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.” (Ohabolana 2:21) “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy [ny tsy manan-tsiny]; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.

Mifanaraka amin’ireo andininy ireo ny tenin’i Jesosy, nandritra ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra. Hoy izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Hoy ny apostoly Jaona, tatỳ aoriana: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra. ... Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) Miharihary fa ny “paradisa” resahina ao amin’ireo andininy ireo, dia tsy any an-danitra fa eto an-tany.

Tenin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly

Manam-pahaizana maro momba ny Baiboly no mino fa ho paradisa ny tany rehefa hanjaka i Kristy. Hoy, ohatra, i Joseph Seiss, teolojianina: ‘Tsy maintsy hiverina ho toy ny tamin’i Adama mbola tsy nanota ny tany manontolo, rehefa ny Mesia no hitondra.’ Nanoratra toy izao i Henry Alford, ao amin’ny boky Ny Testamenta Vaovao ho An’ny Mpamaky Anglisy: ‘Hiasa foana io Fanjakan’Andriamanitra io, ka izy io irery no fanjakana hitondra ity tany ity amin’ny farany, ary handova ny tany vaovao sy mahafinaritra ny olom-peheziny.’—Izy no nanao ny sora-mandry.

Nanoratra toy izao koa i Isaac Newton, mpahay siansa malaza, izay nazoto nianatra ny Baiboly: “Hisy olombelona hiaina foana eto an-tany aorian’ny andro fitsarana, ary tsy mandritra ny arivo taona fotsiny, fa mandrakizay mihitsy.”

Tsy hisy intsony ny faharatsiana satria ny fanjakan’i Jesosy Kristy no hitondra ny tany. (Isaia 11:1-5, 9) Ho lasa paradisa tanteraka ny tany, ary hitondra dera mandrakizay ho an’ny Mpamorona izany.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

▪ Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona, tany am-boalohany?—Genesisy 1:28.

▪ Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?—Matio 6:10.

▪ Nahoana no azo antoka fa tsy hisy intsony ny faharatsiana?—Isaia 11:1-5, 9.

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5.