Salamo 37:1-40

  • Hiadana izay matoky an’i Jehovah

    • Aza sosotra amin’ny mpanao ratsy (1)

    • “Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah” (4)

    • “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao” (5)

    • ‘Ny mpandefitra no handova ny tany’ (11)

    • Ho ampy sakafo foana ny olo-marina (25)

    • Honina mandrakizay eto an-tany ny olo-marina (29)

Nataon’i Davida. א [Alefa] 37  Aza sosotra* amin’ny ataon’ny mpanao ratsy,Na mitsiriritra an’izay manao ny tsy marina.+   Ho vetivety dia maina toy ny ahitra izy ireo,+Ary halazo toy ny ahi-maitso. ב [Beta]   Matokia an’i Jehovah ka manaova ny tsara;+Aoka ianao honina amin’ny tany sy ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.+   Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah,*Dia homeny anao izay irin’ny fonao. ג [Gimela]   Ankino amin’i Jehovah ny lalanao;+Miantehera aminy, dia hanampy anao izy.+   Hataony miharihary toy ny hazavana vao maraina ny fahamarinanao,Ary toy ny masoandro amin’ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny. ד [Daleta]   Aoka ianao hangina eo anatrehan’i Jehovah,+Ka hanam-paharetana hiandry azy. Aza sorena amin’ny olonaMahavita manatanteraka ny tetika ataony.+ ה [He]   Ialao ny hatezerana ary atsaharo ny fahavinirana;+Aza tezitra ary aza manaiky hanao ratsy.*   Fa horinganina ny mpanao ratsy,+Ary izay manantena an’i Jehovah kosa no handova ny tany.+ ו [Vao] 10  Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy;+Hijery an’izay nisy azy ianao,Nefa tsy ho eo intsony izy.+ 11  Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany,+Ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana.+ ז [Zaina] 12  Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy;+Mihidy vazana aminy izy. 13  Hihomehy azy anefa i Jehovah,Satria fantany fa ho avy ny androny.+ ח [Heta] 14  Manatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy sady manomana* ny tsipìkany,Mba handavoana an’izay ampahorina sy ny mahantra,Ary hamonoana an’ireo manao izay mahitsy. 15  Hitsatoka amin’ny fony ihany anefa ny sabany;+Ho tapaka ny tsipìkany. ט [Teta] 16  Aleo ny kely ananan’ny olona iray manao ny marina,Toy izay ny be ananan’ny ratsy fanahy maro.+ 17  Ho tapaka mantsy ny sandrin’ny ratsy fanahy,Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina. י [Yôda] 18  Fantatr’i Jehovah izay manjo* ny olona tsy misy tsiny,Ary haharitra mandrakizay ny lovan’izy ireo.+ 19  Tsy ho menatra izy ireo amin’ny fotoam-pahoriana;Hanana sakafo be dia be izy ireo amin’ny fotoanan’ny mosary. כ [Kafa] 20  Ho ringana kosa ny ratsy fanahy;+Ho foana tahaka ny kijana maitso be ny fahavalon’i Jehovah;Tsy ho hita intsony toy ny setroka izy ireny. ל [Lameda] 21  Mindrana ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina,Fa ny olo-marina kosa malala-tanana* sy tia manome.+ 22  Izay tahin’Andriamanitra no handova ny tany,Fa izay ozoniny kosa ho ringana.+ מ [Mema] 23  Mitarika ny dian’ny olona i Jehovah,*+Rehefa mahafaly azy izay ataon’ilay olona.*+ 24  Na dia solafaka aza izy dia tsy hidaraboka,+Fa i Jehovah no mitantana azy.+ נ [Nona] 25  Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao,Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy,+Na nahita ny zanany nangataka sakafo.*+ 26  Vonona hampisambotra foana izy,+Ary hahazo fitahiana ny zanany. ס [Sameka] 27  Aza manao ratsy intsony fa manaova ny tsara,+Dia honina eto an-tany mandrakizay ianao. 28  Fa tia rariny i Jehovah,Ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.+ ע [Aina] Ho voaro foana izy ireo,+Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.+ 29  Ny olo-marina no handova ny tany,+Ka honina eo mandrakizay.+ פ [Pe] 30  Mampita fahendrena* ny vavan’ny olo-marina,Ary miresaka momba ny rariny ny lelany.+ 31  Ao am-pony ny lalàn’Andriamanitra;+Tsy ho solafaka izy rehefa mandeha.+ צ [Tsade] 32  Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina,Ka mitady fomba hamonoana azy ho faty. 33  Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy,+Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy.+ ק [Kôfa] 34  Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany,Dia hanandratra anao izy ka handova ny tany ianao. Ho hitanao+ ny handringanana ny ratsy fanahy.+ ר [Resa] 35  Hitako hoe ny olona ratsy fanahy sy tsy misy antra,Dia miroborobo toy ny hazo midoroboka eo amin’ny tany naniriany hatramin’izay.+ 36  Nanjavona tampoka anefa izy, ka tsy eo intsony;+Nitady azy foana aho, nefa tsy hita izy.+ ש [Shina] 37  Diniho ny olona tsy misy tsiny,*Ary jereo ny olona manao izay mahitsy,+Fa hiadana izy amin’ny hoavy.+ 38  Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna;Ho ringana ny ratsy fanahy amin’ny hoavy.+ ת [Tao] 39  Avy amin’i Jehovah ny famonjena ny olo-marina;+Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin’ny fotoam-pahoriana.+ 40  Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah.+ Hanafaka azy ireo tsy ho azon’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy,Satria mialoka aminy izy ireo.+

Fanamarihana

Na: “tezitra.”
Na: “Ataovy mahafaly be anao i Jehovah.”
Na mety hoe “Aza tezitra, satria mety ho loza no hiafaran’izany.”
Na: “mamoritra; manisy tady.”
Abt: “ny andron’ny.”
Na: “miantra.”
Na: “Ataon’i Jehovah mafy orina ny dian’ny olona iray.”
Abt: “ny lalany.”
Na: “mofo.”
Na: “Miresaka fahendrena amin’ny feo iva.”
Na: “tsy mivadika.”