Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Lazaina fa tsy manimba tontolo iainana ny entam-barotra sasany any Kanada sy Etazonia. Entana 5 296 anefa no nanaovana fanadihadiana ka “hita fa tsy voaporofo akory hoe tena tsy manimba tontolo iainana” ny 95 isan-jatony.—TIME, ETAZONIA.

“Nisy zavatra hafahafa” hitan’ny mpitandro filaminana, rehefa notarafina ny entan’ny vehivavy iray tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Bangkok. Nosavana ny sakaosiny ka nahitana zanaka tigra nampatorina.—WORLD WILDLIFE FUND, TAILANDY.

Biby sy Zavamaniry any Amazonia

Anisan’ny faritra be biby sy zavamaniry indrindra ny faritra manamorona ny Reniranon’i Amazone. Milaza ny World Wildlife Fund (WWF) fa tato anatin’ny folo taona dia 1 200 mahery ny karazana zavamaniry, trondro, biby mivelona anaty rano sy an-tanety, biby mandady, vorona, ary biby mampinono hita sy nosokajina tany, izany hoe iray eo ho eo isaky ny telo andro. Hoy i Sarah Hutchison, mpandrindra ny WWF any Brezila: “Mahagaga ny hamaroan’ireo karazana biby sy zavamaniry vao hita. Tsy tafiditra amin’izany aza ny bibikely.”

Adin-tsaina any Am-piasana

Ny iray ampahadimin’ny Failandey no mahita fa tsy miasa tsara izy ireo satria tsy mahavita mifantoka sy very tadidy. Milaza ny Fikambanana Failandey Mikarakara ny Fahasalaman’ny Mpiasa fa mihabetsaka ny olona latsaka ny 35 taona tratran’izany. Amin’io taona io anefa no tena tokony hiasa tsara ny atidoha. Anisan’ny mahatonga an’ilay olana ny hoe be loatra ny fanazavana azo ary miova foana ny fomba fiasan’ny ordinatera. Hoy i Kiti Müller, mpampianatra: “Maro no mahatsapa hoe be loatra ny fanazavana azony ka tsy hainy intsony izay tena ilaina amin’ny asany.” Hoy ny Helsinki Times: “Raha miady saina lava isika, dia ho zatra an’izany ny atidoha ka tsy ho taitra intsony raha tsy efa marary be.”

Mampahery Setra ve ny Lalao Video?

Misy vokany maharitra eo amin’izay milalao azy ve ny lalao video misy herisetra? Nasain’ny mpikaroka nanao lalao video misy herisetra sy tsy misy herisetra ny ankizilahy sy ankizivavy mpianatra, nandritra ny 20 minitra. Nampirisihina hieritreritra momba an’ilay lalao ny antsasak’izy ireo, avy eo. Voalazan’ny tatitra hoe: “Nifaninana tamin’izay noheveriny fa afaka mifaninana aminy izy ireo ny ampitson’iny. Nifanaraka izy ireo hoe hifaninana amin’ny zavatra iray, ka izay resy dia hampihainoana feo mankarenin-tsofina.” Nahery setra kokoa ireo ankizilahy nasaina nieritreritra an’ilay lalao. Hoy ireo nanao an’ilay fikarohana, araka ny voalazan’ny gazety iray: “Matetika no milalao mihoatra ny 20 minitra ireo mpilalao video mahery setra, ary mety ho zatra mieritreritra momba an’ilay izy.” Tsy dia misy vokany eo amin’ny vehivavy kosa izany. Tsy tia lalao video misy herisetra izy ireo, amin’ny ankapobeny.