Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Mahasalama ny Vatana sy ny Fo

Torohevitra Mahasalama ny Vatana sy ny Fo

Torohevitra Mahasalama ny Vatana sy ny Fo

“Mamelombelona ny vatana ny fo tony.”—OHABOLANA 14:30.

“Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”—OHABOLANA 17:22.

● I Solomona mpanjakan’ny Israely no nilaza an’ireo teny fohy nefa lalina ireo, 3 000 taona teo ho eo izay. * Marina ve anefa ireo teny ireo? Inona no lazain’ny mpitsabo ankehitriny?

Hoy ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Mpandinika ny Fo, momba ny fo tony sy ny fo mora tezitra: “Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa toa mifandray amin’ny aretim-po ny fahatezerana sy ny fankahalana.” Milaza àry ilay gazety fa tsy ampy hisorohana sy hitsaboana aretim-po ny fitsaboana tsotra sy ny fanafody, fa ilaina koa ny miezaka mba tsy ho mora tezitra sy tsy hankahala olona. Raha tsorina, dia marina ny lazain’ny Baiboly hoe mahasalama ny fo tony.

Misy mahatsara ny fo falifaly koa. Hoy ny Dr. Derek Cox, tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fahasalamana any Ekosy, tao amin’ny Vaovaon’ny BBC: “Azo inoana hoe ho salama kokoa ny olona faly foana raha oharina amin’ny olona malahelohelo.” Voalaza tao koa fa “voaro kokoa amin’ny aretina, toy ny aretim-po sy ny lalan-dra tapaka, ny olona falifaly.”

Nisy zavatra efa fantatr’i Solomona nefa tsy fantatra raha tsy ela be tatỳ aoriana. Nahoana? Tsotra ny valiny. “Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina tsy nisy hoatr’izany i Solomona.” (1 Mpanjaka 4:29) Toy izany koa ny olon-kafa nanoratra ny Baiboly. Nolazaina tamin’ny fomba tsotra ireny torohevitra ireny ka afaka mandray soa ny rehetra. Izy ireny rahateo maimaim-poana!

Maninona raha mizatra mamaky Baiboly isan’andro? Olona an-tapitrisany no efa manao izany. Faly izy ireo satria hitany hoe marina ity voalazan’ny Baiboly ity: “Raha alatsakao am-po ny fahendrena, ary manjary mahafinaritra anao ny fahalalana, dia hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-manavaka.” (Ohabolana 2:10, 11) Tena manome toky antsika izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Matetika ny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly no manondro ny maha izy ny olona iray, anisan’izany ny fihetseham-pony.