Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tenim-pahendrena Fito

Tenim-pahendrena Fito

Tenim-pahendrena Fito

AZO ampiharina sady tsy mety lany andro ny teny voalazan’ny boky tranainy iray. Avy ao ireo teny eto ambany. Ho hitanao fa hanampy anao hahay hitantam-bola izy ireo.

1. “Izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany. Ary izay tia harena koa tsy ho afa-po amin’izay harena azony.” (Mpitoriteny 5:10) Tsy olo-mahantra te hanan-karena no niteny an’ireo. I Solomona mpanjakan’ny Israely, izay anisan’ny nanan-karena indrindra hatramin’izay, no nanoratra an’ireo teny ireo, vokatry ny fandinihana nataony sy ny zavatra niainany. Milaza zavatra toy izany koa ny olona manan-karena ankehitriny.

2. “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany. Fa izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy.” (1 Timoty 6:8, 9) Ny apostoly Paoly no nanoratra an’ireo. Nanana asa tena tsara izy nefa nialany izany, ary lasa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izy. Tsy toa an’ireo mpitondra fivavahana sasany ankehitriny i Paoly, satria tsy nanaiky halaim-panahy hanararaotra ny olona nampianariny sy niara-niasa taminy. Afaka nilaza toy izao izy: “Tsy nitsiriritra volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza aho, fa fantatrareo tsara fa ireto tanako ireto no nahazoako izay nilaiko sy nilain’ireo niaraka tamiko.”—Asan’ny Apostoly 20:33, 34.

3. ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’ (Lioka 14:28) Ahoana no azonao ampiharana an’io fanoharan’i Jesosy io? Maimaika hividy zavatra ve ianao, sa mijery tsara ny vidiny aloha, indrindra raha mila midi-trosa? Tena ilainao sy takatry ny volanao ve ilay izy?

4. “Izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Ahariharin’ilay krizy ara-bola eran-tany vao haingana fa hadalana ny mitrosa. Hoy ihany i Michael Wagner, ao amin’ilay bokiny tamin’ny 2009: “Fahita [any amin’ny tany sasany] ankehitriny ny olona manana trosa 9 000 dolara mahery [Ar 18 000 000 eo ho eo], ary karatra fitrosana efatra na mahery no ampiasainy amin’izany.”

5. “Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina, fa ny olo-marina kosa miantra ka manao fanomezana.” (Salamo 37:21) Misy mihevitra fa afaka amin’ilay trosany izy raha milaza fa bankirompitra. Raha mihevitra ny fifandraisany amin’Andriamanitra ho sarobidy anefa ny olona iray, dia hiezaka handoa ny trosany, raha mbola azony atao. Tia mizara an’izay ananany koa izy.

6. “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.” (Salamo 37:25) I Davida no nanoratra an’ireo teny ireo. Niharan’ny tsy rariny izy ary voatery nandositra nandritra ny taona maro. Tsy maintsy nipetraka tany anaty lava-bato sy nialokaloka tany an-tanin’olona izy. Lasa mpanjakan’ny Israely izy tatỳ aoriana. Hitany tamin’ny zavatra niainany fa marina ireo teny ireo.

7. “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) I Jesosy, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, no nilaza an’ireo. “Noho ilay fifaliana natao teo anoloany”, dia nanompo ny hafa izy tetỳ an-tany. Anjely tsy mety maty izy izao ary any an-danitra, eo ankavanan’i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.”—Hebreo 12:2; 1 Timoty 1:11.

Tsy misy mahasambatra antsika noho ny hoe manahaka an’i Jesosy ka manao izay vitantsika mba hanasoavana ny hafa. Azo inoana fa ekenao hoe aleo mitandrina sy mitsitsy mba hisy homena ny hafa, toy izay ho tia tena sy handanilany foana.