Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

Tianao ve ny ho Ray Mahay Mitaiza?

“Inona àry no tsy nety nataoko?” Nanahiran-tsaina an’i Michael * any Afrika Atsimo izany. Mba niezaka mafy izy nanao ny andraikiny, nefa nikomy ilay zanany 19 taona. Isaky ny mieritreritra an’izany izy, dia lasa saina foana sao nisy zavatra tsara kokoa azony natao.

Toa nahay nitaiza kosa i Terry, any Espaina. Hoy i André, zanany lahy: “Anisan’ny tena tsaroako tamin’ny zavatra nataon’i Dada tamin’izaho mbola kely ilay izy namaky teny sy niara-nilalao tamiko ary nitondra ahy nandehandeha, ka afaka niara-nanao zavatra izahay. Nataony nahafinaritra foana ny nianatra.”

Marina aloha fa tsy mora ny mitaiza. Misy toro lalana afaka manampy anefa. Raim-pianakaviana maro no miaiky fa mandray soa izy sy ny ankohonany rehefa manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Andeha isika handinika torohevitra vitsivitsy mahasoa ny raim-pianakaviana.

 1. Manokàna fotoana ho an’ny ankohonanao

Raha raim-pianakaviana ianao, ahoana no ampisehoanao amin’ny zanakao fa sarobidy aminao izy? Marina aloha fa efa manao zavatra betsaka ho azy ianao, ohatra hoe manome sakafo sy fonenana. Tsy hanao izany mihitsy ianao raha tsy sarobidy aminao ny zanakao. Raha tsy manokana fotoana hiarahana aminy anefa ianao, dia mety hieritreritra izy hoe ny zavatra hafa no tianao kokoa, ohatra hoe ny asanao, na ny namanao, na ny fialam-bolinao.

Rahoviana ny lehilahy no tokony hanomboka hanokana fotoana ho an-janany? Mbola ao am-bohoka ny zaza dia efa afaka mifandray aminy ny reniny. Afaka manao toy izany koa ny rainy rehefa feno efa-bolana eo ho eo ilay zaza. Efa mandre mantsy izy amin’izay, ka azon’ilay ray atao ny miresaka aminy sy mihira ho azy. Azony henoina koa ny fitepon’ny fony sy ilay izy mandaka.

Toro lalan’ny Baiboly: Andraikitry ny lehilahy fahiny ny nampianatra ny zanany. Nasaina nanokana fotoana ho an-janany foana izy ireo, araka ny resahin’ny Deoteronomia 6:6, 7 hoe: “Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.”

2. Mahaiza mihaino

Mihainoa tsara fa aza mitsaratsara

Tsy maintsy mahay mihaino ianao, raha te hifandray tsara amin’ny zanakao. Tokony hianatra hihaino sy tsy halaky hisafoaka àry ianao.

Tsy ho sahy hamboraka ny fihetseham-pony aminao ny zanakao, raha mihevitra izy fa mora tezitra ianao na tia mitsaratsara. Asehonao kosa fa mitady izay hahasoa azy ianao, raha mihaino tsara azy. Azo inoana kokoa amin’izay hoe hilaza ny ao an-tsainy sy ao am-pony aminao izy.

Toro lalan’ny Baiboly: Hita hoe tena mahasoa ny torohevitry ny Baiboly. Resahiny, ohatra, hoe: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Afaka mifampiresaka tsara amin-janany ny raim-pianakaviana mampihatra an’izany.

 3. Mahaiza manafay ary manaova teny fiderana

Mety ho sosotra sy tezitra ianao rehefa manafay zanaka, nefa tokony ho hita foana hoe tia sy mitady izay hahasoa azy ianao. Ny hoe manafay mantsy dia midika hoe manoro hevitra, manitsy, mampianatra, ary manasazy rehefa ilaina.

Mandaitra kokoa ny famaizana, raha zatra midera an-janany ny rainy. Hoy ny ohabolana iray: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” (Ohabolana 25:11) Lasa tsara toetra ny ankizy rehefa deraina. Manjary matoky tena kokoa izy satria tsapany hoe voamariky ny ray aman-dreniny izay ataony ary sarobidy izy. Tokony hidera an-janany ny raim-pianakaviana isaky ny afaka manao izany. Hatoky tena izy ireo amin’izay, ary hiezaka hanao ny tsara foana na tsy mora aza izany.

Toro lalan’ny Baiboly: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.”—Kolosianina 3:21.

4. Tiavo sy hajao ny vadinao

Tena misy vokany amin’ny ankizy ny fomba itondran’ny lehilahy ny vadiny. Hoy ny manam-pahaizana vitsivitsy momba ny fitomboan’ny zaza: “Tokony hanaja ny vadiny ny raim-pianakaviana. Anisan’ny fomba tsara indrindra itaizany ny zanany izany. ... Lasa milamin-tsaina izy ireo rehefa hitany hoe mifanaja ny ray aman-dreniny.”—Tena Ilaina eo Amin’ny Fitomboan’ny Zaza ny Ray (anglisy). *

Toro lalan’ny Baiboly: “Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ... Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.”Efesianina 5:25, 33.

 5. Ampio ho tia an’Andriamanitra ny zanakao

Afaka manampy ny zanany hifandray tsara amin’ilay Rainy any an-danitra ny raim-pianakaviana tena tia an’Andriamanitra. Izany no lova tsara indrindra azony omena an-janany.

Manan-janaka enina i Antonio, Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mora ny nitaiza azy ireo nandritra ny am-polony taona. Nanoratra ho azy anefa ny zanany vavy iray hoe: “Ry Dada malala, misaotra betsaka anao nanampy ahy hahay handanjalanja, ka ho tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny mpiara-belona amiko ary ny tenako. Nasehonao hoe tia an’i Jehovah ianao, ary tena mitady izay hahasoa ahy. Nataonao loha laharana foana i Jehovah ary nasehonao fa fanomezana avy aminy ny zanakao. Misaotra betsaka Dada a!”

Toro lalan’ny Baiboly: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo. Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto.”Deoteronomia 6:5, 6.

Marina fa tsy ireo lafin-javatra dimy ireo ihany no ilaina rehefa mitaiza. Tsy ho raim-pianakaviana tonga lafatra koa ianao, na miezaka toy inona aza. Ho lasa ray mahay mitaiza anefa ianao, raha be fitiavana sy mahay mandanjalanja ary mampihatra an’ireo toro lalana ireo. *

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 19 Tokony hanaja ny vadiny taloha foana ny lehilahy, na dia efa nisaraka aza izy mivady. Hanampy ny ankizy hifandray tsara amin-dreniny izany.

^ feh. 25 Misy torohevitra hafa momba ny fianakaviana ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, ao amin’ny www.dan124.com/mg.