Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Ahoana no Hatao Raha Zatra Tsy Mifampiteny?

Ahoana no Hatao Raha Zatra Tsy Mifampiteny?

OLANA

Nahoana ny olon-droa nivoady hoe hifankatia no lasa tsy mifampiteny mandritra ny ora maro, na andro vitsivitsy mihitsy aza? Angamba izy ireo mieritreritra hoe: ‘Mba tsy miady aloha, fara faharatsiny, koa!’ Tsy voalamina anefa ilay olana, ary samy tsy mahazo aina izy mivady.

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Te hamaly faty. Misy mpivady tsy mifampiteny satria te hamaly faty. Mandamina programa amin’ny faran’ny herinandro, ohatra, ilay lehilahy nefa tsy manontany ny vadiny. Tezitra àry Ramatoa ka lazainy fa tsy miraharaha azy ny vadiny. Iny koa Rangahy fa miantso ny vadiny hoe tsy tohinina. Mirintona Ramatoa ary tsy miteny intsony. Toy ny milaza izy hoe: “Ho hitanao tsara àry izany!”

Te hahazo izay tadiaviny. Misy indray tsy miteny, mba hahazoana izay tadiaviny. Mikasa hanao dia, ohatra, izy mivady ary te hitondra ny ray aman-dreniny Ramatoa. Mandà anefa Rangahy ka milaza hoe: “Izaho ange no vadinao fa tsy ny ray aman-dreninao e!” Midongy izy avy eo ka tsy miteny intsony, mandra-panaikin’ilay ramatoa ny heviny.

Marina fa mety hanampy ny mpivady ho tony ny mangina kely, rehefa mifamaly izy ireo. Mety hahasoa izany. Milaza ny Baiboly fa “misy fotoana anginana.” (Mpitoriteny 3:7) Vao mainka mampitatra olana anefa ny mangina sady mahatonga ny mpivady tsy hifanaja, raha natao mba hamaliana faty na mba hahazoana izay tadiavina. Inona no azonao atao mba tsy hitrangan’izany?

INONA NO AZONAO ATAO?

Ilaina aloha ny manaiky fa tsy tena mahavaha olana ny tsy mifampiteny. Marina fa mety hahavita hamaly faty ianao na hahatonga ny vadinao hanao ny sitraponao, raha tsy miteny. Izany ve anefa no tena tianao hatao amin’ilay olona nanaovanao voady hoe hotiavinao? Misy fomba tsara kokoa azo andaminana ny olana.

Mahaiza manavaka. Milaza ny Baiboly fa ny fitiavana “tsy mora tezitra.” (1 Korintianina 13:4, 5) Aza tonga dia tezitra àry raha miteny ny vadinao hoe “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!” na hoe “Tara foana ianao!” Diniho kosa ny tena tiany hambara. Raha miteny, ohatra, izy hoe “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!”, dia angamba izy te hilaza hoe “Hitako fa tsy mba raharahainao mihitsy ny hevitro!”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 14:29.

Hevero ho namana ny vadinao fa tsy fahavalo

Aza mampiaka-peo. Mihamafy ny fifamaliana rehefa tohizina foana. Inona àry no azonao atao mba tsy ho lasa ady be ny fifamaliana? Hoy ny boky Avoty ny Tokantranonao (anglisy): “Tena manampy ho tony sy mampitsahatra fifamaliana ny miteny mora sy mihaino ny hevitry ny ankilany. Izay fotsiny matetika no ilaina.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 26:20.

Asio fiheverana ny vadinao. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Hevero ho namana ny vadinao fa tsy fahavalo, dia tsy ho mora tezitra aminy na hifamaly aminy ianao, ka hoe lasa tsy hiteny aminy.—Toro lalan’ny Baiboly: Mpitoriteny 7:9.

Raha tsy mifampiteny ny mpivady, dia tsy manaraka an’ity voalazan’ny Baiboly ity: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ (Efesianina 5:33) Nahoana àry raha mifanaraka ianareo mivady hoe tsy azo atao mihitsy ny tsy mifampiteny?