Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Aza Mampihanta Zanaka

Aza Mampihanta Zanaka

OLANA

Mila vaniny be ny zanakao, satria misy zavatra tadiaviny nefa tsy omenao. Tsy manaiky mihitsy izy na inona na inona ataonao, ka manomboka leo be ianao. Mba hentitra ihany ianao amin’ny voalohany hoe tsy izay sitrapony foana no hatao. Tsy aritrao intsony anefa ilay izy amin’ny farany, ka lasa manaiky tsy sazoka ianao.

Inona no azonao atao rehefa mitranga ny hoatr’izany? Ireto aloha misy zavatra tsara ho fantatrao.

TSARA HO FANTATRA

Tsy hoe ratsy fanahy ianao raha tsy manaiky. Misy ray aman-dreny mihevitra fa tsy mety ny mandà rehefa mangataka zavatra ny ankizy. Aleo, hono, aloha manazava, na mampisaintsaina, na miady varotra kely hoe tsy aleo mba zavatra hafa. Matahotra mantsy izy ireo sao ho tezitra ny zanany.

Marina fa tsy ho faly ny zanakao rehefa tsy omenao izay angatahiny. Mampianatra azy anefa ianao amin’izany hoe tsy izay rehetra tiany akory dia ho azony daholo amin’ny fiainana. Tadidio koa fa raha tsy hentitra ianao dia tsy hanaja ny fahefanao izy. Hidongy foana izy rehefa te hahazo zavatra, satria fantany fa tsy maintsy hanaiky ny sitrapony ianao. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho tsapany hoe tsy mba mitana ny hevitrao ianao fa milefitra foana. Ahoana moa no hanajany anao amin’izany?

Hihamatotra izy raha tsy ampihantaina. Tokony ho fantany fa tsy izay tiany foana no atao. Rehefa lasa tanora izy, dia tsy atahorana loatra hoe hifoka rongony na hanao firaisana na dia misy mampirisika aza.

Rehefa lasa olon-dehibe koa izy, dia mba ho mato-tsaina. Hoy ny Dr. David Walsh: “Na isika [olon-dehibe] aza tsy afaka ny hahazo izay rehetra tiantsika. Dia ny zanatsika ve avelantsika hino hoe izay tiany dia ho azony foana, na inona na inona? Tsy hanampy azy mihitsy isika raha izany!” *

 INONA NO AZONAO ATAO?

Mifantoha amin’ny tanjonao. Tianao ho lasa olon-dehibe matotra sy mahavita zavatra ary mahafehy tena ny zanakao. Tsy ho tratranao izany tanjonao izany raha omenao azy daholo izay tadiaviny. ‘Raha ampihantaina hatramin’ny fahakeliny’ ny ankizy, hoy ny Ohabolana 29:21, “dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any.” Azo lazaina hoe mahay mitaiza àry ianao, raha tsy manaiky izay rehetra angatahiny. Hahasoa azy izany fa tsy hanimba azy.—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 19:18.

Aoka ianao ho hentitra. Manana fahefana amin’ny zanakao ianao, fa tsy hoe mitovy ianareo. Aza ilaozana miady hevitra aminy àry, satria tsy mila miera aminy ianao. Marina fa rehefa mihalehibe izy dia mila mampiasa ny ‘fahaizany misaina’, mba hahay “hanavaka ny tsara sy ratsy.” (Hebreo 5:14) Azonao atao àry ny mampisaintsaina azy. Aza miady hevitra ela be aminy anefa. Tsy voatery hohazavainao mantsy hoe nahoana no tsy ekenao izay angatahiny. Raha ilaozanao mifamaly aminy eo, dia vao mainka izy hieritreritra hoe tsy hentitra ianao fa mbola te hanome safidy azy.—Toro lalan’ny Baiboly: Efesianina 6:1.

Aza miova hevitra: Mety hidongy be ny zanakao, sao mba miova hevitra ihany ianao. Inona àry no azonao atao? Hoy ilay boky hoe Tiavo ny Zanakao nefa Aza Ampihantaina (anglisy): ‘Aza mihaino azy eo fa asaivo mandeha izy. Teneno, ohatra, izy hoe: “Raha te hidongy ianao dia mandehana any ambadika any fa tsy eto imasoko eto. Ary rehefa reraka dia mijanòna.”’ Mety ho sarotra aminao izany amin’ny voalohany. Ho mafy be amin’ny zanakao koa ilay izy, kanefa tsy hila vaniny be intsony izy rehefa hitany fa tena hentitra ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Jakoba 5:12.

Tsy tsara raha lavinao foana izay angatahin’ny zanakao, satria fotsiny hoe mba te hampiseho ny fahefanao ianao

Mahaiza mandanjalanja. Tsy tsara raha lavinao foana izay angatahin’ny zanakao, satria fotsiny hoe mba te hampiseho ny fahefanao ianao. Ilaina kosa ny “mandanjalanja.” (Filipianina 4:5) Ekeo ihany àry ny fangatahany raha zavatra mba ilainy ilay izy, sady tsy hoe midongy be izy.—Toro lalan’ny Baiboly: Kolosianina 3:21.

^ feh. 10 Nalaina tao amin’ilay boky hoe Aza Mampihanta Zanaka: Fa Nahoana ary Amin’ny Fomba Ahoana? (anglisy).