Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Fanontaniana Telo Tian’ny Olona Hapetraka Amin’Andriamanitra

Fanontaniana Telo Tian’ny Olona Hapetraka Amin’Andriamanitra

VAO fito taona i Susan dia efa nanontany ny momba an’Andriamanitra. Voan’ny lefakozatra mantsy ilay namany atao hoe Al, izay sivy taona, ka natao tao anaty fitaovana vy solona havokavoka. Nitantara ny fiainan’i Susan Ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 6 Janoary 2013.

Hoy i Susan tamin-dreniny rehefa avy nitsidika an’i Al tany amin’ny hopitaly izy ireo: ‘Fa maninona Andriamanitra no mampijaly ankizy?’

Dia hoy ny reniny: “Raha ny pretra izao no anontaniana an’izany dia hiteny izy hoe tsy maintsy misy antony ao. Fa tsy haiko aloha ilay izy e.”

Nahita vaksiny ho an’ny lefakozatra i Jonas Salk, roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1954. Nilaza ny renin’i Susan hoe Andriamanitra angamba no nanampy azy hahita an’ilay vaksiny.

Hoy i Susan: “Tokony ho efa ela Andriamanitra no nanao an’izany, amin’izay i Al tsy natao tao anaty fitaovana solona havokavoka.”

Toy izao no namintinan’i Susan ny fahazazany: ‘Maty i Al, valo taona tatỳ aoriana, fa izaho kosa lasa tsy nino an’Andriamanitra intsony.’

Maro no toa an’i Susan. Nijaly izy ireny na nahita olona nijaly, nefa tsy nahita valiny mahafa-po amin’ny fanontaniany momba an’Andriamanitra. Lasa tsy mino an’Andriamanitra àry ny sasany. Ny hafa indray mino ihany fa lasa be fisalasalana.

Tsy hoe tsy nahalala momba ny fivavahana mihitsy ireny olona ireny. Ny zavatra hitany tany amin’ny fivavahany aza matetika no nahatonga azy tsy hino an’Andriamanitra. Tsapany angamba fa tsy nahavaly ny fanontaniana manahiran-tsaina azy ny fivavahana. Mahatsikaiky fa mitovy amin’ny fanontanian’ireo milaza ho mino an’Andriamanitra ny fanontanian’izy ireo. Andeha hodinihintsika ny telo amin’izany sy ny valiny omen’ny Baiboly.

1 “NAHOANA NY OLONA NO AVELANAO HIJALY?”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Maro no mihevitra fa ‘tsy ho nisy ny fijaliana, raha be fitiavana tokoa Andriamanitra.’

ERITRERETO IZAO: Hafahafa na manafintohina antsika mihitsy aza ny fahazaran’ny olona tsy mitovy kolontsaina amintsika. Mora diso fandray ny zavatra ataon’izy ireny isika. Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia heverin’ny olona ho tsy mihatsaravelatsihy ianao rehefa mijery azy eo amin’ny masony. Ny any an-tany hafa kosa mihevitra an’izany ho tsy fanajana. Samy tsy tokony homena tsiny anefa izy ireo. Mila miezaka hahalala azy ireo tsara fotsiny isika.

Mety ho hafahafa amintsika koa ny zavatra ataon’Andriamanitra. Maro no mino fa tsy misy izy matoa isika mijaly. Ny hafa kosa matoky fa misy Andriamanitra rehefa azony hoe nahoana isika no avelany hijaly.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Tsy mitovy amin’ny antsika ny fomba fihevitr’Andriamanitra sy ny lalany. (Isaia 55:8, 9) Mety ho hafahafa amintsika àry ny zavatra ataony sy ny antony mbola tsy anaovany zavatra.

Mampirisika antsika hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra ny Baiboly, fa tsy hino befahatany ny fomba fiteny toy ny hoe: “Tsy takatry ny saina ny fomba fiasan’Andriamanitra.” Ho azontsika amin’izay hoe rehefa inona izy no manao zavatra anankiray ary nahoana izy no manao an’ilay izy. * Ho afaka hifandray akaiky aminy mihitsy aza isika.—Jakoba 4:8.

2 “NAHOANA NY FIVAVAHANA NO MIHATSARAVELATSIHY?”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Mety hisy hieritreritra hoe ‘raha tsy tian’Andriamanitra ny fihatsarambelatsihy, dia tsy ho betsaka toy izao ny mpivavaka mihatsaravelatsihy.’

ERITRERETO IZAO: Aoka hatao hoe misy raim-pianakaviana mahay mitaiza, manan-janaka lahy iray. Nikomy izy io ka niala tao an-trano ary naditra. Tsy tian’ilay rainy izany nefa navelany hanana ny safidiny ilay zanany. Hieritreritra ve izay mahita an’io zanany io hoe tsy nahay nitaiza ny rainy na hoe tsy nanan-dray izy? Tsy izany mihitsy. Matoa koa misy ny mpivavaka mihatsaravelatsihy, dia satria avelan’Andriamanitra hifidy izay fomba fiaina tiany ny olona.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Halan’Andriamanitra ny fivavahana mihatsaravelatsihy. (Jeremia 7:29-31; 32:35) Na izany aza, dia avelany hanana ny safidiny ny olona. Maro amin’ireo milaza ho mino an’Andriamanitra no mifidy hanaraka fampianaran’olombelona. Mifidy izay fomba fiaina tiany koa izy ireo.—Matio 15:7-9.

Tian’Andriamanitra kosa ny fivavahana tsy mihatsaravelatsihy. * Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Tsy tokony hisy fihatsarambelatsihy izany fitiavana izany. (Romanina 12:9) Tsy nampihatra an’izany ny ankamaroan’ny fivavahana. Nisy fandripahana foko, ohatra, tany Rwanda tamin’ny 1994. Olona an’aliny no namono ny mpiara-mivavaka taminy satria fotsiny hoe samy hafa foko izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa tsy nandray anjara tamin’izany ary niaro ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa. Nanao vivery ny ainy mihitsy izy ireo. Hita avy amin’izany fa tsy voatery hihatsaravelatsihy ny fivavahana.

3 “NAHOANA IANAO NO NAMORONA NY OLOMBELONA?”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Nahoana ny olona no 80 na 90 taona fotsiny dia maty?’

ERITRERETO IZAO: Na ny olona tsy mino an’Andriamanitra aza miaiky fa misy antony matoa be pitsiny sy milamina tsara izao rehetra izao. Hitan’izy ireo fa namboarina tsara ny tany sy ny planeta hafa ary ny volana, mba hampety ny fiainana eto. Milaza izy ireo fa mirindra tsara ny lalàna mifehy an’izao rehetra izao, ka raha vao miova kely fotsiny izany dia tsy ho azo iainana eto an-tany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Betsaka no tsy mino hoe misy Andriamanitra satria fohy ny androm-piainantsika. Maro anefa ny porofo mampiseho fa misy ny Mpamorona. (Romanina 1:20) Nisy antony matoa izy namorona ny zava-drehetra, ary mifandray akaiky amin’izany ny antony namoronany antsika. Noforoniny mba hiaina mandrakizay eto an-tany isika ary mbola hotanterahiny izany.—Salamo 37:11, 29; Isaia 55:11.

Rehefa mandinika ny zavaboary isika dia lasa mahalala hoe misy Andriamanitra. Mahafantatra ny toetrany sasany mihitsy aza isika. Tsy hahalala ny fikasany anefa isika raha tsy izy mihitsy no mampahafantatra an’izany sy milaza amintsika ny antony namoronany antsika. Hazavainy amin’ny fomba tsotra sy mivantana izany ao amin’ny Baiboly. * Manasa anao handinika an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 17 Raha tianao ho fantatra hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 11, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo jerena ao amin’ny www.dan124.com/mg koa izy io.

^ feh. 23 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 15 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo alaina ao amin’ny www.dan124.com/mg koa izy io.

^ feh. 29 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo alaina ao amin’ny www.dan124.com/mg koa izy io.