Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIFOHAZA! No. 2 2018 | Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana

Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana

Be dia be ny fianakaviana tsy sambatra amin’izao.

  • Nitombo be ny isan’ny mpivady nisaraka tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1990 sy 2015. Lasa avo roa heny izany ho an’ireo mpivady 50 taona mahery, ary avo telo heny ho an’ireo 65 taona mahery.

  • Maro ny ray aman-dreny sahiran-tsaina, satria misy manam-pahaizana milaza fa tokony hoderaina foana ny ankizy. Ny hafa indray miteny hoe tokony ho hentitra be amin’ny zanany izy ireo.

  • Be dia be ny tanora tsy manana ny fahaizana ilaina mba hiatrehana ny fiainana.

Raha ny marina anefa dia hoe:

  • Afaka ny ho sambatra ny mpivady sady afaka ny haharitra ny fiarahan’izy ireo.

  • Azon’ny ray aman-dreny atao tsara ny manafay ny zanany fa tokony hatao amim-pitiavana izany.

  • Azon’ny tanora atao ny manana ny fahaizana ilaina mba hiatrehana ny fiainana.

Amin’ny fomba ahoana? Misy torohevitra 12 mahasambatra ny fianakaviana ato amin’ity Mifohaza! ity.

 

1: Aza Mieritreritra ny Hisaraka

Soso-kevitra telo hanampy ny mpivady hifankatia foana, fa tsy hisaraka.

2: Mahaiza Miara-miasa

Lasa hoatran’ny mpiray trano fotsiny ve ianareo mivady?

3: Miezaha Hifanaja

Tianao ho tsapan’ny vadinao ve hoe manaja azy ianao? Fantaro àry hoe inona avy ny teny na fihetsika mampiseho fanajana.

4: Miezaha Hamela Heloka

Inona no hanampy anao tsy hifantoka be amin’ny fahadisoan’ny vadinao?

5: Miresaha Amin’ny Zanakao

Misy torohevitra telo hanampy anao hifandray tsara amin’ny zanakao ato.

6: Mahaiza Mananatra

Marina ve ilay hoe lasa tsy matoky tena intsony ny ankizy rehefa anarina?

7: Ampio Izy Hanana Toetra Tsara

Inona no azonao ampianarina ny zanakao, mba hahatonga azy hanana toetra tsara?

8: Miezaha ho Modely

Ho mora kokoa amin’ny zanakao ny hanaraka ny teninao, raha tsy mpitari-bato vilam-bava ianao.

9: Manàna Hazondamosina

Inona no hanampy ny tanora hijoro amin’ny heviny?

10: Asehoy hoe Azo Atokisana Ianao

Ataovy izay hahatonga ny ray aman-dreninao hatoky anao dieny izao. Hanampy anao ho lasa olon-dehibe matotra izany.

11: Aza Kamo Miasa

Hahomby amin’izay ataonao ianao, raha dieny izao dia efa miezaka ho tia miasa mafy.

12: Manàna Tanjona

Hatoky tena kokoa ianao, hahazo namana, ary ho faly kokoa, rehefa mahatratra tanjona.

Fanazavana Fanampiny

Hanana tokantrano sambatra ianao, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly.