Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny rihitra ny teny mampiseho fanajana. Izy io no mihazona ny tokantrano tsy ho rava

HO AN’NY MPIVADY

3: Miezaha Hifanaja

3: Miezaha Hifanaja

AHOANA IZANY?

Rehefa mifanaja ny mpivady, dia mbola mifankatia ihany izy ireo na dia tsy mitovy hevitra aza. Milaza ny boky iray hoe: ‘Tsy miziriziry amin’ny heviny izy ireo rehefa misy zavatra tsy mampifanaraka azy, fa mifampiresaka tsara foana. Mihaino tsara ny andaniny rehefa maneho ny heviny ny ankilany, ary mahita marimaritra iraisana izy mivady.’

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Korintianina 13:4, 5.

“Manaja ny vadiko aho rehefa mihevitra azy ho sarobidy. Tsy ataoko koa izay zavatra mety tsy hahasoa azy sy ny tokantranonay.”—Micah.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Lasa mifanakiana, na mifaneso, na mifanambanimbany mihitsy aza ny mpivady rehefa tsy mifanaja. Hitan’ny mpikaroka fa ireo no amantarana hoe mety ho rava ny tokantrano iray.

“Tsy hatoky tena intsony ny vadinao sady tsy hatoky anao intsony, raha manambanimbany azy ianao na manaratsiratsy azy, na manao vazivazy maneso azy. Hanimba ny tokantranonareo izany.”—Brian.

INONA NO AZONAO ATAO?

FANTARO IZAO

Diniho ny resakareo mivady sy ny zavatra ataonareo ao anatin’ny herinandro ary mieritrereta hoe:

  • ‘Impiry aho no nanakiana ny vadiko ary impiry aho no nidera azy?’

  • ‘Inona avy ny zavatra nataoko mba hampisehoana hoe manaja azy aho?’

MIRESAHA AMIN’NY VADINAO

  • Inona avy ny teny na fihetsika mampiseho fanajana?

  • Inona avy ny teny na fihetsika tsy mampiseho fanajana?

SOSO-KEVITRA

  • Manorata zavatra telo tianao hataon’ny vadinao mba hanajana anao. Asaivo manao hoatr’izany koa izy. Jereo avy eo izay nosoratany ary asaivo jereny koa ny anao. Iezaho atao izay voalaza ao amin’ilay taratasy.

  • Soraty amin’ny taratasy hoe inona avy ny toetra tsaran’ny vadinao. Resaho aminy avy eo fa tena tianao ireo toetrany ireo.

“Manaja ny vadiko aho rehefa asehoko amin’ny zavatra ataoko hoe sarobidy amiko izy ary tiako ho sambatra. Tsy voatery hoe manao zavatra miavaka be foana aho, fa indraindray teny na fihetsika kely fotsiny dia efa mety.”—Megan.

Tsy ampy àry ny mieritreritra hoe efa manaja ny vadinao ianao. Ny vadinao mihitsy no mila mahatsapa hoe manaja azy ianao.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.”—Kolosianina 3:12.