Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Loko Mangan’​ny Voaroy Pollia

Ny Loko Mangan’​ny Voaroy Pollia

FAHITA eran’i Afrika ilay karazana voaroy atao hoe Pollia condensata. Miloko manga mangirangirana izy io, ary tsy misy zavamaniry hafa mitovy loko aminy. Tsy tena loko anefa no manome an’io lokony manga io. Fa inona?

Diniho izao: Misy sosony maromaro ny fonontsela amin’ny hoditry ny voaroy Pollia. Kofehy bitika maromaro mitandahatra no hita amin’ny sosona tsirairay. Mifanaingina ireo sosona ireo, saingy tsy mifanitsy fa somary misompirana kely. Miolikolika àry ny fahitana an’ireo kofehy. Tsy miloko manga ireo kofehy ireo, fa ny fomba filahatr’izy ireo no manome an’ilay loko. Ny firafitry ny fonontsela amin’ny hoditr’ilay voaroy àry no manome an’ilay loko manga mangirangirana. Miloko manga no fahitana ny ankamaroan’ireo sela. Loko maitso na mavokely na mavo anefa no hita, arakaraka ny hatevin’ireo fonontsela. Tsy bambaray koa ilay loko rehefa jerena akaiky, fa teboka maromaro mitambatambatra, toy ny loko hita amin’ny efijery.

Tsy miova mihitsy àry ny lokon’ny voaroy Pollia, na dia rehefa mihintsana aza. Efa zato taona mahery, ohatra, ny voaroy sasany no notazana, nefa mbola manga mangirangirana toy ny voaroy vao nalaina ihany. Tsy misy nofony ny voaroy Pollia fa voa fotsiny no ao anatiny. Hitan’ny mpikaroka anefa fa tena manintona ny vorona izy io.

Tian’ny mpahay siansa halaina tahaka ireo lafiny mampiavaka ny voaroy Pollia, mba hanamboarana loko tsy mora vasoka, na taratasy sarotra alaina tahaka.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ilay loko mangan’ny voaroy Pollia, sa nisy namorona?