Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’i Jehovah

Ankasitraho ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’i Jehovah

‘Nahazo hatsaram-panahy tsy manam-paharoa miampy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa isika rehetra.’—JAONA 1:16.

HIRA: 95, 13

1, 2. a) Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy? b) Ahoana izany hoe maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, raha jerena ilay fanoharana?

NISY lehilahy iray nanana tanimboaloboka. Nankany an-tsena vao maraina izy mba hitady olona hiasa an’ilay izy. Nahita mpiasa izy ary nanaiky an’izay karama nolazainy izy ireo. Mbola nila mpiasa anefa izy, ka niverimberina nitady tany an-tsena, na dia efa tamin’ny harivariva aza. Nifanaiky tamin’izy ireo izy fa hanome izay tokony ho karamany. Rehefa hariva ny andro, dia nangoniny ireo mpiasa ary nomeny ny karamany. Nitovy ny karama nomeny azy rehetra, na ho an’izay niasa ora maro na ho an’izay niasa adiny iray monja. Nimenomenona àry ireo nokaramainy voalohany. Hoy anefa izy: ‘Tsy denaria iray ve no nifanarahantsika? Angaha moa izaho tsy mahazo manome izay tiako ho an’ny mpiasako? Sa ianao mialona satria tsara fanahy aho?’​—Mat. 20:1-15.

2 Mampahatsiahy antsika “ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra” io fanoharan’i Jesosy io. [1] (Vakio ny 2 Korintianina 6:1.) Resahina matetika ao amin’ny Baiboly izy io. Hoatran’ny tsy mendrika hahazo karama feno ireo niasa adiny iray monja. Tena tsara fanahy tamin’izy ireo anefa ilay mpampiasa. “Fahasoavana” no andikan’ny Baiboly maro an’ilay hoe “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.” Hoy ny manam-pahaizana iray: ‘Ny tena hevitr’io teny io, dia fanomezana maimaim-poana ho an’izay tsy mendrika an’izany, na zavatra omena olona tsy nanao na inona na inona mba hahazoana an’izany.’

FANOMEZANA AVY AMIN’I JEHOVAH

3, 4. Nahoana i Jehovah no naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamin’ny olona rehetra, ary ahoana no nanehoany an’izany?

3 ‘Fanomezana maimaim-poana ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ (Efes. 3:7) Nahoana izy no nanome an’io fanomezana io, ary ahoana no nanomezany azy? Ho mendrika ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika, raha vitantsika daholo izay takiny. Tsy mahavita an’izany anefa isika. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpito. 7:20) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra”, ary “fahafatesana no tambin’ny ota.” (Rom. 3:23; 6:23a) Mendrika ny ho faty àry isika.

4 Tena tia antsika mpanota anefa i Jehovah, ka naneho hatsaram-panahy tamintsika. Nirahiny ho etỳ an-tany “ny Zanany lahitokana” mba ho faty ho antsika. (Jaona 3:16) Izany no fanomezana lehibe indrindra nomeny. Nilaza i Paoly fa nomena ‘voninahitra sy haja i Jesosy, noho izy efa nandia fahafatesana. Maty ho an’ny rehetra izy, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.’ (Heb. 2:9) Lasa afaka mahazo “fiainana mandrakizay” àry isika noho “i Kristy Jesosy Tompontsika.” Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.​—Rom. 6:23b.

5, 6. a) Inona no ho vokany raha ny fahotana no manjaka amintsika? b) Inona no ho vokany raha ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no manjaka amintsika?

5 Nahoana isika rehetra no lasa mpanota dia maty? Milaza ny Baiboly fa “noho ny heloky ny olona iray [Adama] no nanjakan’ny fahafatesana” tamintsika taranany. (Rom. 5:12, 14, 17) Soa ihany fa afaka mifidy isika hoe tsy avelantsika hanjaka amintsika ny ota. Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah kosa no hanjaka amintsika, raha mino ny sorom-panavotan’i Kristy isika. Ahoana izany? Hoy ny Romanina 5:20, 21: ‘Teo amin’izay nisian’ny ota be dia be, dia vao mainka be dia be ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. Inona no kendrena amin’izany? Mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota sy ny fahafatesana, no hanjakan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa koa amin’ny alalan’ny fanambarana ho marina, izay hahazoana fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.’

6 Mbola mpanota isika, nefa tsy voatery hanaiky hobaikoin’ny ota. Raha sendra manota koa isika, dia afaka mangata-pamelana amin’i Jehovah. Nampitandrina i Paoly hoe: “Aza avela hanjaka eo aminareo ny ota, satria tsy ambanin’ny lalàna ianareo fa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.” (Rom. 6:14) Inona no ho vokany raha misaintsaina an’izany isika? Nilaza i Paoly fa “handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao” isika, “hisaina tsara, hanao izay mahitsy, ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.”​—Tit. 2:11, 12.

‘MISEHO AMIN’NY FOMBA MARO SAMIHAFA’

7, 8. Inona no dikan’ilay hoe ‘miseho amin’ny fomba maro samihafa’ ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Hoy ny apostoly Petera: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Pet. 4:10) Midika izany fa hanampy antsika hiatrika fitsapana i Jehovah, na inona ilay izy na inona. (1 Pet. 1:6) Hahita fomba hanehoana hatsaram-panahy foana izy, ka homeny antsika izay tena ilaintsika hiatrehana an’ilay olana.

8 Hoy ny Jaona 1:16: ‘Feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy, ka nahazo avy tamin’izany isika rehetra, dia hatsaram-panahy tsy manam-paharoa miampy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.’ Miseho amin’ny fomba maro samihafa tokoa ny hatsaram-panahin’i Jehovah, ka mandray soa be dia be isika. Inona avy, ohatra, izany?

9. Inona no soa raisintsika noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah, ary inona no hataontsika raha mankasitraka an’izany isika?

9 Voavela ny helotsika. Noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah, dia mahazo famelan-keloka isika raha mibebaka sady miezaka mafy foana mba tsy hanao ratsy. (Vakio ny 1 Jaona 1:8, 9.) Tokony hankasitraka azy isika ka hidera azy, noho izy mamindra fo amintsika. Hoy i Paoly tamin’ireo voahosotra: “Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny haizina izy [Jehovah], ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany. Ny Zanaka no ahazoantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana, dia ny famelana ny helotsika.” (Kol. 1:13, 14) Mahazo fitahiana maro hafa isika rehefa voavela ny helotsika.

10. Inona koa no soa azontsika noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah?

10 Mihavana amin’Andriamanitra isika. Vao teraka isika dia fahavalony satria mpanota. Hoy anefa i Paoly: ‘Fony mbola fahavalo isika dia nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.’ (Rom. 5:10) Afaka mifandray tsara aminy àry isika. Nilaza i Paoly fa noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah izany. Hoy izy tamin’ireo voahosotra: “Koa satria nambara ho marina isika ankehitriny noho ny finoana, dia aoka isika hitandro ny fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no nahafahantsika nanatona an’Andriamanitra mba hahazoantsika izao hatsaram-panahy tsy manam-paharoa misy antsika izao, noho ny finoana.” (Rom. 5:1, 2) Tombontsoa tokoa izany!

Soa azo noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah: Afaka mandre ny vaovao tsara (Fehintsoratra 11)

11. Inona no ataon’ny voahosotra mba hanampiana ny “ondry hafa” ho lasa olo-marina?

11 Lasa olo-marina isika amin’Andriamanitra. Vao teraka isika dia efa tsy marina. Nilaza anefa i Daniela mpaminany fa amin’ny andro farany, dia ‘hitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana ireo lalin-tsaina’, izany hoe ireo sisa voahosotra. (Vakio ny Daniela 12:3.) Tanteraka izany satria mitory sy mampianatra izy ireo, ka “ondry hafa” an-tapitrisany no lasa olo-marina amin’i Jehovah. (Jaona 10:16) Tsy ho nisy izany raha tsy noho ny hatsaram-panahiny. Hoy ihany i Paoly: ‘Toy ny fanomezana maimaim-poana ny fanambarana azy ireo ho marina noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, amin’ny alalan’ny fanafahana nentin’ny vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy.’​—Rom. 3:23, 24.

Afaka mivavaka (Fehintsoratra 12)

12. Inona no ifandraisan’ny vavaka sy ny hatsaram-panahin’i Jehovah?

12 Afaka manatona ny seza fiandrianan’i Jehovah isika, ka mivavaka aminy. Mpanjaka faran’izay tsara fanahy i Jehovah, ka nantsoin’i Paoly hoe “seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” ny seza fiandrianany. Nampirisika antsika izy mba “ho sahy hiteny” rehefa manatona azy io. (Heb. 4:16a) Noho i Jehovah nanome an’i Jesosy Zanany no mahatonga antsika hanana an’izany tombontsoa izany. Milaza ny Efesianina 3:12 fa afaka “miteny amim-pahasahiana sy manatona an’Andriamanitra amin-toky” isika, “noho isika mino an’i Kristy.” Tsara fanahy tokoa i Jehovah mamela antsika hivavaka aminy.

Mahazo fanampiana (Fehintsoratra 13)

13. Nahoana no azo lazaina hoe mahazo “fanampiana amin’ny fotoana mety” isika noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah?

13 Mahazo fanampiana isika rehefa mila an’izany. Nampirisika antsika i Paoly mba tsy hisalasala hivavaka amin’i Jehovah. “Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.” (Heb. 4:16b) Afaka mitalaho amin’i Jehovah isika mba hamindrany fo sy hampiany, isaky ny misy fitsapana na olana. Mamaly ny vavaka ataontsika izy na dia tsy mendrika aza isika, ka ny mpiray finoana amintsika matetika no ampiasainy. “Be herim-po àry isika, ka milaza hoe: ‘Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’”​—Heb. 13:6.

14. Inona koa ny fitahiana azontsika noho i Jehovah tsara fanahy amintsika?

14 Mampionona ny fontsika i Jehovah. Anisan’ny soa lehibe raisintsika noho ny hatsaram-panahiny izany. Mampionona antsika izy rehefa kivy isika. (Sal. 51:17) Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Tesalonika, tamin’izy ireo nenjehina: “Tia antsika Andriamanitra Raintsika sady nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Koa enga anie i Jesosy Kristy Tompontsika sy io Andriamanitra Raintsika io samy hampionona ny fonareo sy hampahery anareo!” (2 Tes. 2:16, 17) Mampahery tokoa ny mahalala hoe tia sy miahy antsika i Jehovah.

15. Inona no azontsika antenaina, noho i Jehovah tena tsara fanahy amintsika?

15 Afaka hiaina mandrakizay isika. Mpanota isika ka tsy ho nanana fanantenana raha tsy i Jehovah. (Vakio ny Salamo 49:7, 8.) Omeny fanantenana tena tsara isika. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Izao no sitrapon’ny Raiko: Tokony hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy.” (Jaona 6:40) Tena tsara fanahy tokoa i Jehovah nanome an’io fanomezana io. Hoy i Paoly: “Efa naseho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, dia hatsaram-panahy mitondra famonjena ho an’ny karazan’olona rehetra.”​—Tit. 2:11.

AZA MANARARAOTRA NY HATSARAM-PANAHINY

16. Inona no nataon’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany?

16 Marina fa mahazo fitahiana be dia be isika noho i Jehovah tena tsara fanahy amintsika. Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe tsy mampaninona azy izay rehetra ataontsika. Nivadika tamin’i Jehovah ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka nataony “fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny” ny hatsaram-panahiny. (Joda 4) Nieritreritra angamba izy ireo hoe tsy maninona na manota aza, satria hamela azy foana i Jehovah. Nitaona ny hafa hanao ratsy mihitsy aza izy ireo. “Maniratsira ny fanahin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” izay manao an’izany.​—Heb. 10:29.

17. Inona no torohevitra nomen’i Petera?

17 Misy Kristianina voafitak’i Satana koa ankehitriny, ka lasa mieritreritra fa tsy maninona na manota aza satria i Jehovah mamindra fo. Marina fa mamela an’izay nanota nefa mibebaka i Jehovah. Tiany hiezaka mafy tsy hanao ratsy anefa isika. Nasainy nanoratra toy izao i Petera: “Koa satria fantatrareo mialoha izany, ry malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka aminy ianareo, eny, ho voataonan’ny fahadisoan’ny mpandika lalàna, ka ho lavo hiala amin’izay efa iorenanareo. Aoka kosa hitombo foana eo aminareo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika.”—2 Pet. 3:17, 18.

INONA NO ANDRAIKITSIKA?

18. Inona no andraikitsika noho i Jehovah tsara fanahy amintsika?

18 Mankasitraka an’i Jehovah isika satria tsara fanahy amintsika izy. Tokony hampiasa an’izay nomeny àry isika, mba hanomezam-boninahitra azy sy hanampiana ny hafa. Hoy i Paoly: “Nahazo fanomezana samy hafa isika, arakaraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho tamintsika: ... Raha fanompoana, dia aoka isika hanohy izany fanompoana izany. Ary izay mampianatra, dia aoka izy hanohy izany fampianarany izany. Izay mananatra, dia aoka izy hanohy izany fananarany izany. ... Izay mamindra fo, dia aoka izy hanao izany amim-pifaliana.” (Rom. 12:6-8) Noho i Jehovah tsara fanahy amintsika àry, dia andraikitsika ny miezaka mafy hitory, mampianatra Baiboly, mamela an’izay nanao zavatra nampahatezitra na nampalahelo antsika, ary “mananatra”, izany hoe mampahery ny mpiara-manompo.

19. Inona no andraikitsika horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mankasitraka ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika, ka te hanao izay fara herintsika amin’ny fanompoana. Hiezaka isika “hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.” (Asa. 20:24) Handinika bebe kokoa an’io andraikitra io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ [1] (fehintsoratra 2) Jereo ilay hoe “Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” ao amin’ny “Fanazavana Teny”, ao amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.