Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baroka—Ilay Mpitan-tsoratra Tsy Nahafoy An’i Jeremia

Baroka—Ilay Mpitan-tsoratra Tsy Nahafoy An’i Jeremia

Baroka—Ilay Mpitan-tsoratra Tsy Nahafoy An’i Jeremia

FANTATRAO ve i “Baroka, zanak’i Neria”? (Jeremia 36:4) Toko efatra monja ao amin’ny Baiboly no miresaka momba azy. Fantatry ny mpamaky Baiboly anefa, fa mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany izy sady namany akaiky. Niara-nandia ireo 18 taona feno korontana talohan’ny nanjavonan’ny fanjakan’i Joda, izy roa lahy. Niara-niatrika ny fisehoan-javatra nahatsiravina tao Jerosalema koa izy ireo, rehefa nandringana azy io ny Babylonianina, tamin’ny 607 T.K. Mbola tafaraka koa izy ireo taorian’izay, rehefa noterena hankany Ejipta.

Nanjary liana tamin’i Baroka ireo manam-pahaizana rehefa nahita tombo-kase roa vita tamin’ny tanimanga *, taona vitsivitsy lasa izay. Vita tamin’ny taonjato fahafito T.K. ireo tombo-kase ireo, ary izao no soratra eo aminy: “An’ilay Mpitan-tsoratra atao hoe Berekhyahu [anaran’i Baroka amin’ny teny hebreo], zanak’i Neriyahu [anaran’i Neria amin’ny teny hebreo].” Iza moa i Baroka? Avy amin’ny fianakaviana manao ahoana izy? Nanao ahoana ny fanabeazana azony? Inona no toerana notanany? Manaporofo inona ny fanohanany foana an’i Jeremia? Inona no ianarantsika avy aminy? Hikaroka ny valin’izany ao amin’ny Baiboly sy amin’ny fanazavana omen’ny mpahay tantara isika.

Ny fiaviany sy ny toerana notanany

Manam-pahaizana maro no mino fa avy amin’ny fianakaviana mpitan-tsoratra, izay nitana toerana lehibe tao Joda, i Baroka. Antony maromaro no mahatonga azy ireo hino izany. Anisan’izany ilay anaram-boninahitra manokana hoe “mpanoratra”, izay iantsoana an’i Baroka ao amin’ny Baiboly. Ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany miantso azy hoe “ilay mpitan-tsoratra.” Milaza koa ny Baiboly fa olona ambony tao amin’ny lapan’i Zedekia Mpanjaka i Seraia, rahalahiny.—Jeremia 36:32; 51:59.

Nanoratra momba ny mpitan-tsoratra tamin’ny andron’i Jeremia i Philip King, mpanao fikarohana ambanin’ny tany. Hoy izy: “Anisan’ny olona nahazo fiofanana manokana ny mpitan-tsoratra, ary nitana toerana lehibe tao Joda tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito sy ny fiandohan’ny taonjato fahenina T.K. ... Olona ambony tao an-dapa no nomena io anaram-boninahitra io.”

Ankoatra izany, dia toa afaka nifanerasera tamin’ny mpanolo-tsain’ny mpanjaka i Baroka, raha jerena ny Jeremia toko faha-36, izay hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany. Hitantsika ao fa nahazo alalana i Baroka hiditra tao amin’ny efitr’i Gemaria, izay printsy na manam-pahefana. Nilaza antony manamarina izany i James Muilenberg, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Hoy izy: “Afaka niditra tao amin’ny efitr’io mpitan-tsoratra io i Baroka, satria nanana zo hanao izany izy, sady anisan’ireo manam-pahefana tao an-dapa, izay tafavory mba hihaino ny famakiana ilay horonan-taratasy tamin’io fotoan-dehibe io. Niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy i Baroka tamin’izay.”

Manome antony hafa manaporofo ny maha mpitan-tsoratra an’i Baroka ny boky iray momba ny tombo-kase nampiasaina fahiny. Izao no voalaza ao: “Hita niaraka tamin’ny tombo-kase maro an’ny manam-pahefana ambony hafa ilay tombo-kasen’i Baroka/Berekhyahu. Noho izany, dia azo inoana fa nitovy ny asany sy ny an’ireo manam-pahefana ireo.” Toa manam-pahefana ambony i Baroka sy Seraia rahalahiny, raha jerena amin’ireo fanazavana ananantsika ireo. Nanohana an’i Jeremia mpaminany nahatoky izy ireo, nandritra ireo taona feno korontana talohan’ny nandringanana an’i Jerosalema.

Nanohana ampahibemaso an’i Jeremia i Baroka

Miresaka momba an’i Baroka ny Jeremia toko faha-36, izay mitantara ny “taona fahefatra nanjakan’i Joiakima”, izany hoe tamin’ny 625 T.K. tany ho any. Efa nisy resaka momba an’i Baroka talohan’io, nefa raha alahatra araka ny fotoana ny zava-nitranga, dia ny ao amin’io toko io no voalohany. Efa 23 taona teo ho eo no naha mpaminany an’i Jeremia tamin’izay.—Jeremia 25:1-3; 36:1, 4.

Hoy i Jehovah taminy: “Makà horonan-taratasy hianao, ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra ... dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka andro-any.” ‘Niantso an’i Baroka, zanak’i Neria, i Jeremia’ avy eo, “ary dia nosoratan’i Baroka ... ny tenin’i Jehovah rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia.”—Jeremia 36:2-4.

Inona no antony niantsoana an’i Baroka? Hoy i Jeremia taminy: “Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’i Jehovah.” (Jeremia 36:5) Angamba i Jeremia norarana tsy hiditra tao amin’ny tempoly, izay toerana tokony hamakiana ilay hafatra avy amin’i Jehovah. Nampahatezitra ny manam-pahefana ny hafatra nampitainy talohan’izay, ka mety ho izany no anton’ilay fandrarana. (Jeremia 26:1-9) Tsy isalasalana fa tena mpivavaka tamin’i Jehovah i Baroka, ka “nanao araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy.”—Jeremia 36:8.

Ela be vao voasoratra daholo ireo fampitandremana nomen’i Jehovah tao anatin’ireo 23 taona lasa. Mety ho niandry ny fotoana mety indrindra hampahafantarana an’ilay izy koa i Jeremia. Nampiseho herim-po anefa i Baroka tamin’ny Novambra na Desambra 624 T.K. ‘Novakiny teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao an-tranon’i Jehovah ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy, dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria.’—Jeremia 36:8-10.

Nolazain’i Mikaia tamin’i Gemaria rainy sy ny printsy maromaro izany zava-nitranga izany, ary nasain’izy ireo namaky tamin’ny feo avo an’ilay horonan-taratasy indray i Baroka. Hoy ny Baiboly: “Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany. ... Mandehana, ka miere hianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.”—Jeremia 36:11-19.

Tezitra i Joiakima Mpanjaka, rehefa nandre izay voasoratra tao amin’ilay horonan-taratasy nasain’i Jeremia nosoratan’i Baroka. Norovitiny sy natsipiny tao anaty afo ilay izy, ary nandidy ny mpanompony izy mba hisambotra an’i Jeremia sy Baroka. Araka ny didin’i Jehovah, dia nosoratan’izy mirahalahy tamin’ny horonan-taratasy vaovao indray izay voasoratra tao amin’ilay horonan-taratasy voalohany, nandritra ny fotoana niafenany.—Jeremia 36:21-32.

Azo antoka fa fantatr’i Baroka ny loza mety hanjo azy, noho io asa nampanaovina azy io. Tsy isalasalana fa fantany hoe nisy nandrahona i Jeremia, taona vitsivitsy talohan’izay. Novonoin’i Joiakima Mpanjaka i Oria, izay naminany ‘araka ny teny rehetra nataon’i Jeremia’, ary azo inoana fa nandre ny momba izany i Baroka. Na izany aza, dia vonona hampiasa ny fahaizany sy ny fifandraisany tamin’ny manam-pahefana izy, mba hanampiana an’i Jeremia hamita ny asany.—Jeremia 26:1-9, 20-24.

Aza mitady “zavatra lehibe”

Nisy fotoana nahakivy an’i Baroka, rehefa nanoratra an’ilay horonan-taratasy voalohany izy. Hoy izy: “Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.” Inona no nahakivy azy toy izany?—Jeremia 45:1-3.

Tsy voalaza mazava ny antony. Alao sary an-tsaina anefa ny nanjo azy. Namintina ireo fampitandremana nomen’i Jehovah nandritra ny 23 taona izy. Vao mainka nampiharihary izany, fa nivadi-pinoana sy niala tamin’i Jehovah ny mponin’ny Israely sy Joda. Azo inoana koa fa taitra mafy izy, rehefa nanapa-kevitra ny handringana an’i Jerosalema sy Joda i Jehovah, ary nilaza fa handefa azy ireo any an-tsesitany any Babylona mandritra ny 70 taona. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Baroka an’ilay horonan-taratasy voalohany no nilazan’i Jehovah an’izany, ary angamba nasainy nampidirina tao amin’izy io mihitsy ilay izy. (Jeremia 25:1-11) Mety ho nanahy koa i Baroka sao hesorina amin’ny toerany ary tsy ho an’asa intsony, noho izy nanohana foana an’i Jeremia tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany.

Na izany na tsy izany, dia nampian’i Jehovah i Baroka, mba hitadidy ilay didim-pitsarana efa hihatra. Hoy izy: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.” Nanoro hevitra an’i Baroka izy avy eo hoe: “Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany!”—Jeremia 45:4, 5.

Tsy nilaza i Jehovah hoe inona marina ireo “zavatra lehibe” ireo. Azo inoana anefa fa fantatr’i Baroka hoe mety ho faniriana halaza na hisandratra na hanan-karena no tiany horesahina. Nampirisihin’i Jehovah izy mba hieritreritra tsara sy hitadidy ny zavatra hitranga. Hoy i Jehovah: “Indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, ... fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.” Nidika izany fa ho voaro foana ny fananan’i Baroka sarobidy indrindra, dia ny ainy, na aiza na aiza halehany.—Jeremia 45:5.

Nitranga teo anelanelan’ny 625 sy 624 T.K. ireo zavatra voatantara ao amin’ny Jeremia toko faha-36 sy 45 ireo. Tsy miresaka an’i Baroka indray ny Baiboly aorian’izay, raha tsy amin’ny tantaran’ireo volana vitsivitsy talohan’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema sy Joda, tamin’ny 607 T.K. Inona no nitranga tamin’izay?

Nanohana an’i Jeremia indray i Baroka

Voaresaka ao amin’ny Baiboly indray i Baroka, ao amin’ny fitantaran’izy io momba ny nanaovan’ny Babylonianina fahirano an’i Jerosalema. “Nambenana teo an-kianjan’ny trano fiambenana” i Jeremia tamin’izay. Nasain’i Jehovah nividy ny tanin’ilay havany tao Anatota izy, mba ho famantarana fa hahazo ny taniny indray ny Jiosy. Nantsoina i Baroka mba hanampy an’i Jeremia hanao ireo taratasy ara-panjakana.—Jeremia 32:1, 2, 6, 7.

Nanazava i Jeremia hoe: “Nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase ... mbamin’ny taratasy mivelatra koa; dia natolotro an’i Baroka ... ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany.” Avy eo dia nasain’i Jeremia nasian’i Baroka tombo-kase ireo taratasy fifanekena ny amin’ny vidin-tany, ary nasainy natao tao anaty vilany tany, mba ho voatahiry tsara. Misy manam-pahaizana mihevitra fa na dia i Jeremia aza no nilaza fa ‘nanoratra’ ilay taratasy, dia i Baroka, mpitan-tsoratra mahay, raha ny marina, no nampanoratiny azy io.—Jeremia 32:10-14; 36:4, 17, 18; 45:1.

Nanaraka ny fepetra napetraky ny lalàna tamin’izany andro izany i Baroka sy Jeremia. Anisan’izany ny fanaovana taratasy fifanekena roa. Manazava ilay boky terỳ aloha hoe: “ ‘Taratasy fifanekena voaisy tombo-kase’ no anaran’ilay voalohany, satria nahorona izy io ary nasiana tombo-kase. Tao no nanoratana voalohany an’ilay fifanekena, ary izy io no tena nanan-kery. ... Nantsoina hoe ‘taratasy mivelatra’ [na misokatra] kosa ilay faharoa. Nadika tamin’izy io izay voasoratra tao amin’ilay voalohany, ary navela hisokatra ilay izy mba hojerena rehefa misy ilana azy. Taratasy roa samy hafa vita tamin’ny karazan-jozoro àry no nampiasaina, ka ilay voalohany no tena izy, fa ilay faharoa kosa dika mitovy aminy fotsiny.” Voaporofo tamin’ny alalan’ny fikarohana ambanin’ny tany, fa fanaon’ny olona fahiny ny mitahiry ireny taratasy ireny tao anaty vilany tany.

Resin’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny farany, ka nodorany. Nentiny ho babo ny mponina rehetra tao, afa-tsy ny olo-mahantra vitsivitsy. Notendren’i Nebokadnezara ho governora i Gedalia, izay nisy namono roa volana tatỳ aoriana. Nikasa hifindra tany Ejipta ireo Jiosy tavela tao Jerosalema, na dia nifanohitra tamin’izany aza ny torohevitr’i Jehovah nampitain’i Jeremia. Eo indray vao misy resaka momba an’i Baroka.—Jeremia 39:2, 8; 40:5; 41:1, 2; 42:13-17.

Hoy ny manam-pahefana jiosy tamin’i Jeremia: “Mandainga hianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta; fa Baroka, zanak’i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.” (Jeremia 43:2, 3) Toa nino ireo manam-pahefana jiosy ireo fa nanana fahefana lehibe tamin’i Jeremia i Baroka, raha ny fiampangana nataon’izy ireo no jerena. Nihevitra angamba izy ireo fa noho ny toerana notanan’i Baroka sy noho izy naman’i Jeremia hatry ny ela, dia tsy asan’ny mpitan-tsoratra fotsiny intsony no nataony ho an’ilay mpaminany. Avy amin’i Jehovah mihitsy anefa ilay hafatra, na inona na inona noeritreretin’izy ireo.

Nandao an’i Jerosalema ihany ny Jiosy sisa tavela tao, na dia nandre ny fampitandreman’Andriamanitra aza. Nentin’izy ireo niaraka taminy “i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’i Neria.” Nitantara i Jeremia hoe: “Nankany amin’ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa”, tanàna any amin’ny faritra atsinanan’ny vavaranon’i Neily, eo amoron’i Sinay. Tsy miresaka momba an’i Baroka intsony ny Baiboly, nanomboka teo.—Jeremia 43:5-7.

Inona no ianarantsika avy amin’i Baroka?

Betsaka ny lesona tena tsara raisintsika avy amin’i Baroka. Anisan’izany ny fahavononany hampiasa ny fahaizany sy ny fifandraisany amin’olona, mba hanompoana an’i Jehovah, na inona na inona mety ho vokany. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah lahy sy vavy manahaka azy. Mampiasa ny fahaizany izy ireo mba hanompoana ao amin’ny Betela, hanaovana ny asa fanorenana, sy ny toy izany. Mahita fomba anahafana ny toe-tsain’i Baroka koa ve ianao?

Nampahatsiahivina i Baroka fa tsy manam-potoana hikatsahana “zavatra lehibe” ho azy manokana izy, satria efa ho ringana i Joda. Azo inoana fa nankatò izy, matoa voatsimbina ny ainy. Hendry isika raha tsy mikatsaka zavatra lehibe ho an’ny tenantsika, satria efa ho ringana koa ity tontolo ity. Mampanantena i Jehovah fa ho voatsimbina ny aintsika, toy ny tamin’i Baroka. Mihaino fampitandremana toa azy àry ve isika?

Misy lesona hafa azontsika ampiharina koa ao amin’io tantara io. Nampian’i Baroka hanaraka ny fepetra napetraky ny lalàna i Jeremia sy ilay havany, rehefa nanao raharaham-barotra, na dia mpihavana aza izy ireo. Modely araka ny Soratra Masina izany, ary natao mba harahin’ny Kristianina, rehefa manao raharaham-barotra amin’ny mpiray finoana aminy izy ireo. Araka ny Baiboly sy azo tanterahina tsara ary fanehoam-pitiavana, ny fanaovana an-tsoratra ny fifanekena ara-barotra.

Tokony hahaliana ny Kristianina rehetra ny tantaran’i Baroka, na dia vitsivitsy ihany aza ny firesahana momba azy ao amin’ny Baiboly. Hanahaka ny modely navelan’io mpitan-tsoratra tsy nahafoy an’i Jeremia io àry ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Rehefa nandefa taratasy misy hafatra lehibe ny olona fahiny, dia nahorony sy nofatorany tamin’ny kofehy ilay taratasy. Nopetahany vongana tanimanga kely misy ny anaran’ilay mpandefa ilay kofehy.

[Sary, pejy 16]

Ilay tombo-kase tanimangan’i Baroka

[Sary nahazoan-dalana]

Tombo-kase: Courtesy of Israel Museum, Jerusalem