Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hisy fitsapana farany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. Mbola mety hisy olona hanota sy ho faty ve aorian’izay?

Manampy antsika hamaly io fanontaniana io ireto andininy roa ao amin’ny Apokalypsy ireto: “Natsipy mafy tany amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fasana. Tsy inona ny farihy afo fa fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:14) “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

Mariho ny fotoana resahina eo. Notsaraina araka “izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky” na ireo fepetra amin’ny an-tsipiriany takin’i Jehovah amin’ny olona mandritra ny arivo taona, aloha, ireo tafavoaka velona tamin’ny Hara-magedona sy ireo natsangana tamin’ny maty ary ireo teraka taorian’ny Hara-magedona. Avy eo vao hatsipy any amin’ny farihy afo ny “fahafatesana sy ny fasana.” (Apokalypsy 20:12, 13) Niresaka fahitana iray hafa, izay ho tanteraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy Jesosy, ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalyspy toko 21. Amin’ny faran’ny Andro Fitsarana arivo taona anefa ilay fahitana vao ho tanteraka amin’ny fomba feno. Hiara-mitoetra amin’ny olombelona tokoa i Jehovah, amin’izay fotoana izay, satria tsy hisy mpanelanelana intsony. Ho efa natolotr’i Jesosy ny Rainy mantsy ny Fanjakana. Raisina an’ohatra anefa ilay hoe hiara-mitoetra mivantana sy maharitra amin’ny “olony” i Jehovah. Ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay fampanantenana hoe “tsy hisy fahafatesana intsony”, rehefa ho lavorary ny olona noho izy ireo nandray soa feno avy tamin’ny sorom-panavotan’i Kristy.—Apokalypsy 21:3, 4.

Ny fahafatesana resahin’ireo andininy voasoratra etsy ambony ireo àry, dia ilay fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama, izay hofoanan’ny sorom-panavotan’i Kristy. (Romanina 5:12-21) Hanjary hitovy amin’i Adama tamin’izy vao noforonina ny olona, rehefa avy nofoanana ilay fahafatesana nolovany tamin’ny olombelona voalohany. Lavorary i Adama. Tsy nidika anefa izany hoe tsy nety maty izy. Hoy i Jehovah rehefa nilaza tamin’i Adama mba tsy hihinana tamin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17) Fahafatesana vokatry ny fahotana niniana natao no resahina eo. Mbola hanan-tsafidy ihany ny olombelona, aorian’ilay fitsapana farany, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. (Apokalypsy 20:7-10) Mbola ho afaka hifidy amin-kalalahana izy ireo, raha hanompo hatrany an’i Jehovah na tsia. Tsy afaka mitompo teny fantatra àry isika hoe tsy hisy olona handa an’Andriamanitra, toy ny nataon’i Adama, mihitsy amin’izay.

Inona no hitranga amin’ny olona mifidy ny hikomy, rehefa tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny fasana, aorian’ilay fitsapana farany? Tsy hisy intsony tokoa ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama amin’izay fotoana izay. Tsy hisy intsony koa ilay fasana misy ny maty rehetra mbola manantena fitsanganana. Afaka mandringana an’izay mikomy aminy anefa i Jehovah, ka handefa azy ireny ao amin’ny farihy afo mba tsy hitsanganany intsony. Hitovy amin’ilay fahafatesana nanjo an’i Adama sy Eva izany, fa tsy ilay fahafatesana nolovan’ny olombelona avy tamin’i Adama.

Tsy voatery hitranga anefa izany. Misy lafiny iray lehibe tena tsy hampitovy an’ireo ho tafavoaka amin’ilay fitsapana farany amin’i Adama: Ho efa avy notsapaina tamin’ny fomba feno izy ireo. Afaka matoky isika fa hahomby tanteraka ilay fitsapana farany, satria hain’i Jehovah ny mamantatra tsara ny olona. Azontsika antoka koa fa handringana an’ireo manararaotra ny safidiny malalaka, ilay fitsapana farany. Sarotra inoana àry ny hoe mbola hikomy amin’Andriamanitra ka ho ringana, ny olona iray tafavoaka tamin’ilay fitsapana farany.

[Sary, pejy 31]

Nahoana no ho azo ampitovina amin’i Adama ny olombelona, aorian’ilay fitsapana farany?