Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Zava-bitan’ilay Fanjakana Tato Anatin’ny 100 Taona

Ny Zava-bitan’ilay Fanjakana Tato Anatin’ny 100 Taona

“Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, . . . ry Mpanjakan’ny mandrakizay.”—APOK. 15:3.

1, 2. Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahoana isika no matoky fa ho tonga izy io?

NASAIN’I Jesosy Kristy hivavaka ny mpanara-dia azy hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Mat. 6:10) Teo amin’ny tendrombohitra iray tsy lavitra an’i Kapernaomy no nampianarany azy ireo izany, tamin’ny lohataonan’ny taona 31. Maro ankehitriny no misalasala raha ho tonga ihany io Fanjakana io. Matoky anefa isika fa hovalian’i Jehovah io vavaka ataontsika io.

2 Hampiasa an’ilay Fanjakana i Jehovah mba hampiraisana ny fianakaviany any an-danitra sy etỳ an-tany. Tsy maintsy ho tanteraka izany. (Isaia 55:10, 11) I Jehovah aza efa lasa Mpanjaka izao. Manaporofo izany ny zava-nitranga mahafaly tato anatin’ny 100 taona. Manao asa lehibe sy mahagaga ho an’ny mpanompony tsy mivadika an-tapitrisany Andriamanitra. (Zak. 14:9; Apok. 15:3) Tsy mitovy anefa ny hoe lasa Mpanjaka i Jehovah sy ny hoe tonga ny Fanjakany. Inona no tsy itovizan’ireo ary inona no vokatr’ireo eo amintsika?

NANOMBOKA NIASA ILAY MPANJAKA NAHAZO FAHEFANA

3. a) Oviana i Jesosy no nomena fahefana hitondra ary taiza? b) Inona no porofo fa nanomboka nanjaka i Jesosy tamin’ny 1914? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

3 Hoy i Daniela mpaminany, 2 500 taona lasa izay: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay  ilay Andriamanitry ny lanitra.” (Dan. 2:44) Nihanazava io faminaniana io tamin’ny taona 1880 tany ho any. Efa taona maro ny Mpianatra ny Baiboly no nanambara fa tena hiavaka ny taona 1914. Maro no nanantena fa ho tsara ny hoavy, tamin’izany. Hoy ny mpanoratra iray: “Nahabe fanantenana sy namirapiratra ny hoavy tamin’ny 1914.” Nipoaka anefa ny Ady Lehibe I tamin’io taona io, ka tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Nisy mosary sy horohoron-tany ary areti-mandringana taorian’izay, ary tanteraka koa ny faminaniana hafa. Voaporofo àry fa tamin’ny 1914 no nanomboka nanjaka tany an-danitra i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. * Azo lazaina hoe lasa Mpanjaka i Jehovah, rehefa nomeny fahefana hitondra ny Zanany, ilay Mesia Mpanjaka.

4. Inona no nataon’ilay Mpanjaka raha vao nahazo fahefana izy, ary inona no nataony taorian’izay?

4 Inona no zavatra voalohany nataon’ilay Mesia Mpanjaka raha vao nahazo fahefana izy? Niady tamin’i Satana, Fahavalon’ny Rainy lehibe indrindra, izy. Nandroaka an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra izy sy ny anjeliny. Faly be ny tany an-danitra vokatr’izany. Teto an-tany kosa nisy loza tsy roa aman-tany. (Vakio ny Apokalypsy 12:7-9, 12.) Nanadio sy nampianatra ary nandamina ny vahoakany teto an-tany ilay Mpanjaka taorian’izay, mba hahafahan’izy ireo hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ho hitantsika izao fa nanaiky ny fitarihan’ilay Mpanjaka ny vahoakany, ka modely ho antsika.

NANADIO NY VAHOAKANY ILAY MPANJAKA

5. Inona no fanadiovana nitranga teo anelanelan’ny 1914 sy ny fiandohan’ny 1919?

5 Rehefa avy nandroaka an’i Satana sy ny demonia avy tany an-danitra i Jesosy, dia nirahin’i Jehovah hanara-maso ny mpanara-dia azy teto an-tany sy hanadio azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy. Niresaka momba izany fanadiovana izany i Malakia mpaminany. (Mal. 3:1-3) Asehon’ny tantara fa nitranga izany teo anelanelan’ny 1914 sy ny fiandohan’ny 1919. * Tsy maintsy madio na masina isika mba ho anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah. (1 Pet. 1:15, 16) Mila miezaka foana isika mba tsy ho voapentimpentin’ny fivavahan-diso na ny politika, raha tsy tiantsika ho voaloto ny fivavahantsika.

6. Ahoana no ahazoantsika sakafo ara-panahy, ary nahoana izy io no tena ilaina?

6 Nampiasa ny fahefany i Jesosy avy eo mba hanendrena “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Izy io no hanome sakafo ara-panahy tsy tapaka an’ireo rehetra anisan’ilay “andiany iray” karakarain’i Jesosy. (Mat. 24:45-47; Jaona 10:16) Nanao tsara ny andraikiny ny rahalahy voahosotra vitsivitsy nanomboka tamin’ny 1919, ka namahana an’ireo ‘mpanompo ao an-trano.’ Manatanjaka ny finoantsika ny sakafo ara-panahy, ka lasa tapa-kevitra kokoa ny hadio hatrany isika. Tafiditra amin’izany ny fivavahantsika, ny fitondran-tenantsika, ny zavatra eritreretintsika, ny vatantsika, ary ny fananantsika. Manampy antsika hahay hitory koa ny sakafo ara-panahy, sady mandrisika antsika handray anjara faran’izay betsaka amin’ny fitoriana, izay asa lehibe indrindra. Mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka àry ve ianao?

MAMPIANATRA NY VAHOAKANY HITORY IZY

7. Inona no asa lehibe natombok’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, ary hitohy mandra-pahoviana izy io?

7 Hoy i Jesosy rehefa nanomboka ny fanompoany: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nifantoka tanteraka tamin’io asa io izy nandritra ny telo taona sy tapany. Hoy izy  tamin’ny mpianany: “Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’” (Mat. 10:7) Nilaza izy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, fa hampiely an’io hafatra io hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” ny mpanara-dia azy. (Asa. 1:8) Nampanantena izy fa hanampy azy ireo hanao io asa lehibe io, mandra-pahatongan’ny faran’ity tontolo ity.—Mat. 28:19, 20.

8. Ahoana no nandrisihan’ilay Mpanjaka ny vahoakany mba hitory?

8 Nisy zava-baovao lasa anisan’ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, nanomboka tamin’ny 1919. (Mat. 24:14) Efa nitondra tany an-danitra ilay Mpanjaka, ary efa nanangona mpanompo vitsivitsy voadio teto an-tany. Nafana fo erỳ izy ireo nankatò ny baikon’i Jesosy hoe: Torio eran-tany ny vaovao tsara hoe efa manjaka any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Asa. 10:42) Efa ho 20 000, ohatra, ny mpanohana an’ilay Fanjakana tonga namonjy ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny Septambra 1922. Alao sary an-tsaina ny hafalian’izy ireo, rehefa nanao an’ilay lahateny hoe “Ilay Fanjakana” ny Rahalahy Rutherford. Hoy izy: “Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Roa arivo tamin’ny mpanatrika no namaly ny antso ny ampitso ka nandeha nitory. Nisy tonga hatrany amin’ny 72 kilaometatra avy teo amin’ilay toerana nanaovana fivoriambe. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fanasana hanambara an’ilay Fanjakana, sy ny hafanam-pon’ireo vahoaka tafavory!” Maro no toa azy.

9, 10. a) Inona no natao mba hampiofanana an’ireo mpitory ilay Fanjakana? b) Inona no soa noraisinao tamin’izany fampiofanana izany?

9 Nisy mpitory 17 000 mahery tany amin’ny tany 58 tamin’ny 1922. Nila nampiofanina izy ireo. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nilaza mazava tamin’ny mpanara-dia azy ilay Mpanjaka voatendry hoe inona no hafatra hotorina, aiza no hitory, ary ahoana no fomba hitoriana. (Mat. 10:5-7; Lioka 9:1-6; 10:1-11) Toy izany koa ankehitriny. Ataon’i Jesosy azo antoka hoe mahazo ny toromarika sy ny fitaovana ilaina mba hahaizana an’ilay asa ny mpitory rehetra. (2 Tim. 3:17) Mampiasa ny fiangonana kristianina izy mba hampiofanana ny vahoakany amin’ny fanompoana. Eo, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana izay atao any amin’ireo fiangonana 111 000 mahery eran-tany. Mpitory fito tapitrisa mahery izao no mandray soa avy amin’izany, ka lasa mahay mitory amin’ny “karazan’olona rehetra” sy mahay mampianatra azy ireny.—Vakio ny 1 Korintianina 9:20-23.

10 Nisy sekoly ara-baiboly hafa koa natomboka tatỳ aoriana mba hampiofanana ny anti-panahy, mpisava lalana, rahalahy mpitovo, mpivady, ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny  vadiny, mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, ary misionera. * Nankasitraka an’ilay sekoly ny mpianatra tamin’ny kilasy iray tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina. Hoy izy ireo: “Nihalalina ny fitiavanay an’i Jehovah ary lasa hainay kokoa ny manampy ny hafa, noho ilay fampiofanana manokana azonay.”

11. Nahoana ny mpitory ilay Fanjakana no mahavita manohy ny fanompoany, na dia misy manohitra aza?

11 Hitan’i Satana fa miely be ny asa fitoriana sy fampianarana, ka miezaka mampitsahatra an’ilay asa izy, ary mampiasa fomba mivantana na an-kolaka. Manakiana an’ilay hafatra sy manenjika an’ireo mitondra azy io, ohatra, izy. Very maina anefa ny ezaka ataon’io fahavalo io. Efa napetrak’Andriamanitra “ho ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana” mantsy ny Zanany. (Efes. 1:20-22) Mampiasa ny fahefany i Jesosy Mpanjaka, ka miaro sy mitari-dalana ny mpianany, mba ho azo antoka fa tanteraka ny sitrapon’ny Rainy. * Mitohy foana ny fitoriana ny vaovao tsara, ary olona tso-po an-tapitrisany no ampianarina mba ho lasa mpanompon’i Jehovah. Voninahitra lehibe ny mandray anjara amin’io asa faran’izay tsara io!

MANDAMINA NY VAHOAKANY MBA HIASA BEBE KOKOA ILAY MPANJAKA

12. Inona avy ny fomba fiasa nohatsaraina, rehefa nanomboka nanjaka ilay Mpanjaka?

12 Rehefa nanomboka nanjaka i Jesosy tamin’ny 1914, dia nohatsarainy ny fomba fiasan’ny mpanompon’Andriamanitra mba hahavitan’izy ireo ny sitrapon’ny Rainy. (Vakio ny Isaia 60:17.) Nisy talen’ny fanompoana notendrena isaky ny fiangonana tamin’ny 1919, mba hitarika ny fitoriana. Lasa nitory isan-trano koa ny fiangonana isaky ny alahady, nanomboka tamin’ny 1927. Nanjary vonona hanompo bebe kokoa ireo mpanohana an’ilay Fanjakana, rehefa nandray an’ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931. (Isaia 43:10-12) Tsy ny besinimaro intsony no nifidy ireo lehilahy manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana, nanomboka tamin’ny 1938. Notendrena mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly kosa izy ireny. Anti-panahy maromaro no notendrena hiandraikitra ny fiangonana fa tsy mpiandraikitra iray intsony, nanomboka tamin’ny 1972. Nampirisihina ny lehilahy rehetra mahafeno fepetra mba hiezaka ho tonga mpiandry “ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (1 Pet. 5:2) Nalamina ho komity enina ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1976, mba hiandraikitra ny asan’ilay Fanjakana eran-tany. Hita àry fa nandamina  tsikelikely ny vahoakany ilay Mpanjaka voatendry, mba hanaovan’izy ireo zavatra araka ny sitrapon’i Jehovah.

13. Mahakasika anao ve ny zava-bitan’ilay Fanjakana tato anatin’ny 100 taona? Hazavao.

13 Efa 100 taona izay no nanjakan’ilay Mesia Mpanjaka. Eritrereto ange ny zava-bitany e! Nanadio vahoaka iray hisolo tena an’i Jehovah izy. Nitarika ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ny tany 239 izy, ary nampianatra olona an-tapitrisany mba hanompo an’i Jehovah. Olona fito tapitrisa mahery àry no lasa tafaray. Tsy mivadika ny tsirairay aminy ary manolo-tena an-tsitrapo mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. (Sal. 110:3) Lehibe sy mahagaga tokoa ny zavatra ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Misy zavatra mahatalanjona kokoa anefa miandry antsika!

FITAHIANA HOENTIN’ILAY FANJAKANA

14. a) Inona no angatahintsika amin’Andriamanitra rehefa mivavaka isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”? b) Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2014, ary nahoana no mety tsara izany?

14 Nomen’i Jehovah fahefana hanjaka i Jesosy Kristy, tamin’ny 1914. Tsy nivaly tanteraka tamin’io fotoana io anefa ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” (Mat. 6:10) Nilaza ny Baiboly fa ‘hanjaka eo anivon’ny fahavalony’ i Jesosy. (Sal. 110:2) Mbola manohitra an’ilay Fanjakana anefa ankehitriny ireo fitondran’olombelona fehezin’i Satana. Rehefa mivavaka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika, dia mangataka ny hampiasan’i Jehovah an’ilay Mesia Mpanjaka sy ireo miara-manjaka aminy mba hanafoana ny fitondran’olombelona sy ireo olona manohitra an’ilay Fanjakany. Ho tanteraka amin’izay ny Daniela 2:44 hoe ‘hanorotoro sy hanafoana an’ireo fanjakana rehetra ireo’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Hofoanany ireo fitondrana manohitra azy. (Apok. 6:1, 2; 13:1-18; 19:11-21) Hitranga tsy ho ela izany. Efa 100 taona mantsy izay no nanomboka nanjaka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Mety tsara àry raha nofidina ho andinin-teny ho an’ny taona 2014 ny Matio 6:10 hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”

Andinin-teny ho an’ny taona 2014: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” —Matio 6:10

15, 16. a) Inona no zavatra mahafaly hitranga mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? b) Inona no zavatra farany hataon’i Jesosy amin’ny maha Mesia Mpanjaka azy, ary inona no ho vokatr’izany?

15 Hanipy an’i Satana sy ny demoniany ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka ilay Mesia Mpanjaka, rehefa avy mandringana an’ireo fahavalon’Andriamanitra. Hohidiana ao mandritra ny arivo taona ireo ka tsy hanan-kery intsony. (Apok. 20:1-3) Hanampy ny olona handray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ilay Fanjakana, ary hanala tanteraka ny vokatry ny fahotan’i Adama. Hanangana an’ireo olona an-tapitrisany matory ao am-pasana ilay Mpanjaka, ary hanao fandaharam-pampianarana lehibe mba hahalalan’izy ireo an’i Jehovah. (Apok. 20:12, 13) Ho lasa Paradisa toy ny zaridainan’i Edena ny tany manontolo, ary ho lavorary ny olombelona tsy mivadika rehetra.

16 Hahavita ny asa nampanaovina azy ny Fanjakan’ny Mesia, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hanolotra an’ilay Fanjakana amin’ny Rainy i Jesosy aorian’izay. (Vakio ny 1 Korintianina 15:24-28.) Tsy hila mpanelanelana intsony ny olombelona rehefa mifandray amin’i Jehovah. Ho tafaray amin’i Jehovah Rainy ny zanany rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, ka ho lasa fianakaviambe iray izy ireo.

17. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

17 Inona no vokany rehefa mandinika an’ireo zavatra mahafaly vitan’ilay Fanjakana tato anatin’ny 100 taona isika? Manjary matoky isika fa mahafehy ny zava-mitranga i Jehovah, ary ho tanteraka ny fikasany momba ny tany. Enga anie isika ka tsy hivadika aminy ary hanambara hatrany an’ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany. Tena matoky isika fa hivaly tsy ho ela ilay vavaka ataontsika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”

^ feh. 10 Jereo ilay hoe “Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2012, pejy 13-17.

^ feh. 11 Miresaka ny sasany amin’ny fandresena azon’ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny fitsarana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2012, pejy 16-17.