Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanao Pirinty Nampiely ny Baiboly

Mpanao Pirinty Nampiely ny Baiboly

Mpanao Pirinty Nampiely ny Baiboly

EFA an’arivony taona taloha no nisian’ny horonana sy boky sora-tanana. Tatỳ aoriana kosa ny boky sora-pirinty. Tany Chine no nisy boky natao pirinty voalohany, tamin’ny taona 868, ary soratra natao sokitra teo amin’ny takelaka hazo no nampiasaina. Tamin’ny 1455 anefa dia namorona lohavỳ na litera vita amin’ny vy i Johannes Gutenberg, tany Alemaina, ary nanao pirinty ny Baiboly voalohany tamin’ny teny latinina.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana vao naely ny Baiboly sy ny boky hafa. Tamin’izay mantsy vao nisy orinasa mpanao pirinty. Ny tanànan’i Nuremberg no lasa foiben’ny fanaovam-pirinty tany Alemaina. I Anton Koberger, izay avy ao amin’io tanàna io, angamba no nanana ny orinasa lehibe voalohany mpanao pirinty sy mpampiely Baiboly ho an’ny tany maro.

Tena mandray soa avy amin’ny asa nataon’ireo mpanao pirinty Baiboly voalohany, toa an’i Anton Koberger, ny firenena rehetra. Fa nahoana?

‘Nitandrina tsara rehefa nanonta Baiboly’

Tamin’ny 1470 i Koberger no nanokatra ny fanontam-pirinty voalohany tao Nuremberg. Efa nahatratra 24 ny milina indray nampiasainy. Niisa 100 ny mpiasany, izay mpanao pirinty, mpanao asa tanana, ary mpiasa hafa, tany Bâle, Strasbourg, Lyon, ary tanàna hafa tany Eoropa. Asa soratra latinina sy boky momba ny siansa tamin’ny androny no nataon’i Koberger pirinty. Nanonta karazana boky sy Baiboly 236 izy. Nisy pejy an-jatony ny sasany tamin’ireny, ary nahodina tanana ireo milina.

Nalaza ho tsara tarehy sy mora vakina ireo soratra tamin’ny boky natontan’i Koberger. Hoy i Alfred Börckel, mpanoratra tantara: “Lohavỳ vaovao sy voatefy tsara ihany no nasain’i Koberger nampiasaina, fa tsy ireo efa simbasimba.” Maro tamin’ireo boky sy Baiboly nataony koa no nasiany sary natao pirinty tamin’ny takelaka hazo.

Nilaza i Oscar Hase, izay nanoratra ny tantaran’i Koberger, fa “nitandrina tsara foana izy rehefa nanonta Baiboly.” Niezaka mafy izy sy ny mpiara-miasa taminy mba hahazo an’izay Baiboly nadika tamin’ny fomba marina indrindra. Tsy mora izany, satria maro tamin’ireo horonana nisy ny Soratra Masina no narovana be tany amin’ny monasitera, ka tsy nampindramin’izy ireo mihitsy na vetivety fotsiny no mba nomeny.

Baiboly amin’ny teny latinina sy alemà

Namoaka fanontana in-15 tamin’ny Biblia Latina (Baiboly Latinina) i Koberger, ary tamin’ny 1475 ny fanontana voalohany. Nisy sarin’ny sambofiaran’i Noa sy ny Didy Folo ary ny tempolin’i Solomona ny sasany tamin’izy ireny. Nanao pirinty ny Biblia Germanica (Baiboly Alemà) i Koberger, tamin’ny 1483, ary 1 500 teo ho eo no indray natonta. Be dia be izany tamin’izany. Nasiana sary 100 mahery io Baiboly io, mba hahaliana ny mpamaky sy hampahazava ny hevitra, ary hanampiana an’ireo tsy mahay mamaky teny hahafantatra an’ireo tantara malaza ao amin’ny Soratra Masina. Somary naka tahaka an’ireo sary tao amin’izy io ireo mpanao sary amin’ny Baiboly tatỳ aoriana. Ahitana izany indrindra ireo Baiboly amin’ny teny alemà.

Lasa nalaza ilay Baiboly navoakan’i Koberger tamin’ny 1483. Izy io ihany anefa no Baiboly tamin’ny teny alemà natontany. Ny fandikan-tenin’i Vaudès tamin’ny taonjato faha-14, izay voarara, no nampiasain’i Koberger hanaovana ny Baiboliny. * Namboarin’ireo mpiara-miasa taminy fotsiny ny fehezanteny tao mba hifanaraka amin’ny Vulgate latinina, izay neken’ny eglizy. Nenjehin’ny Papa Innocent Faha-8 anefa ireo Vaudois, ny taona nanaraka an’io. Lasa noraran’ny eglizy koa ireo Baiboly hafa, taorian’izay. Namoaka didy ny Arseveka Berthold avy any Mainz any Alemaina, tamin’ny 22 Martsa 1485, fa voarara ny Baiboly nadika tamin’ny teny alemà. Nohavaozin’i Berthold io didy io ny 4 Janoary 1486. Tsy sahy nanao pirinty Baiboly tamin’ny teny alemà intsony i Koberger, noho izany.

Tsy very maina anefa ny ezaka nataon’i Anton Koberger. Lasa nisy boky isan-karazany mora vidy eran’i Eoropa, noho ny fomba fanontam-pirinty vaovao nampiasainy. Afaka nahazo Baiboly koa ny olon-tsotra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2002.

[Sary, pejy 26]

Ankavia miankavanana: sarin’i daniela tao an-davaky ny liona; sora-baventy nasiana ranom-bolamena; sora-pirinty mazava tsara

[Sary, pejy 26]

Koberger

[Sary, pejy 26]

Baibolin’i koberger amin’ny teny latinina sy alemà, misy sary miloko sy fanazavana ny Genesisy 1:1

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Sarina Baiboly rehetra: Courtesy American Bible Society Library; Koberger: Mit freundlicher Genehmigung der Linotype GmbH