Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Mahalala ny Anaran’Andriamanitra?

Inona no Dikan’ny hoe Mahalala ny Anaran’Andriamanitra?

MISY dikany manokana ve ny anaranao? Tena misy dikany ny anarana omena ny ankizy sasany. Mety ho hita amin’ilay anarana izay inoan’ny ray aman-dreniny sy izay zava-dehibe aminy, na koa izay antenainy sy mba nofinofiny ho an’ilay zanany.

Efa fanao hatramin’izay ny manome anarana misy heviny ho an’ny ankizy. Matetika no misy hevitra tiana hambara amin’ny anarana nomena ny olona tamin’ny andron’ny Baiboly. Mety hanondro ny zavatra tiana hataony izany. Izao, ohatra, no nolazain’i Jehovah tamin’i Davida, momba izay hataon’i Solomona zanany: “Solomona [midika hoe “Fiadanana”] no ho anarany. Ary hataoko miadana sy milamina ny Israely amin’ny androny.”—1 Tantara 22:9.

Omen’i Jehovah anarana vaovao indraindray ny olona hahazo andraikitra vaovao. Tsy niteraka, ohatra, ny vadin’i Abrahama. Novana hoe Saraha na “Andriambavy” anefa ny anarany, satria hoy i Jehovah: “Hitahy azy aho, ka hanome anao zazalahy avy aminy. Eny, hitahy azy aho ka hisy firenena maro sy mpanjakan’ny firenena maro hipoitra avy aminy.” (Genesisy 17:16) Nilaina ho fantatra àry ny andraikitra nomena an’i Saraha, mba hahalalana ny antony nanomezana azy anarana vaovao.

Inona kosa no dikan’ilay anarana lehibe indrindra hoe Jehovah? Hoy i Jehovah rehefa nanontany momba ny anarany i Mosesy: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.” (Eksodosy 3:14) Hoy io andininy io amin’ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Ho tonga izay rehetra mahafinaritra ahy aho.” Asehon’ny anaran’i Jehovah fa be dia be ny zavatra sahaniny. Mila misahana andraikitra maro, ohatra, ny reny mikarakara ny zanany, arakaraka izay ilaina isan’andro. Mety ho lasa mpitaiza izy, na mpahandro, na mpampianatra. Toy izany koa i Jehovah, saingy betsaka kokoa no vitany. Afaka ny ho tonga izay rehetra mahafinaritra azy izy, izany hoe hanao izay rehetra ilaina, mba hanatanterahana ny fikasany feno fitiavana momba ny olombelona. Mahalala sy mankasitraka an’izany rehetra izany àry ny olona mahalala tsara an’i Jehovah sy ny anarany.

Mampalahelo fa tsy mahalala ny toetra tsaran’Andriamanitra ireo tsy mahalala ny dikan’ny anarany. Raha mianatra Baiboly anefa ianao dia hahafantatra ny mombamomba an’i Jehovah, toy ny hoe Mpanolo-tsaina hendry izy, Mpamonjy mahery, ary Mpanome izay ilaina. Tena mahatalanjona tokoa ny dikan’ny anarany.

Misy manakana ny olona tsy hahalala tsara an’Andriamanitra anefa. Izany no horesahin’ny lahatsoratra manaraka.