Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Nahoana no lasa Vavolombelon’i Jehovah ny lehilahy iray, nefa tsy tia Vavolombelona taloha sady nanambady efatra? Nahoana no niala tsy ho Pentekotista ny pasitera iray? Nahoana ny vehivavy iray no tsy nihevitra intsony hoe tsy misy dikany, nefa nijaly be tamin’ny mbola kely? Nahoana izy no nanatona an’Andriamanitra? Ary nahoana ny lehilahy iray tia rock mavesatra no lasa mpitory ny vaovao tsara? Araho ange ny tantaran’izy ireo e!

“Lasa tsara fanahy kokoa aho.” —RIGOBERT HOUETO

TERAKA: 1941

FIRENENA: BÉNIN

FIAINANY TALOHA: NANAMBADY EFATRA SADY TSY TIA VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

NY FIAINAKO TALOHA: Avy eto Cotonou, tanàn-dehibe atỳ Bénin, aho. Katolika izahay saingy indraindray aho vao niangona. Fanaon’ny Katolika tatỳ aminay ny nanambady maro, satria tsy voararan’ny lalàna ilay izy tamin’izany. Nanambady efatra àry aho.

Nisy tolom-bahoaka tamin’ny 1970 tany ho any. Nihevitra aho hoe hampandroso ny fireneko ilay izy, ka nandeha nitolona aho sady nanao politika. Nenjehinay ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nanao politika. Noroahina ny misioneran’izy ireo tamin’ny 1976. Nanantena aho hoe tsy hisy misionera hiverina intsony eto.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Tapitra ilay tolom-bahoaka tamin’ny 1990. Gaga aho fa niverina ry zareo misionera. Lasa saina aho hoe: ‘Sao dia mba irak’Andriamanitra àry ireto?’ Niova asa aho tamin’izay, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah niara-niasa tamiko. Tonga dia nitory tamiko izy. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly hoe be fitiavana sy manao ny rariny i Jehovah. (Deoteronomia 32:4; 1 Jaona 4:8) Nahaliana ahy ilay izy, ka lasa te hahalala kokoa an’i Jehovah aho. Nianatra Baiboly àry aho.

Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, taoriana kelin’izay. Gaga aho fa tena mifankatia ry zareo, sady tsy mifanavakavaka. Rehefa nifanerasera elaela izahay, dia hitako hoe tena mpanara-dia an’i Jesosy izy ireo.—Jaona 13:35.

Fantatro hoe tsy maintsy miala tsy ho Katolika aho raha te hanompo an’i Jehovah. Sarotra tamiko izany, satria natahotra vavan’olona aho. Nampian’i Jehovah anefa aho, ka nahavita niala ihany rehefa ela ny ela.

Nisy zavatra hafa tena nila nataoko koa. Nianarako hoe tsy mety ny manambady maro, ary ilay vadiko voalohany no tokony hiarahako. (Genesisy 2:18-24; Matio 19:4-6) Nisoratra àry izahay. Nisarahako kosa ireo vadiko hafa, saingy nampiako mba tsy ho sahirana ara-bola. Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny roa, tatỳ aoriana.

NY SOA NORAISIKO: Katolika ilay vadiko, nefa tsy sarotiny izy mahita ahy manompo an’i Jehovah. Samy mahatsapa izahay hoe lasa tsara fanahy kokoa aho.

Nanao politika aho taloha, satria nieritreritra fa hampandroso ny fireneko izany. Tsy nisy vokany anefa ilay izy. Hitako fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavaha ny olana mahazo ny olombelona. (Matio 6:9, 10) Misaotra an’i Jehovah aho satria nampiany mba ho tena sambatra.

‘Tsy mora tamiko ny niova.’ ALEX LEMOS SILVA

TERAKA: 1977

FIRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: PASITERAN’NY PENTEKOTISTA

NY FIAINAKO TALOHA: Nipetraka tany Itu, any São Paulo, aho. Be jiolahy tao amin’io tanàna io.

Nahery setra be aho sady naditra. Nivarotra rongony koa aho. Niezaka niova anefa aho tatỳ aoriana satria tonga saina hoe mety higadra na ho faty, raha izany foana no hataoko. Nivavaka tany amin’ny Pentekotista aho, ary lasa pasitera mihitsy.

Nieritreritra aho hoe tena hahavita hanampy olona raha manao izany. Nitory teny tao amin’ny radio mihitsy aza aho, ka lasa be mpahalala. Hitako anefa fa tsy dia mikarakara ny mpivavaka ao aminy ny Fiangonana Pentekotista, sady tsy tena mieritreritra ny hanome voninahitra an’Andriamanitra. Ny hahazo vola fotsiny no tadiaviny. Niala aho nony farany.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia hitako fa tsy mitovy amin’ny fivavahana hafa ry zareo. Zavatra roa no nahavariana ahy. Tena tia an’Andriamanitra sy tia olona ry zareo, fa tsy hoe mitory an’izany fotsiny. Tsy manao politika na mandray anjara amin’ny ady koa izy ireo. (Isaia 2:4) Resy lahatra aho hoe nahita ny fivavahana marina, ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana mandrakizay.—Matio 7:13, 14.

Nisy zavatra tena nila nataoko anefa raha te hampifaly an’Andriamanitra aho. Nila nikarakara kokoa ny fianakaviako, ohatra, aho, sady nila nanetry tena kokoa. Tsy mora tamiko ilay izy, nefa vitako ihany satria nampian’i Jehovah aho. Gaga be ny vadiko nahita ahy niova, ka lasa nazoto kokoa nianatra Baiboly, nefa efa talohako izy no nianatra. Samy te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay taoriana kelin’izay, ary niara-natao batisa.

NY SOA NORAISIKO: Sambatra izahay mianakavy izao. Ampianay ho lasa naman’i Jehovah koa ny zanakay telo mianadahy. Misaotra an’i Jehovah aho satria nataony izay hahalalako ny marina, ao amin’ny Teniny. Niova tanteraka aho rehefa nianatra azy io. Manova olona tokoa ny Baiboly!

“Sambatra aho, sady tsy mihevitra intsony hoe tsy misy dikany.” —VICTORIA TONG

TERAKA: 1957

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: NIJALY BE

NY FIAINAKO TALOHA: Nipetraka tany Newcastle, any Nouvelle-Galles Atsimo, aho. Fito mianadahy izahay, ary izaho no vavimatoa. Mamo lava sady nahery setra ny dadanay. Nasiaka be koa ny mamanay sady namono ahy. Natahotra be aho satria noteneniny foana hoe maditra, hono, ka ho lasa any amin’ny afobe.

Naratra be aho isaky ny novonoiny, ka tsy nianatra matetika. Nesorin’ny fanjakana tao amin’ny ray aman-dreniko aho, tamin’izaho 11 taona. Napetraka tany amin’ny fikambanana iray aho, ary avy eo tany amin’ny masera. Nitsoaka anefa aho, tamin’izaho 14 taona, ary tsy nody fa nirenireny tany Kings Cross, any Sydney.

Lasa nifoka rongony, nisotro toaka, nanao filma vetaveta, ary nivaro-tena aho. Nisy zavatra nampahatahotra be ahy, indray hariva. Tao amin’ny lehilahy iray tompona toeram-pandihizana aho tamin’izay. Nisy roa lahy nitady azy. Nasainy nankao amin’ny efitra ilany aho, nefa reko ny resak’izy ireo. Hividy ahy no nahatongavan’izy roa lahy. Saika hafeniny ao anaty sambo aho, ary hoentiny any Japon mba hiasa amin’ny bara. Tonga dia nitsambikina avy teny an-davarangana aho vao naheno an’izany, ary nitady olona hamonjy ahy.

Nahita lehilahy iray aho, teny an’arabe. Olona nandalo kely tao Sydney izy io. Notantaraiko taminy ny nahazo ahy sao mba homeny vola aho. Nasainy nankany amin’ny trano nivantanany anefa aho, mba hisakafo kely sy handro. Tsy nisaraka intsony izahay, ary nivady herintaona tatỳ aoriana.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Sady tezitra aho no faly, tamin’izaho vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tezitra aho satria izay vao fantatro hoe i Satana no mahatonga ny fijaliana. Nampianarina ahy foana hoe Andriamanitra no mampijaly antsika. Faly be koa anefa aho, satria lasa haiko hoe hay tsy mampijaly olona any amin’ny afobe Andriamanitra. Nampahatahotra ahy foana mantsy izany taloha.

Gaga aho fa manaraka ny torohevitry ny Baiboly foana ny Vavolombelona rehefa manapa-kevitra. Tena ampihariny ny zavatra ianarany. Mafy loha be aho taloha, nefa tia ahy sy nanaja ahy foana ry zareo, na inona na inona nolazaiko sy nataoko.

Nahatsiaro tena ho tsy nisy dikany koa aho, ary io no mafy indrindra tamiko. Tsy nety niala tao an-tsaiko ilay izy, na dia efa ela be taorian’ny batisako aza. Tia an’i Jehovah aho, nefa nihevitra hoe tsy ho tia olona hoatr’ahy mihitsy izy.

Niova ihany anefa aho, 15 taona taorian’ny batisako, rehefa nahare lahateny iray tany amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Noresahina tamin’izay ny Jakoba 1:23, 24. Voalaza ao fa toy ny fitaratra ny Baiboly, ary ahitana hoe hoatran’ny ahoana no fiheveran’i Jehovah antsika. Lasa ny saiko hoe sao dia hafa noho ilay eritreretiko àry ny fahitany ahy. Tsy nety nanaiky an’izany anefa aho tamin’ny voalohany. Mbola nihevitra foana aho hoe tsy ho tia ahy mihitsy izy.

Namaky ny Isaia 1:18 anefa aho, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Io no tena nahatonga saina ahy. Hoy i Jehovah ao: ‘Avia hifandamina isika. Fa na mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia hatao fotsy mangatsakatsaka.’ Toy ny niteny tamiko izy hoe: “Avia hiresaka isika Vicky a! Fantatro tsara ianao. Fantatro ny zavatra nataonao. Fantatro koa anefa hoe tena manenina ianao. Matokia fa tiako ianao!”

Tsy nahita tory aho ny alin’io. Mbola tsy nino aho hoe tia ahy i Jehovah. Nieritreritra momba ny sorom-panavotan’i Jesosy anefa aho. Teo vao tsapako hoe nanam-paharetana tamiko foana i Jehovah. Efa imbetsaka izy no nampiseho tamiko hoe tia ahy, saingy toy ny niteny taminy foana aho hoe: ‘Tsy tia ahy ianao satria tsy tena be fitiavana. Tsy mahavita manavotra ahy koa ny soron’ny Zanakao, ka ento any fa tsy ilaiko.’ Lasa tsapako anefa hoe tia ahy izy, rehefa avy nisaintsaina momba ny sorom-panavotana aho.

NY SOA NORAISIKO: Lasa sambatra aho, sady tsy mihevitra intsony hoe tsy misy dikany. Mifankatia kokoa izahay mivady, ary lasa mahay manampy olona aho, satria efa betsaka ny zavatra nandalovako. Lasa tena namako koa i Jehovah.

“Nivaly ny vavaka nataoko.” —SERGEYBOTANKIN

TERAKA: 1974

FIRENENA: ROSIA

FIAINANY TALOHA: TIA ROCK MAVESATRA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Votkinsk aho, izay toerana nahaterahan’i Tchaïkovski, mpamorona mozika malaza. Fianakaviana nahantra izahay. Tsara toetra ny dadanay saingy mamo lava, ka nahasorena be ny fiainanay tao an-trano.

Tsy dia nahay aho ka lasa nieritreritra hoe vendrana, fa tsy mba hoatran’ny olona. Nitokantokana aho, ary tsy natoky olona. Tsy tiako mihitsy ny nandeha nianatra. Rehefa asain’ny mpampianatra manazava hevitra, ohatra, aho, dia tsy mahay, na dia hevitra tsotra aza, nefa haiko ilay izy amin’ny fotoana hafa. Izao no nosoratan’ny mpampianatra momba ahy, indray mandeha: “Tsy dia mahalala voambolana firy, sady tsy mahay manazava ny heviny.” Vao mainka aho kivy sy nahatsapa hoe tsy nisy dikany. Nieritreritra aho hoe nahoana aho no velona.

Lasa nisotro toaka koa aho. Falifaly aho rehefa avy nisotro. Nanenjika ahy anefa ny eritreritro rehefa be loatra ny toaka laniko. Hoatran’ny tsy nisy dikany ny fiainako. Vao mainka aho kivy. Indraindray aho tsy nivoaka ny trano nandritra ny andro maromaro, sady te hamono tena.

Nihaino rock mavesatra aho tamin’izaho 20 taona, ary ninamana tamin’ny ankizy tia an’ilay izy. Nanalava volo aho, nanao kavina, ary nangala-tahaka ny akanjon’ny mpanao rock nahafinaritra ahy. Maivamaivana aho, saingy vetivety ihany. Lasa nihetraketraka sy nila vaniny aho, ka niady lava tamin’ny olona tao an-tranonay.

Nihevitra aho hoe ho falifaly rehefa mihaino rock mavesatra, kanjo tsy izay no nitranga. Niova be ny toetrako. Sosotra be koa aho rehefa naheno ny zava-dratsy nataon’ny mpihira tiako.

Vao mainka aho tapa-kevitra ny hamono tena. Tsy sahy indray anefa aho avy eo, satria fantatro hoe tsy ho zakan’ny mamanay ilay izy. Tiany be mantsy aho, sady nanampy ahy foana izy. Very hevitra àry aho. Tsy afaka namono tena aho, nefa tsy te ho velona intsony koa.

Te ho verivery dia aho, ka namaky boky. Nisy tantarana mpivavaka nahavita zavatra niavaka, tao amin’ny boky iray novakiko. Lasa te hanompo an’Andriamanitra sy hanampy olona àry aho. Nolazaiko tamin’Andriamanitra daholo izay tao am-poko. Mbola tsy nanao an’izany mihitsy aho taloha. Nanontaniako azy hoe inona no hataoko mba ho sambatra aho. Gaga aho fa lasa maivamaivana be. Vao mainka aho gaga avy eo satria adiny roa monja taorian’izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amiko, ary nanasa ahy hianatra Baiboly. Nivaly ny vavaka nataoko. Niova ny fiainako nanomboka teo. Lasa sambatra aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nariako daholo izay zavatro rehetra nisy nifandraisany tamin’ny rock, na dia mafy tamiko aza izany. Ela be anefa vao hadinoko izay hira haiko. Vao nandalo teny amin’ny toerana mpandefa an’ilay izy aho, dia tadidiko ny fiainako taloha. Tsy tiako izany satria nanelingelina ny saiko, nefa aho efa mba nianatra zavatra mahafinaritra. Tsy nandalondalo teny amin’ireny toerana ireny intsony àry aho. Nivavaka mafy koa aho, isaky ny nitady hieritreritra ny lasa. Nahatsapa ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” àry aho.—Filipianina 4:7.

Nianarako hoe mila mitory ny Kristianina, nefa nieritreritra aho hoe tsy hahavita an’izany mihitsy. (Matio 28:19, 20) Fantatro anefa fa mila mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly koa ny olona. Nilamin-tsaina sy faly aho tsinona rehefa nianatra an’ilay izy. Nitory àry aho, na dia natahotra aza. Gaga be aho fa lasa natoky tena kokoa rehefa nanao izany. Nanamafy ny finoako koa ilay izy.

NY SOA NORAISIKO: Sambatra izao ny tokantranoko. Faly koa aho fa efa nampianatra Baiboly olona maromaro, anisan’izany ny anabaviko sy ny mamako. Tena lasa sambatra aho, satria manompo an’Andriamanitra sy manampy olona hahalala azy.