Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: RAHOVIANA NO TSY HISY INTSONY NY FANAVAKAVAHANA?

Olana Eran-tany ny Fanavakavahana

Olana Eran-tany ny Fanavakavahana

DOKOTERA i Jonathan, ary Koreanina teraka tany Amerika. Mbola kely izy dia efa nisy nanavakavaka. Rehefa nihalehibe izy, dia nitady toerana tsy misy olona hanavakavaka azy noho ny endriny na ny volon-kodiny. Nifindra tao amin’ny tanàna iray any amin’ny faritra avaratr’i Alaska, any Etazonia, àry izy. Mba mitovitovy endrika aminy mantsy ny ankamaroan’ireo marary notsaboiny tany. Mangatsiaka be any, nefa naleony niaritra an’izany toy izay hiaritra fanavakavahana.

Nitsabo vehivavy iray 25 taona avy any amin’iny faritra iny anefa izy indray andro. Vao nahatsiaro saina izy io ka nahita ny endrik’i Jonathan, dia fanaratsiana sy teny ratsy no nivoaka ny vavany. Hita hoe efa ela izy no tsy tia Koreanina. Mafy tamin’i Jonathan izany. Toa tsy ho afa-bela amin’ny fanavakavahana izy, na inona na inona hataony. Diso fanantenana tanteraka izy.

Mampalahelo ny zava-nitranga tamin’i Jonathan, nefa tena misy. Misy fanavakavahana na aiza na aiza eto an-tany. Hoatran’ny hoe rehefa toerana misy olona, dia misy fanavakavahana foana.

 Mahagaga anefa fa manameloka ny fanavakavahana ny ankamaroan’ny olona. Nahoana àry no miely patrana ny fanavakavahana? Satria maro amin’ny olona tsy tia azy io no tsy mahatsapa akory hoe izy koa aza mba manavakavaka. Sao dia hoatr’izany koa ianao?

MAHAKASIKA NY TSIRAIRAY

Mety ho efa manavakavaka na mitsara an-tendrony isika ao am-pontsika ao, nefa tsy tsapantsika akory. Sarotra mantsy ny mamantatra an’ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo.” (Jeremia 17:9) Mety hamita-tena àry isika ka hihevitra hoe tia ny karazan’olona rehetra. Na mety hanamarin-tena isika ka hilaza fa rariny isika raha tsy tia karazan’olona sasany.

Inona no ho tsapanao raha sendra an’izao ianao?

Ahoana no mety hahalalana raha efa mitsara an-tendrony ianao ao am-ponao ao? Andeha hatao hoe mandeha amin’ny lalana iray ianao, ary efa alina ny andro. Misy tovolahy roa mbola tsy hitanao manatona anao. Toa matanjaka be ry zareo, ary hoatran’ny misy zavatra eny an-tanan’ilay iray.

Hihevitra ve ianao hoe olon-dratsy ireo? Mety ho efa nifanehatra tamin’ny olon-dratsy ianao, ka tsapanao hoe tokony ho mailomailo ianao. Midika ve anefa izany fa tsy maintsy ho olon-dratsy ireo tovolahy ireo? Angamba ianao tonga dia nieritreritra hoe avy amin’ny foko izao ry zareo na hoatr’izao ny volon-kodiny. Tsy tonga dia hampiharihary izay ao an-tsainao ve izany? Mety ho hita avy amin’izany hoe efa mitsara an-tendrony ianao na manavakavaka.

Raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra isika dia hiaiky hoe samy mitsara an-tendrony daholo, fa tsy mitovy fotsiny ny fomba fisehony. Na ny Baiboly aza milaza hoe: “Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona [Andriamanitra]. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany.” (1 Samoela 16:7, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Mora mitsara an-tendrony isika rehetra, ary tena ratsy ny vokatr’izany matetika. Afaka miala amin’izany ve anefa isika? Tsy hisy intsony ve ny fanavakavahana na ny fitsarana an-tendrony indray andro any?