Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mivavaka Amin’ny Olo-masina?

Mety ve ny Mivavaka Amin’ny Olo-masina?

MILA namana ianteherana daholo isika, rehefa misy zavatra mampanahy. Arakaraka ny zavatra mampanahy antsika ny namana itodihantsika, angamba olona mahay mangoraka sy efa nahavita niatrika an’ilay olana taloha. Ny olona hoatr’izany no tena namana tsara.

Misy manao toy izany koa rehefa mivavaka. Aleony mivavaka amin’ny olo-masina, satria toa ambony loatra Andriamanitra sady atahorany. Mino izy ireo hoe mangoraka kokoa ny olo-masina, satria efa niaritra fitsapana sy zava-tsarotra mpahazo ny olona. Misy, ohatra, mivavaka amin’i Masindahy Antoine avy any Padoue rehefa very zavatra. I Masindahy François avy any Assise no antsoiny raha misy biby marary, fa i Masindahy Jude Thaddée kosa rehefa kivy izy. I Masindahy Don Bosco indray no antsoin’ny tanora rehefa te hahomby izy.

Mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina ve ny fivavahana amin’ny olo-masina? Ahoana no ahalalana ny tena marina? Resaka atao amin’Andriamanitra ny vavaka, ka tiantsika ho fantatra raha henoiny ny vavaka ataontsika na tsia. Tiantsika ho fantatra koa raha mankasitraka ny fivavahana amin’ny olo-masina izy na tsia.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Ampianarin’ny Fivavahana Katolika fa mpanalalana ny olona amin’Andriamanitra ny olo-masina, ka izany no ivavahana amin’izy ireo. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Misy olona efa nomen’Andriamanitra zo ho mpanalalana, ka izy io no mangataka famindram-po ho an’izay mila izany.” Manantena àry ny olona mivavaka amin’ny olo-masina hoe hahazo izay tadiaviny izy, satria efa nomen’Andriamanitra toerana manokana ireny olo-masina ireny.

Mampianatra an’izany ve ny Baiboly? Misy milaza hoe avy amin’ny tenin’ny apostoly Paoly io fampianarana io. Izao, ohatra, no nosoratany ho an’ny Kristianina tany Roma: “Mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny fanahy, mba hiara-miezaka amiko ianareo hivavaka amin’Andriamanitra ho ahy.” (Romanina 15:30) Niangavian’i Paoly ve ireo Kristianina ireo mba hanalalana azy amin’Andriamanitra? Tsy azo inoana izany. Te hilaza fotsiny i Paoly hoe mety ny mangataka ny Kristianina hafa mba hivavaka ho antsika. Tsy mitovy amin’izany mihitsy anefa ny hoe mivavaka amin’ny olona iray lazaina fa mipetraka any an-danitra ary mampita ny fangatahantsika amin’Andriamanitra. Nahoana?

Hoy i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Hoy koa izy: “Homen’ ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.” (Jaona 15:16) Tsy nilaza i Jesosy hoe tokony hivavaka aminy isika, ary izy avy eo no hampita izay angatahintsika amin’Andriamanitra. Tokony hivavaka mivantana amin’Andriamanitra kosa isika, mba hohenoiny ny vavaka ataontsika. Tokony hataontsika amin’ny alalan’i Jesosy irery izany, fa tsy hatao amin’ny alalan’olon-kafa.

Niangavy an’i Jesosy ny mpianany mba hampianatra azy ireo hivavaka, ka hoy izy: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!’ ” (Lioka 11:2) Tokony hivavaka amin’Andriamanitra àry isika “rehefa” na isaky ny mivavaka, fa tsy hivavaka amin’i Jesosy na olon-kafa. Mazava ny fampianaran’i Jesosy. Miharihary avy amin’izany fa tokony hivavaka mivantana amin’Andriamanitra isika, ary hanao izany amin’ny alalan’i Jesosy fa tsy amin’ny alalan’ny mpanalalana hafa na “olo-masina.”

Tena zava-dehibe ny vavaka eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hitantsika teo fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly mihitsy ny mivavaka amin’olon-kafa ankoatra an’Andriamanitra. (Jaona 4:23, 24; Apokalypsy 19:9, 10) Amin’Andriamanitra ihany àry isika no tokony hivavaka.

AZA MATAHOTRA MIRESAKA AMIN’NY RAY

Niresaka ankizikely mangataka sakafo amin-drainy i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Raha tena tia azy ny rainy, inona no homeny azy? Vato ve fa tsy mofo, sa bibilava misy poizina fa tsy trondro? (Matio 7:9, 10) Tsy azo inoana izany!

Toy ny ray tia zanaka Andriamanitra ka tiany hiresaka aminy isika zanany

Andeha hatao hoe te hangataka zavatra aminao ny zanakao. Efa niezaka nifandray tsara taminy ianao hatramin’izay, ary vonona hihaino azy foana. Noho ny antony tsy marim-pototra anefa dia nanjary natahotra anao izy, ka olon-kafa no nasainy niresaka taminao. Ho faly amin’izany ve ianao? Ahoana raha tsy miresaka aminao mivantana mihitsy izy, fa io olona io foana no irahiny, ary tsy mieritreritra ny hiova mihitsy izy? Tsy ho sosotra aminy ve ianao? Tianao ny zanakao, ka tianao hiresaka aminao mivantana, sady tsy hisalasala hangataka aminao izay ilainy.

Nampiharin’i Jesosy tamin’ny Rainy ilay fanoharana, ka hoy izy: “Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.” (Matio 7:11) Azo antoka fa tena maniry hanome zavatra tsara ho an-janany ny ray aman-dreny. Mbola mihoatra lavitra noho izany anefa ny fanirian’ilay Raintsika any an-danitra hihaino sy hamaly ny vavaka ataontsika.

Tian’Andriamanitra hiresaka aminy mivantana isika, na dia be fahotana aza. Tsy nanendry olon-kafa hihaino ny vavaka ataontsika izy. Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Tsy tokony hiantehitra amin’ny mpanalalana toy ny “olo-masina” na olon-kafa àry isika, rehefa mivavaka. Tokony hiezaka hifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra kosa isika.

Mitady izay hahasoa antsika tsirairay ilay Raintsika any an-danitra. Te hanampy antsika hamaha ny olana mahazo antsika izy, ary manasa antsika hifandray akaiky aminy. (Jakoba 4:8) Mahafaly tokoa ny hoe afaka miresaka amin’ilay Andriamanitra Raintsika, izay “Mpihaino vavaka”, isika.—Salamo 65:2.