Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Ahoana no hananana tokantrano sambatra?

Manoro hevitra momba izany ny Baiboly. Mandaitra ny toroheviny, satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay namorona ny fanambadiana. Resahina ao hoe inona no toetra ratsy tokony hohalavirina sy ny toetra tsara tokony hananana, mba hahasambatra ny tokantrano. Atorony koa ny fomba tokony hifampiresahan’ny mpivady.—Vakio ny Kolosianina 3:8-10, 12-14.

Tokony hifanaja sy hifanome voninahitra ny mpivady. Ho sambatra izy ireo raha samy manaiky ny anjara toerana nomen’Andriamanitra azy ao an-tokantrano.—Vakio ny Kolosianina 3:18, 19.

Ahoana no hampaharitra ny fanambadiana?

Haharitra ny fanambadiana raha mifankatia ny mpivady. Manoro antsika ny atao hoe tena fitiavana Andriamanitra. Modely tonga lafatra izy sy Jesosy Zanany, satria nampiseho fitiavana feno fahafoizan-tena.—Vakio ny 1 Jaona 4:7, 8, 19.

Avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ka tsy hisaraka mihitsy ny mpivady raha manaja an’izany. Tiany haharitra ny fanambadiana mba ho voaro ny fianakaviana. Azo tanterahina tsara izany satria nataony hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, na eo amin’ny lafiny ara-batana na eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po. Nataon’Andriamanitra araka ny endriny koa ny olona ka afaka maneho fitiavana toa azy.—Vakio ny Genesisy 1:27; 2:18, 24.