Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana!

Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana!

Eritrereto hoe tsy misy intsony ny zavatra mampijaly, toy ny heloka bevava, ady, aretina, ary hetraketraky ny natiora. Isaky ny mifoha ianao dia tsy manahy mihitsy momba ny fanavakavahana, fampahoriana, na olana ara-bola. Hoatran’ny sarotra inoana ve izany? Tsy misy olona na fikambanana mahavita an’izany aloha e! Andriamanitra kosa efa nampanantena fa hanafoana ny zava-drehetra mampijaly ny olona izy, anisan’izany ireo hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Diniho ireto fampanantenana ireto:

HISY FITONDRANA MAHOMBY

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Daniela 2:44.

Fitondrana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary i Jesosy Kristy no Mpitondra. Hisolo toerana ny fitondran’olombelona rehetra izy io, ary hanao izay hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra. (Matio 6:9, 10) ‘Fanjakana mandrakizay ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika’, ka tsy hisy fitondran’olombelona hisolo azy io. Haharitra mandrakizay ny fiadanana.—2 Petera 1:11.

TSY HISY INTSONY NY FIVAVAHAN-DISO

“I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony, nefa araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.”—2 Korintianina 11:14, 15.

Hiharihary hoe anisan’ny asan’ny Devoly ny fivavahan-diso, ka horinganina tanteraka. Tapitra hatreo ny fanavakavahana ara-pivavahana sy ny fandatsahan-dra. Amin’izay ireo tia an’ilay “Andriamanitra velona sady tena izy”, dia ho afaka hanompo azy amin’ny ‘finoana iray’ sy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”—1 Tesalonianina 1:9; Efesianina 4:5; Jaona 4:23.

HO LAVORARY NY OLONA

“Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

 Hanatanteraka izany i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Zanany, izay nanome ny ainy ho an’ny olombelona. (Jaona 3:16) Ho lavorary izy ireo rehefa mitondra i Jesosy. Tsy hijaly intsony ny olona, satria “Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy” ka hamafa “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo.” Ho toy ny tantara efa nivalona ny tsy fahalavorariana sy ny fijaliana. “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

TSY HISY INTSONY NY ANJELY RATSY

Nosamborin’i Jesosy Kristy ‘ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidiany sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony.’—Apokalypsy 20:2, 3.

Hofatorana sy halefa any amin’ny “lavaka mangitsokitsoka” i Satana sy ireo demonia, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony. Tsy ho afaka hamitaka sy hifehy ny olona intsony izy ireo amin’izay, ka ho maivamaivana erỳ isika.

HO TAPITRA NY “ANDRO FARANY”

Hamarana ny “andro farany” ilay nantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe.” Hoy izy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.”—Matio 24:21.

Fahoriana lehibe izy io satria mbola tsy nisy fahoriana toa azy io mihitsy hatramin’izay. Hamarana azy io ny “Hara-magedona” na ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Apokalypsy 16:14, 16.

Tsy andrin’izay rehetra tia fahamarinana ny hamaranana an’ity tontolo ratsy ity. Ireto misy fitahiana vitsivitsy ho azon’izy ireo, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.

ZAVATRA HAFA HITRANGA

Hisy “vahoaka be” ho tafavoaka velona, ka hiadana ao amin’ny tontolo vaovao: Milaza ny Baiboly fa hisy “vahoaka be” tsy tambo isaina ho tafavoaka velona ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’, ary hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. (Apokalypsy 7:9, 10, 14; 2 Petera 3:13) Fantany fa tsy ho nahazo famonjena izy ireo raha tsy noho i Jesosy Kristy, “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”—Jaona 1:29.

Maro ny soa ho azo avy amin’ny fampianaran’Andriamanitra: “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany”, ao amin’ny tontolo vaovao. (Isaia 11:9) Hampianarina, ohatra, ny olona mba hihavana amin’ny hafa sy hanaja ny tontolo iainana. Nampanantena toy izao Andriamanitra: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.”—Isaia 48:17.

Hatsangana amin’ny maty ireo olona tiantsika: Nanangana an’i Lazarosy i Jesosy, fony izy teto an-tany. (Jaona 11:1, 5, 38-44) Nasehony tamin’izany fa mbola hanangana ny maty izy rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, saingy maro kokoa no hatsangany.—Jaona 5:28, 29.

Hanjaka mandrakizay ny fahamarinana sy ny fiadanana: Tsy hisy intsony ny olona mpandika lalàna rehefa mitondra i Kristy. Mahay mamantatra ny ao am-po mantsy izy, ka afaka mitsara hoe iza no olona tsara ary iza no ratsy. Tsy havela hiaina ao amin’ny tontolo vaovao izay tsy mety miala amin’ny fanao ratsiny.—Salamo 37:9, 10; Isaia 11:3, 4; 65:20; Matio 9:4.

Vao vitsivitsy amin’ireo faminaniana ara-baiboly momba an’ilay fiainana tsara ho avy ireo. Hanjaka mandrakizay ny ‘fiadanana’, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 37:11, 29) Tsy hisy intsony ny zavatra mampijaly. Tena ho tanteraka izany, satria hoy Andriamanitra: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra. ... Azo antoka sady marina ireo teny ireo.”—Apokalypsy 21:5.