Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: ILAY ADY NANOVA AN’IZAO TONTOLO IZAO

Ilay Tena Rangory Fototry ny Afo

Ilay Tena Rangory Fototry ny Afo

Tapitra ny Ady Lehibe I ny 11 Novambra 1918. Nakatona ny tsena ary nandihy eran’ny lalana ny olona. Tsy naharitra ela anefa izany satria tonga indray ny loza hafa, izay nandripaka kokoa noho ny basimarovava.

Nisy areti-mandringana atao hoe gripa espaniola namely an’ireo miaramila tany Frantsa, tamin’ny Jona 1918. Nandripaka tokoa io gripa io. Mbola betsaka noho ny matin’ny fahavalo, ohatra, ny miaramila amerikanina matin’izy io tany Frantsa, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Nitondra otrikaretina ireo miaramila rehefa nody tany amin’ny taniny, ka vetivety dia niely eran-tany ilay aretina.

Nanjaka koa ny mosary sy ny olana ara-toe-karena, taorian’ny ady. Mosarena ny ankamaroan’ny olona tany Eoropa, rehefa tapitra ny ady tamin’ny 1918. Tsy nisy lanjany mihitsy ny vola alemà tamin’ny 1923. Nitotongana ny toe-karena eran-tany, enin-taona tatỳ aoriana. Nanomboka koa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, izay azo lazaina hoe tohin’ny Ady Lehibe I ihany. Iza no rangory fototry ny afo tamin’ireny loza nisesisesy ireny?

FAMANTARANA NY ANDRO FARANY

Ny faminanian’ny Baiboly dia manampy antsika hamantatra ny anton’ny zava-mitranga sasany, anisan’izany ny Ady Lehibe I. Nilaza i Jesosy fa “hisy firenena hitsangana hamely firenena”, ary hamely eran-tany ny mosary sy ny areti-mandringana. (Matio 24:3, 7; Lioka 21:10, 11) Nilaza tamin’ny mpianany izy fa ho famantarana ny andro  farany ireo loza ireo. Hita amin’ny tsipiriany hafa voalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy koa fa mifandray amin’ny loza etỳ an-tany ny ady iray tany an-danitra.—Jereo ilay efajoro hoe  “Ady Teto An-tany sy Ady Tany An-danitra.”

Miresaka mpitaingin-tsoavaly efatra ny bokin’ny Apokalypsy. Ny telo aminy dia mifandray amin’ireo loza noresahin’i Jesosy momba ny ady sy mosary ary areti-mandringana. (Jereo ilay efajoro hoe  “Efa Mihazakazaka ve Ireo Soavaly Efatra?”) Hita hoe niteraka fijaliana nitohitohy ny Ady Lehibe I. Lazain’ny Baiboly fa i Satana no rangory fototry ny afo tamin’izany. (1 Jaona 5:19) Hisy farany ihany ve izany?

Milaza ny Baiboly hoe “fohy ny fotoana” ananan’i Satana. (Apokalypsy 12:12) Tezitra mafy àry izy ka mahatonga loza tsy misy toa azy eto an-tany. Porofoin’ireny loza ireny koa fa efa ho tapitra ny fotoana ananan’i Satana.

HORAVANA NY ASAN’NY DEVOLY

Niteraka fiovana be teo amin’ny tantara ny Ady Lehibe I. Iny mantsy no ady maneran-tany voalohany.  Nampipoitra tolom-bahoaka tany amin’ny firenena maro koa izy iny, ary nahatonga ny olona tsy hatoky ny mpitondra intsony. Nanaporofo koa izy iny hoe noroahina avy tany an-danitra i Satana. (Apokalypsy 12:9) Toy ny mpitondra tsy refesi-mandidy io mpitondra tsy hita maso io, ary fantany tsara fa kely sisa ny fotoana ananany. Tsy hisy intsony ny fahoriana nentin’ny Ady Lehibe I rehefa tapitra io fotoana io.

Afaka matoky àry ianao, noho ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, fa “handrava ny asan’ny Devoly” i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka any an-danitra. (1 Jaona 3:8) Olona an-tapitrisany no mivavaka mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Anisan’izany ve ianao? Ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny an’i Satana, no hotanterahin’io Fanjakana io eto an-tany, ary hahita izany ireo olona tsy mivadika. (Matio 6:9, 10) Tsy hisy ady lehibe na ady hafa intsony amin’izay. (Salamo 46:9) Fantaro àry ny momba an’io Fanjakana io, dia hahita ny fotoana hanjakan’ny fiadanana eto an-tany ianao!—Isaia 9:6, 7.

^ feh. 20 Jereo ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.