Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana ny olona no ratsy toetra?

Iza no nampirisika an’i Jesosy hanao ratsy?—Matio 4:8-10

Tian’ny olon-drehetra ny hoe tia fihavanana sy manao ny marina ary tsara fanahy. Fahita anefa ny vaovao mampihoron-koditra. Nahoana no misy ny herisetra sy ny tsy rariny ary ny habibiana? Misy mampirisika ny olona hanao ratsy ve?—Vakio ny 1 Jaona 5:19.

Nataon’Andriamanitra ho mora manao ratsy ve ny olona? Tsia. Noforonin’Andriamanitra araka ny endriny ny olombelona ka afaka manahaka ny fitiavany. (Genesisy 1:27; Joba 34:10) Nataon’Andriamanitra afaka misafidy koa izy ireo. Tsy nety nanahaka an’Andriamanitra ny ray aman-drenintsika voalohany rehefa nisafidy ny hanao ratsy. Lasa tsy lavorary izy ireo ka lasa mora manota isika satria taranany.—Vakio ny Deoteronomia 32:4, 5.

Ho ratsy toetra foana ve ny olona?

Faly Andriamanitra rehefa miezaka tsy hanao ratsy isika. (Ohabolana 27:11) Atorony antsika àry hoe ahoana no atao mba tsy hanaovan-dratsy, ary inona no atao dia ho sambatra isika. Mbola tsy afaka manahaka tanteraka ny fitiavan’Andriamanitra anefa aloha isika izao.—Vakio ny Salamo 32:8.

Marina fa be izao ny zava-dratsy. Avelan’Andriamanitra hisy kelikely aloha ireny mba hahitantsika rehetra ny voka-dratsiny. (2 Petera 3:7-9) Kely sisa anefa dia ho feno olona falifaly sy mankatò an’Andriamanitra eto an-tany.—Vakio ny Salamo 37:9-11.