Hijery ny anatiny

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tsy Mahery Setra Intsony Aho”

“Tsy Mahery Setra Intsony Aho”
  • Teraka: 1956

  • Firenena: Kanada

  • Fiainany Taloha: Diso fanantenana, ratsy fitondran-tena, ary nahery setra

NY FIAINAKO TALOHA

 Teraka tao amin’ny tanànan’i Calgary, any Kanada, aho. Nisaraka ny dadanay sy mamanay tamin’izaho mbola kely, dia nifindra tany amin’ny dadabe sy bebenay izaho sy Neny. Tia anay sy Neny i Dadabe sy Bebe ary tena sambatra aho tamin’izany. Faly erỳ aho rehefa mahatsiaro an’ireny fotoana mamy tamin’ny fahazazako ireny.

 Nifamerina indray i Dada sy Neny tamin’izaho fito taona ary nifindra tany Saint Louis, any Etazonia, izahay. Niova ny fiainako nanomboka teo. Tsy ela dia voamariko hoe nahery setra be kay i Dada. Nisy nampijaly, ohatra, aho tamin’izaho vao niditra nianatra tao amin’ilay fianarako vaovao. Rehefa nody tany an-trano aho, dia tezitra be i Dada satria fantany hoe tsy mba namaly akory aho. Nodarohany aho ary mbola mafy kokoa noho ny nataon’ireo ankizy tany am-pianarana ny nataony tamiko. Nandray lesona aho tamin’izay ka nanomboka niady tamin’ny ankizy hafa, nefa izaho vao fito taona monja.

 Sorena be i Neny satria mora tezitra i Dada, dia matetika ry zareo no nifampivazavaza. Nanomboka nifoka rongony sy nisotro toaka aho tamin’izaho 11 taona. Nihanahery setra foana aho ary matetika no niady taman’olona. Lasa nahery setra be aho rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise.

 Nirotsaka ho miaramila tao amin’ny tafika an-dranomasina amerikanina aho tamin’izaho 18 taona. Nampianarina hamono olona aho tao. Niala tao aho rehefa afaka dimy taona mba hianatra psikolojia. Te hiasa tao amin’ny Birao Federaly Momba ny Famotorana (FBI) mantsy aho. Nianatra tany amin’ny oniversite tany Etazonia aloha aho, dia avy eo nanohy ny fianarako tany Kanada.

 Diso fanantenana tanteraka tamin’ny olona sy ny fiaraha-monina aho rehefa teny amin’ny oniversite. Hoatran’ny hoe tia tena daholo ny olona, tsy misy dikany ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy vahaolana ho an’ny olombelona. Tsy nino intsony aho hoe mbola hahavita hanatsara an’ity tontolo ity ny olombelona.

 Nivarilavo aho satria tsapako hoe tsy nisy dikany ny fiainako. Nidoroka zava-mahadomelina aho, niboboka toaka, nikatsaka vola aman-karena, ary naloto fitondran-tena. Ny masaka tao an-tsaiko dia hoe aiza indray no misy fety ary iza indray no vehivavy hiarahako. Lasa sahisahy be aho noho ny fampiofanana azoko tao amin’ny tafika, ka matetika aho no niady taman’olona. Nieritreritra aho hoe izaho ihany no manapa-kevitra momba an’izay mety sy tsy mety, ka tonga dia niadivako daholo izay olona hitako hoe manao ny tsy rariny amin’ny hafa. Raha ny marina anefa dia ny herisetra no navelako hibaiko ahy.

NANOVA NY FIAINAKO NY BAIBOLY

 Mamon-drongony tao amin’ny lakalin’ny tranoko izaho sy ilay namako izay, indray andro. Teo am-panomanana rongony haondrana an-tsokosoko izahay no nanontany ahy izy hoe mino an’Andriamanitra ve aho. Namaly aho hoe: “Raha Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana eto an-tany dia tsisy ilako azy!” Nanomboka nanao asa vaovao aho ny ampitson’iny ary nisy Vavolombelon’i Jehovah niara-miasa tamiko. Nanontaniany aho hoe: “Andriamanitra ve no mahatonga ny fijaliana eto an-tany, araka ny hevitrao?” Gaga be aho dia lasa liana tamin’ilay izy, satria vao ny omalin’iny aho no niresaka momba an’izany. Nifanakalo hevitra imbetsaka izahay nandritra ny enim-bolana taorian’izay. Nametraka fanontaniana be dia be momba ny fiainana aho, ary tena sarotra ny sasany tamin’izy ireny nefa novaliany avy ao amin’ny Baiboly daholo.

 Niara-nipetraka tamin’ilay fofombadiko aho tamin’izay nefa tsy tiany hiresaka taminy an’izay zavatra nianarako. Nilaza taminy aho, indray alahady izay, hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah nasaiko ho ao an-tranonay mba hampianatra Baiboly anay. Rehefa avy niasa aho ny ampitson’iny, dia hitako fa efa tsy tao intsony izy sady noraofiny daholo ny entana tao an-trano. Nivoaka ny trano aho dia nigogogogo nitomany. Nivavaka tamin’Andriamanitra koa aho ary niangavy azy mba hanampy ahy. Tamin’izay aho no nampiasa voalohany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah rehefa nivavaka.—Salamo 83:18.

 Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny mpivady iray Vavolombelon’i Jehovah aho, roa andro taorian’izay. Rehefa lasa ry zareo dia notohizako ny famakiana an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, ary vitako tamin’iny alina iny ihany ilay izy. a Nanohina ny foko ny zavatra nianarako momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Hitako hoe mangoraka i Jehovah sady malahelo izy rehefa mijaly isika. (Isaia 63:9) Tena nanohina ny foko ilay hoe tia an’ahy Andriamanitra ary natao ho an’ahy ny soron’ny Zanany. (1 Jaona 4:10) Resy lahatra aho hoe nanam-paharetana tamiko i Jehovah “satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Petera 3:9) Tsapako hoe notaominy hanatona azy aho.—Jaona 6:44.

 Tonga dia nanomboka nivory aho tamin’iny herinandro iny. Lava volo aho tamin’izay sady nanao kavina ary nampatahotra be ny paoziko. Nataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah hoatran’ireny hoe fianakaviany tsy hitany efa ela be ireny anefa aho. Hita mihitsy ry zareo hoe tena Kristianina. Hoatran’ny hoe nody tao an-tranon’i Dadabe sy Bebe indray aho, saingy mbola nahafinaritra kokoa aza.

 Tsy ela dia nanomboka nanova ny fiainako ny zavatra nianarako avy ao amin’ny Baiboly. Notapahiko ny voloko, tsy nijangajanga intsony aho, sady tsy nifoka rongony sy nisotro toaka intsony. (1 Korintianina 6:9, 10; 11:14) Te hampifaly an’i Jehovah aho ka rehefa fantatro hoe tsy tiany ny fitondran-tenako, dia tsy nanamarin-tena mihitsy aho. Matetika aza aho no nahatsapa hoe tena mila miova ka hozy aho hoe: ‘Tsy tokony hanao hoatr’izao intsony aho.’ Dia tsy nisalasala aho avy eo fa tonga dia niezaka nanova ny fomba fisainako sy ny zavatra nataoko. Tsy ela dia nanomboka tsapako hoe mahasoa ny manaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Natao batisa aho tamin’ny 29 Jolay 1989, enim-bolana taorian’ny nianarako Baiboly, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

NY SOA NORAISIKO

 Ny Baiboly no nanampy ahy hanova ny toetrako. Matetika aho hatramin’izay no tonga dia nahery setra raha vao nisy olona ratsy fanahy tamiko. Izao anefa aho miezaka mafy mba ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’ (Romanina 12:18) I Jehovah no tena isaorako amin’izany satria ny Teniny sy ny fanahiny masina no nahavita nanova ahy.—Galatianina 5:22, 23; Hebreo 4:12.

 Tsy andevozin’ny zava-mahadomelina sy ny fanirian-dratsy intsony aho izao, sady tsy mahery setra intsony. Miezaka mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra sy manome azy ny tsara indrindra aho, ohatra hoe manampy ny hafa mba hahalala azy. Nifindra tany an-tany hafa aho, taona vitsivitsy taorian’ny batisako, mba hitory any amin’izay ilana mpitory bebe kokoa. Faly aho fa afaka nampianatra olona be dia be nandritra an’izay taona maro izay, sady nahita hoe nanova ny fiainan-dry zareo koa ny Baiboly. Faly koa aho satria lasa Vavolombelon’i Jehovah i Neny, ary anisan’ny nahatonga an’izany ny fiovana hitany teo amin’ny toe-tsaiko sy ny fitondran-tenako.

 Nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly antsoina amin’izao hoe Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana aho, tamin’ny 1999, tany Salvadaoro. Nampiofana ahy io sekoly io mba hazoto hitory ny vaovao tsara, hahay hampianatra, ary hahavita hikarakara an’ireo Kristianina eo anivon’ny fiangonana. Nanambady an’i Eugenia malalako aho tamin’ny faramparan’io taona io. Samy mitory manontolo andro atỳ Goatemalà izao izahay.

 Tena sambatra aho izao fa tsy diso fanantenana amin’ny fiainana intsony. Nampihariko ny fampianaran’ny Baiboly dia tsy nijangajanga sy nahery setra intsony aho. Lasa mihavana tsara amin’ny hafa koa aho sady mahatsapa an’izany hoe tena fitiavana izany.

a Ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! izao matetika no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah.