Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Nizara Fanampiana Tamin’ny Mpiara-manompo Tra-boina

Nizara Fanampiana Tamin’ny Mpiara-manompo Tra-boina

1 FEBROARY 2021

 Nisy loza araka ny natiora be dia be nandritra ny taona 2020, sady tamin’io taona io koa no nanomboka niparitaka eran-tany ilay valanaretina COVID-19. Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny mpiara-manompo tra-boina tamin’ireny?

 Nandritra ny taom-panompoana 2020, a dia nanaiky ny Komitin’ny Mpandrindra ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana fa hanokana vola 28 tapitrisa dolara b mba hanampiana ny tra-boina. Nanampiana tra-boina tratran’ny loza 200 mahery io vola io, anisan’izany ny valanaretina COVID-19, rivo-doza maromaro, tondra-drano tany Afrika, tsy fahampian-tsakafo tany Venezoelà, ary hain-tany tany Zimbabwe. Nividianana sakafo, rano, akanjo, fanafody, trano ary fitaovana nilaina tamin’ny fanadiovana ilay vola fanomezana, sady nampiasaina mba hanamboarana an’izay trano simba sy trano nila naorina tanteraka. Ireto misy santionany tamin’ny fanampiana natao:

 Valanaretina COVID-19. Nisy vokany tamin’ny rahalahy sy anabavy maneran-tany ilay valanaretina, satria lasa narary sy kivy ary sahirana ara-bola izy ireo. Mba hanampiana azy ireo àry dia nisy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 800 mahery natsangana maneran-tany. Ireo rahalahy anisan’io komity io no mijery izay zavatra tena ilain’ny rahalahy sy anabavy sady mampahafantatra an’izany avy hatrany any amin’ny Komitin’ny Mpandrindra. Tena manampy ny Komitin’ny Mpandrindra hahafantatra mantsy izany hoe ahoana no fomba tsara indrindra hizarana ny fanampiana.

 Nanampy mpiara-manompo be dia be mba hahazo sakafo, rano, fanafody, ary fitaovana ilaina amin’ny fanadiovana ny KVRV, nandritra ny taona. Tany amin’ny toerana sasany, dia niara-niasa tamin’ny anti-panahy koa ny KVRV mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy hahazo fanampiana tany amin’ny fanjakana.

 Voamariky ny olona tsy Vavolombelona ny fanampiana nataontsika. Izao, ohatra, no nolazain’i Field Simwinga, lehiben’ny faritra any Nakonde any Zambia, tamin’ireo rahalahintsika: “Misaotra betsaka anareo satria tonga tamin’ny fotoana nilana azy mihitsy ny fanampiana nomenareo, sady tena nilain’ireo fianakaviana tra-boina.”

 Tsy fahampian-tsakafo tatsy Angola. Vokatr’ilay valanaretina COVID-19, dia lasa zara raha nisy sakafo tany Angola, sady lafo be daholo ny vidiny. Betsaka tamin’ireo rahalahy sy anabavy no lasa tsy afaka nividy sakafo.

Entana nisy sakafo avy any Brezila nalefa tany Angola

 Nasaina nandefa sakafo tany amin’ireo rahalahy tany Angola àry ny biraon’ny sampan’i Brezila. Mba hitsitsiana ny vola fanampiana, dia nandinika tsara aloha ireo rahalahy tany Brezila hoe ahoana no atao mba tsy ho lafo be ny hividianana an’ireo sakafo ireo sy ny sarany andefasana azy amin’ny sambo. Tonga àry dia novidin-dry zareo tamin’ny ambongadiny ilay sakafo fa tsy tamin’ny antsinjarany. Nozarazaraina tao anaty zavatra ireo sakafo ireo, ka lasa entana maromaro. Nilanja 20 kg teo ho eo ny entana iray, nefa 22 dolara fotsiny no vidin’ny sakafo tao anatiny sy ny sarany nandefasana azy tamin’ny sambo. Vary sy tsaramaso ary menaka no anisan’ny sakafo tao anatin’ny entana tsirairay. Hatreto aloha, dia entana niisa 33 544, izany hoe 654 taonina, no nalefa tany Angola. Natambatra tamin’ny sakafo nisy tany an-toerana ireo entana ireo, dia afaka nanampiana olona 50 000 mahery!

 Inona no tsapan’ireo mpiara-manompo rehefa nahazo an’ilay fanampiana? Hoy i Alexandre, mipetraka any amin’ny faritra mitokana any Angola: “Hitako hoe tena tia ahy i Jehovah, sady tsy irery aho. Sarobidy amin’ny fandaminana koa aho!” Hoy koa i Mariza, reny mitaiza irery ny zanany: “Tena nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataoko, dia misaotra betsaka an’azy sy ny fandaminana aho!”

Mpiara-manompo any Angola falifaly fa nahazo fanampiana

 Hain-tany tatsy Zimbabwe. Nandritra ny taom-panompoana 2020, dia nisy hain-tany mafy tatsy Zimbabwe, ka olona an-tapitrisany no tratran’ny mosary. Vavolombelon’i Jehovah an’aliny no tsy ampy sakafo tatsy Zimbabwe.

 Nisy KVRV dimy natsangana tany mba hiandraikitra ny fizarana sakafo ho an’ireo mpiara-manompo ireo. Mpitory an-jatony no tonga nanampy mba hizarazara an’ilay sakafo tao anaty baoritra, hitatitra an’ilay izy tany anaty fiara, ary nisy aza nampindrana ny fiarany mihitsy. c Nandritra ny taom-panompoana 2020, dia nahatratra 691 561 dolara ny vola nampiasaina mba hizarana sakafo tamin’ny olona 22 700 mahery!

Mpiara-manompo any Zimbabwe nahazo fanampiana (talohan’ny valanaretina COVID-19)

 Efa tsy nanan-kohanina intsony ny mpiara-manompo sasany, tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay fanampiana. Tena nisaotra an’i Jehovah àry izy ireo rehefa tonga ilay sakafo. Ny sasany aza nihira ny Hiran’ilay Fanjakana mihitsy.

 Nisy fivoriam-pokonolona nalamina tany amin’ny tanàna anankiray mba handinihana hoe inona no tokony hatao raha te hahazo sakafo avy amin’ny fikambanana tsy miankina iray. Nandeha nanatrika an’io fivoriana io ny anabavy anankiroa efa maty vady. Lasa resaka politika fotsiny anefa ilay fivoriana, dia tsy nanaiky ny zavatra notakin-dry zareo ireo anabavy ireo, fa naleony nandeha. Rehefa niala teo amin’ilay fivoriana ry zareo, dia nesoin’ny olona hoe: “Mandehana mandeha any, fa tsy misy sakafo ho anareo atỳ!” Roa herinandro taorian’izay anefa dia tonga tany amin-dry zareo ireo rahalahy nizara fanampiana, ka nahazo sakafo ireo anabavy ireo. Mbola tonga talohan’ilay sakafo avy amin’ny fikambanana tsy miankina indray àry ilay izy!

Hoy i Prisca hoe: “Tsy mbola nandao ny mpanompony izany mihitsy i Jehovah.”

 Nisy vokany tsara koa ny fizarana fanampiana natao tany Zimbabwe. Diniho, ohatra, ny tantaran’i Prisca, mipetraka any amin’ny tanàna kely anankiray. Na dia teo aza ny olana vokatr’ilay hain-tany, dia tsy maintsy nanompo foana i Prisca rehefa alarobia sy zoma. Na dia nandritra ny fotoana fiasana ny tany aza izy, dia nanao an’izany foana. Naneso azy ny olona tao an-tanànany sady niteny hoe: “Ho fatin’ny hanoanana tsara ianareo mianakavy amin’io fitorianao io.” Namaly Prisca hoe: “Tsy mbola nanary ny mpanompony izany mihitsy i Jehovah.” Tsy ela taorian’izay, dia nahazo fanampiana tamin’ny fandaminana izy. Gaga ny sasany tamin’ny mpiray tanàna taminy rehefa nahita an’izany, dia hoy ry zareo tamin’i Prisca: “Tena tsy nanary anao marina i Jehovah, dia te hianatra bebe kokoa momba an’azy izahay.” Misy fito amin’ny mpiray tanàna amin’i Prisca izao manaraka ny fivoriantsika amin’ny radio.

 Tsy maintsy mbola hisy foana ny loza araka ny natiora, arakaraka ny anatonan’ny farany. (Matio 24:3, 7) Tena misaotra betsaka anareo amin’ny fanomezana ataonareo, amin’ny fomba samihafa, amin’ny alalan’ny donate.dan124.com. Hampiasaina ho an’izay sahirana izy ireny ka mila fanampiana, amin’ny fotoana ilany azy.

a Mandritra ny volana Septambra 2019 ka hatramin’ny volana Aogositra 2020 ny taom-panompoana 2020.

b Dolara amerikanina ny dolara rehetra resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.

c Noho ny fameperana vokatry ny valanaretina COVID-19, dia tsy maintsy nangataka fahazoan-dalana ireo rahalahintsika rehefa nandeha nizara sakafo. Nitandrina tsara koa izy ireo mba tsy ho tratran’ilay valanaretina.