Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa be mihitsy no mila atao mba hanavaozana ny Betelan’i Japon (ankavia) sy hanitarana ny Betelan’i Angola (ankavanana)

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Trano Natao Hanampiana Antsika Hitory

Trano Natao Hanampiana Antsika Hitory

20 OKTOBRA 2023

 Hitan’ny Filan-kevi-pitantanana hoe tena mila manana trano natao hanampiana antsika hahavita ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana isika, dia tian-dry zareo hampiasaina amin’izany ny vola sasany omentsika. Nandritra ny taom-panompoana 2023, ohatra, dia vola 500 tapitrisa dolara mahery no lanin’ireo fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hividianana sy hanorenana ary hanavaozana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe maneran-tany. a Teo koa ny vola lanin’ny fiangonana eran-tany hikojakojana ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo avy.

 Ampiasaina hanorenana sy hikojakojana biraon’ny sampana koa ny vola omen’ny rahalahy sy anabavy. Ireny birao ireny mantsy no mandamina sy mikarakara ny asa fitoriana maneran-tany. Marina fa notsorina ny asa atao any amin’ny biraon’ny sampana, mba ho azo ampiasaina hanorenana sy hanavaozana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ny vola sasany. Mbola betsaka foana anefa ny vola ilaina mba hanamboarana an’izay simba amin’ireny birao ireny sy hanavaozana azy ary hamindrana azy any an-toeran-kafa. Nahoana no mila atao ireo? Inona no tetikasa atao any amin’ny biraon’ny sampana mba hanohanana ny asa fitoriana? Andao hojerentsika ny valiny.

“Mba maharitra ela kokoa”

 Be dia be ny biraon’ny sampana efa ela be no nisy. Ny sasany, ohatra, efa 30 na 40 taona mahery! Hoy i Nicholas, miasa ao amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany: “Na trano voakojakoja tsara aza tsy maintsy mihantitra dia mihasimba rehefa ela ny ela. Mila havaozina ilay izy mba haharitra ela kokoa sy ho azo ampiasaina foana.”

 Misy fiovana foana koa eo anivon’ny fandaminana, dia tsy maintsy manao fiovana mifanaraka amin’izay ny Betela. Efa betsaka ihany, ohatra, ny biraon’ny sampana naorina, nefa mitombo be foana koa ny isan’ny mpitory. Mila mpiasa an-tsitrapo maro kokoa àry isika mba hiasa any amin’ny biraon’ny sampana, nefa tsy antonona mpiasa firy intsony ny trano sasany.

 Mitandrina tsara koa anefa isika mba tsy hampidi-doza ireny toerana ireny. Efa tena andro farany mantsy izao, dia vao mainka atahorana hahafaty ny loza. (Lioka 21:11) Inona no ataon’ny fandaminan’i Jehovah mba ho voaro kokoa amin’ny loza ny olona miasa ao amin’ny Betela? Mampiasa an’izay teknika nivoaka farany isika rehefa manavao ny trano ao amin’ny Betela. Misy mahatsara azy izany satria mbola azo ampiasaina tsara ihany ilay toerana aorian’ny loza, mba handaminana ny fanampiana tra-boina sy hampandehanana ny asa fitoriana.

“Notahin’i Jehovah iny fanapahan-kevitra iny”

 Nisy zavatra maromaro naorina tany amin’ny Betela 43 samy hafa, izany hoe efa ho ny antsasaky ny Betela maneran-tany, nandritra ny taom-panompoana 2023. Ny Filan-kevi-pitantanana no nanara-maso an’ilay izy. Tena nilaina io asa fanorenana io. Ireto misy ohatra vitsivitsy manaporofo an’izany.

 Angola. Hoy i Matt, anisan’ny Komitin’ny Sampana any: “Tena tanteraka teto aminay ilay faminaniana ao amin’ny Hagay 2:7. Tao anatin’ny folo taona fotsiny, dia nitombo 60 isan-jato ny isan’ny mpitory! Dia tsy maintsy nampitomboina avo telo heny ny fianakavian’ny Betela. Tsy antonona mpiasa betsaka anefa tao amin’ny Betela, dia be dia be ny mpiasa tsy maintsy niasa mafy sady tsy maintsy niasa be na dia tamin’ny fotoana efa tokony niravany aza.”

Mety kokoa ilay birao vaovao, dia lasa mahavita asa betsaka kokoa izao ny mpiasa ao (ankavanana)

 Nisy rahalahy notendrena handinika hoe inona no azo atao mba hanitarana an’ilay biraon’ny sampana. Nieritreritra ry zareo tamin’ny voalohany hoe sao dia havaozina fotsiny ilay trano efa eo. Izay no vahaolana hitan-dry zareo hoe haingana indrindra sady tsotra indrindra. Rehefa avy nandinika tsara anefa ry zareo, dia nahita hoe sao dia ho lanilany fotsiny ny vola omen’ny rahalahy sy anabavy raha ilay trano efa eo ihany no havaozina. Nanome soso-kevitra àry ry zareo hoe aleo mividy trano iray eo akaiky eo, dia iny no havaozina. Hoy ihany i Matt: “Rehefa noresahina taminay Komitin’ny Sampana hoe sao dia tsara kokoa raha mividy trano iray dia iny no havaozina, dia nisalasala izahay satria nieritreritra hoe ny trano aorin’ny fandaminana ihany no tsara. Hitanay anefa izao hoe tena mety tsara mihitsy ilay trano nohavaozina. Notahin’i Jehovah iny fanapahan-kevitra iny.”

Trano azo itarina any amin’ilay Betelan’i Angola. Lasa betsaka kokoa ny mpiasa afaka miasa ao arakaraka ny itomboan’ny isan’ny mpitory

 Mety hila trano hafa indray ny sampan’i Angola any aoriana any, fa efa mety tsara aloha hatreto ilay trano vaovao mba hanaovana ny asa ilaina mifandray amin’ilay fitomboana be misy amin’izao. Nasiana trano azo itarina koa anefa ao amin’ny Betela sady efa manofa trano hafa eo akaikikaiky eo ry zareo.

Be dia be ny anabavy faly erỳ mandray anjara amin’ilay asa fanorenana any Angola

 Japon. Efa ho 40 taona lasa izay no nanorenana an’ireo trano voalohany natao biraon’ny sampana tany. Mbola tsy nohavaozina mihitsy ny ankamaroany. Efa tena niezahana nokojakojaina ihany ilay izy, fa hita anefa rehefa nandeha ny fotoana hoe efa tena antitra izy rehetra. Havaozina daholo àry izao ireo trano ireo.

 Niova koa ny fiainana tao amin’ny Betela, rehefa nandeha ny fotoana. Lakozia tsotsotra kely no tao amin’ny efitra tsirairay talohan’ny 2015, satria tsy nisy hoe nahandro ny sakafony ny Betelita, fa ny Betela no nahandro ny sakafon-dry zareo. Samy mahandro ny sakafony anefa izao ny Betelita. Rehefa nohavaozina àry ny Betela, dia nasiana lakozia mety kokoa isaky ny efitrano mba tsy dia ho sahirana intsony ny Betelita rehefa mahandro sakafo. Hoy i Kumiko, anabavy manompo ao amin’ny Betelan’i Japon: “Tiako be ny mahandro sakafo ao amin’ilay lakozia, sady rehefa mampiasa an’ilay izy aho, dia mampiseho hoe mankatò ny toromarika vaovao ato amin’ny Betela.”

Mety kokoa handrahoan’ny Betelita sakafo ilay lakozia vaovao (ankavanana)

 Tena ilaina amin’ny asa fitoriana maneran-tany ny asa atao any amin’ny sampan’i Japon. (Matio 28:19, 20) Tsy misy afa-tsy i Japon sy sampana anankiray hafa mantsy no manao pirinty ny Baiboly manontolo. Anisan’ny zava-baovao aorina any amin’izao àry ny toerana hametrahana milina afaka manangona poti-taratasy sy vovoka. Natao izany mba hiarovana ny fahasalaman’izay olona miasa ao amin’ny toerana fanaovana pirinty. Efa ho iray tapitrisa dolara no lany nividianana sy nametrahana an’io milina io. Natao anefa izany mba hitohy foana ny asan’ny sampan’i Japon, izany hoe manao pirinty sy mandefa boky sy gazety any an-tany hafa, indrindra fa ny Baiboly.

Milina afaka manangona poti-taratasy sy vovoka. Natao io mba hiarovana ny fahasalaman’ny mpiasa ao amin’ilay toerana fanaovana pirinty

 Natao izay tsy hahatapaka mihitsy ny famokarana Baiboly, na teo aza ilay asa fanorenana. Hoy i Trey, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Japon: “Nihabetsaka ny fiteny namoahantsika Baiboly nandritra an’ilay fanorenana. Nihabetsaka koa ny olona nila Baiboly naneran-tany. Dia tsy maintsy narindra tsara hoe rahoviana izahay no ho afaka hametaka fitaovana vaovao, dia rahoviana no ho afaka hanao pirinty boky sy gazety. Sampan-draharaha sy olona be dia be no nila nahay niara-niasa tsara mba hahatanteraka an’izany.” Tena sarotra ilay izy! Na izany aza, dia efa ho 220 000 ny Baiboly vita pirinty isam-bolana, nanomboka tamin’ny Martsa ka hatramin’ny Aogositra 2023. Tamin’io fotoana io anefa no nisy zavatra betsaka indrindra nila naorina tao amin’ilay toerana fanaovana pirinty. Nahavariana koa fa tsy nidangana be ny vola lany tamin’ilay fanorenana.

 Atao koa izay hitsitsiana angovo, ka hisy panneaux solaires vaovao maromaro hapetaka. Hihena ny vola lany amin’ny angovo amin’izay, ka vola 120 000 dolara eo ho eo no ho voatsitsy isan-taona. Fitaratra telo sosona koa no hatao amin’ny varavarankely satria vao mainka hampihena ny angovo lany izany. Vola 10 000 dolara eo ho eo kosa no ho voatsitsy vokatr’io isan-taona. Marina hoe hitombo ny vola lany amin’ilay fanavaozana noho ireo. Antenaina anefa hoe vola 3,5 tapitrisa dolara mahery no ho voatsitsy mandra-pahasimban’ireo panneaux solaires sy fitaratra ireo any aoriana any. Tsy dia manimba tontolo iainana koa ireo.

Fitaratra telo sosona no hatao amin’ny varavarankely satria vao mainka hampihena ny angovo lany izany

“Mbola betsaka ny asa mila atao”

 Rehefa jerena ireo tetikasa any amin’ireo biraon’ny sampana roa ireo, dia hita hoe asa be mihitsy no ilaina atao mba ho vita tsara ny Betela, amin’izay mba ho afaka hisahana tsara ny asa fitoriana. Tsy tapitra hatreo anefa ilay tetikasa. Hoy i Aaron, avy ao amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany: “Efa be no vita fa mbola betsaka ny asa mila atao.” Ahoana anefa no hahavitana an’izany? Hoy ihany izy: “Malala-tanana ny mpiara-manompo, dia manome vola be hamitana an’ireo tetikasa ngezabe ireo, fa misy koa manolo-tena an-tsitrapo hanao an’ilay asa mihitsy. Ny hafa indray efa miezaka mandamina ny fiainany izao mba ho afaka handray anjara ao aoriana ao. Samy manaporofo daholo ireo hoe tena tahin’i Jehovah ilay tetikasa. Misaotra betsaka anareo rehetra.”​—Salamo 110:3.

 Ny vola omen’ny rahalahy sy anabavy no ahavitana an’ireny asa fanorenana sy fanavaozana rehetra ireny. Betsaka no manao fanomezana ao amin’ny donate.dan124.com. Misaotra betsaka anareo fa mazoto manome foana ianareo.

a Dolara amerikanina daholo no ato amin’ity lahatsoratra ity.