Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIAMBENA FOANA!

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Famonoana Tambabe: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Famonoana Tambabe: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Amin’ny 27 Janoary 2023 ny Andro Iraisam-pirenena Ahatsiarovana ny Famonoana Tambabe, ary be dia be ny olona hankalaza azy io. Maherin’ny 75 taona lasa izay no nitranga ilay Famonoana Tambabe. Tena nahatsiravina be ny zava-nitranga tamin’izany, dia mety ho lasa saina isika hoe nahoana Andriamanitra no namela azy io hitranga.

 Nijaly be mihitsy ny Jiosy satria betsaka tamin-dry zareo no maty tamin’ilay Famonoana Tambabe. An-tapitrisany ry zareo no novonoina, ary efa maty paika mihitsy ny tetika namonoana azy. Nisy olon-kafa koa nenjehina sy novonoina nandritra an’ilay Famonoana Tambabe. Anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nenjehina ry zareo satria nino an’izay voalazan’ny Baiboly.

“Hoavy tsara sy fanantenana”

 Be dia be ny olona matahotra hoe sao dia mbola hisy zavatra ratsy hitranga hoatran’ilay Famonoana Tambabe. Soa ihany anefa fa milaza ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny loza hoatran’ireny amin’ny hoavy.

  •   “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hanananareo hoavy tsara sy fanantenana.’”​—Jeremia 29:11. a

 Ho tanteraka izany fanantenana izany rehefa foanan’i Jehovah Andriamanitra ny faharatsiana sy ny voka-dratsiny. Tsy ho ela dia:

  •   Horinganiny ny olona ratsy fanahy mampijaly ny hafa.​—Ohabolana 2:22.

  •   Hofoanany ny fijaliana sy ny fanaintainana rehetra.​—Apokalypsy 21:4.

  •   Hovelominy indray ny olona efa maty dia hiaina eto an-tany.​—Jaona 5:28, 29.

 Mampahery ny fanantenana hita ao amin’ny Baiboly ary afaka matoky ianao hoe ho tanteraka izany. Raha tianao ho fantatra ny antony, dia manasa anao izahay hanandrana an’ilay fianarana Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra. Maimaim-poana io fianarana io.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.