Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Politika?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Politika?

 Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny antony voalaza ao amin’ny Baiboly. Tsy mandresy lahatra ny mpitondra fanjakana mba hanaraka foto-kevitra sasany izahay, na mandray anjara amin’ny hetsika hanovana ny fitondram-panjakana. Tsy mifidy kandidà na manohana antoko politika koa izahay, sady tsy mirotsaka hofidina. Misy antony marim-pototra avy ao amin’ny Baiboly mahatonga anay tsy hanao an’ireo.

  •   Manaraka ny modely navelan’i Jesosy izahay. Tsy nanaiky homena toerana teo amin’ny fitondrana izy. (Jaona 6:15) Nampianatra ny mpianany izy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” izy ireo. Nasehony mazava tsara koa fa tsy tokony hanohana antoko politika izy ireo.—Jaona 17:14, 16; 18:36; Marka 12:13-17.

  •   Tsy mivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izahay. Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” (Matio 24:14) Misolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra izahay, ary nirahina hanambara fa ho tonga izy io. Noho izany, dia tsy mitsabaka amin’ny raharaha politika mihitsy izahay, na aiza na aiza firenena misy anay.—2 Korintianina 5:20; Efesianina 6:20.

  •   Tsy manao politika izahay, ka tsy misalasala miresaka momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona manana hevitra ara-politika samihafa. Ezahinay aseho amin’izay ataonay sy lazainay hoe matoky izahay fa ny Fanjakan’Andriamanitra no antenainay to hamaha ny olana eran-tany.—Salamo 56:11.

  •   Miray saina toy ny mpirahalahy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, satria tsy voazarazaran’ny politika. (Kolosianina 3:14; 1 Petera 2:17) Mitsabaka amin’ny politika kosa ny fivavahana sasany, ka tsy miray saina ny mpivavaka ao aminy.—1 Korintianina 1:10.

 Manaja ny fitondram-panjakana izahay. Manaja ny manam-pahefana ao amin’ny taninay izahay, na dia tsy manao politika aza. Mifanaraka amin’ity didy ao amin’ny Baiboly ity izany: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana.” (Romanina 13:1) Mankatò lalàna sy mandoa hetra izahay sady miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana mba hahasoa ny olona. Tsy mandray anjara amin’ny fanonganam-panjakana izahay. Arahinay kosa ny torohevitry ny Baiboly mba hivavaka “ho an’ny mpanjaka ary ho an’izay rehetra mitana toerana ambony.” Mivavaka ho azy ireo izahay, indrindra raha mety hisy vokany eo amin’ny fahafahan’ny olona hisafidy ny fivavahany ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo.—1 Timoty 2:1, 2.

 Hajainay koa ny zon’ny olona hanana ny safidiny eo amin’ny resaka politika. Tsy manakorontana ny fizotran’ny fifidianana, ohatra, izahay sady tsy manakantsakana an’izay manapa-kevitra ny hifidy.

 Vao izao ve no nisy olona tsy mitsabaka amin’ny politika? Tsia. Tsy nitsabaka tamin’izay nataon’ny fitondrana koa ny apostoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany. Hoy ilay boky hoe Tsy hoe Te Hanao ny Tsara Fotsiny (anglisy): ‘Niaiky ny Kristianina voalohany hoe tsy maintsy hajaina ny mpitondra fanjakana, nefa tsy nanaiky hanao politika izy ireo.’ Milaza koa ny boky Mizotra ho Amin’ny Fandrosoana (anglisy) fa “tsy nety nitana toerana politika” ny Kristianina voalohany.

 Mety hisy korontana ve eo amin’ny firenenay, noho izahay tsy manao politika? Tsia. Olom-pirenena tia fandriampahalemana izahay, ka tsy misy tokony hatahoran’ny fitondrana anay. Diniho ny tatitra nataon’ny Akademia Iokrenianina Momba ny Siansa, tamin’ny 2001. Izao no voalaza tao: ‘Mety tsy ho tian’ny olona sasany ankehitriny ilay hoe tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Io ihany koa no efa antony nanamelohana azy ireo teo ambany fitondran’ny Nazia sy fitondrana kominista.’ Voalaza tao koa fa na dia rehefa nampijalin’ny Sovietika aza izy ireo, dia “mbola nankatò lalàna foana. Niasa mafy sy nanao ny marina izy ireo tany amin’ireo toeram-pambolena sy fiompiana iombonana sy tany amin’ireo orinasa [notantanan’ny fanjakana]. Tsy natahorana hanongana ny fitondrana kominista izy ireo.” Nilaza ilay tatitra teo am-pamaranana hoe “tsy manohintohina ny filaminana sy ny firaisan-kinam-pirenena” koa ankehitriny ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asa ataony.