Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hiditra Amin’ny Politika ve ny Fivavahana?

Tokony Hiditra Amin’ny Politika ve ny Fivavahana?

 Olona be dia be eran-tany no milaza fa manara-dia an’i Jesosy Kristy, nefa midikiditra be amin’ny politika. Misy amin’izy ireny manohana kandidà na antoko politika, satria tiany hahazo vahana ny zavatra inoany sy ny fitsipika arahiny momba ny fitondran-tena. Ny mpanao politika indray etsy an-daniny mampiasa ny olana eo amin’ny fiaraha-monina sy amin’ny resaka fitondran-tena, amin’izay lasa manohana azy ny olona mpivavaka. Efa mahazatra ny hoe misy mpitondra fivavahana milatsaka hofidina. Ary any amin’ny tany sasany aza mety hatao fivavaham-panjakana mihitsy ny fivavahana iray milaza azy ho Kristianina.

 Ahoana ny hevitrao? Tokony hiditra amin’ny politika ve ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy? Hahita ny valin’izany ianao raha mandinika ny ohatr’i Jesosy. Hoy izy: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo hoatran’ny nataoko taminareo koa.” (Jaona 13:15) Inona no modely nomen’i Jesosy eo amin’ny resaka politika?

Nanao politika ve i Jesosy?

 Tsia. Tsy niditra tamin’ny resaka politika mihitsy i Jesosy.

 Tsy nitady toerana teo amin’ny fitondrana i Jesosy. Tsy nanaiky ho lasa mpitondra izy rehefa nomen’i Satana Devoly azy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao.” (Matio 4:8-10) a Nisy fotoana koa izy nampirisihin’ny olona hanao politika satria hitan-dry zareo hoe tena mahay mitarika. Izao anefa no resahin’ny Baiboly: “Fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny mba hatao mpanjaka. Dia niala teo izy ka nandeha nitokana tany an-tendrombohitra indray.” (Jaona 6:15) Tsy nanaiky hanao politika mihitsy i Jesosy na dia noteren’ny olona aza.

 Tsy nanohana an’iza na iza i Jesosy rehefa nisy olana ara-politika. Tezitra, ohatra, ny Jiosy tamin’izany fotoana izany satria noteren’ny fanjakana romanina handoa hetra be, ary tsy rariny ilay izy tamin-dry zareo. Tian-dry zareo hilaza ny heviny momba an’io olana io i Jesosy, nefa tsy nanaiky hiady hevitra hoe ara-drariny ve ilay hetra sa tsia. Izao no noteneniny: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:13-17) Tsy nanohana an’iza na iza izy fa nilaza fotsiny hoe tokony haloa ny hetra takin’i Kaisara, izany hoe ny manam-pahefana romanina. Nilaza koa anefa izy hoe voafetra ihany ny fankatoavana ny manam-pahefana. Tsy tokony homena ny fanjakana mantsy izay tokony ho an’Andriamanitra, anisan’izany ny fanompoam-pivavahana.​—Matio 4:10; 22:37, 38.

 Ny Fanjakan’Andriamanitra no notohanan’i Jesosy sy nampirisihiny hotohanan’ny olona. (Lioka 4:43) Tsy nanao politika izy satria fantany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, fa tsy ny fanjakan’olombelona. (Matio 6:10) Fantany koa hoe hosoloan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona fa tsy hoe hampiasainy.​—Daniela 2:44.

Nanao politika ve ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

 Tsia. Nankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe “tsy anisan’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:19) Nanaraka ny modely nomeny izy ireo ka tsy nitsabaka tamin’ny politika mihitsy. (Jaona 17:16; 18:36) Ny asa nampanaovin’i Jesosy kosa no nataony, izany hoe nitory sy nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Matio 28:18-20; Asan’ny Apostoly 10:42.

 Ny mankatò an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra tamin’ireo Kristianina voalohany ireo, nefa fantany koa hoe tsy maintsy hajaina ny manam-pahefana. (Asan’ny Apostoly 5:29; 1 Petera 2:13, 17) Nankatò lalàna sy nandoa hetra àry izy ireo. (Romanina 13:1, 7) Nampiasa tsara ny fiarovana sy ny fanampiana nomen’ny fanjakana izy ireo, saingy tsy nanao politika mihitsy.​—Asan’ny Apostoly 25:10, 11; Filipianina 1:7.

Tsy manao politika ny Kristianina amin’izao androntsika izao

 Asehon’ny Baiboly mazava tsara hoe samy tsy nanao politika na i Jesosy na ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany. Tsy manao politika mihitsy koa àry ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany satria Kristianina. Manahaka an’ireo Kristianina voalohany izy ireo ka ny asa nampanaovin’i Jesosy no ataony, izany hoe ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana.”​—Matio 24:14.

a Rehefa nanda i Jesosy, dia tsy nilaza mihitsy hoe tsy manana fahefana hanome azy ny fanjakana eo amin’izao tontolo izao i Satana. Nantsoiny hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana, tatỳ aoriana.​—Jaona 14:30.