Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nampiasana ny Tombo-kase Fahiny?

Ahoana no Nampiasana ny Tombo-kase Fahiny?

 Fitaovana kely misy sary na soratra mivohitra ny tombo-kase. Rehefa apetaka amin’ny zavatra anankiray ilay izy, dia mifindra amin’iny ilay soratra na sary. Matetika no napetaka tamin’ny tanimanga na savoka ilay izy taloha. Nisy karazany maro ny tombo-kase. Ny sasany, ohatra, matsoko loha, na efamira, na miendrika varingarina. Nisy aza hoatran’ny lohana biby. Nampiasaina mba hanamarinana ny tena tompon’ny zavatra iray ny tombo-kase, na hanamarinana fa tsy sandoka ny taratasy iray. Nasiana tombo-kase koa ny kitapo na varavarana, ohatra hoe ny fidirana amin’ny fasana, mba ho hita raha nisy nanokatra ilay izy.

Tombo-kase miendrika varingarina ahitana an’i Dariosy I mihaza sy ny sary vita amin’ilay izy eo amin’ny tanimanga

 Vita tamin’ny zavatra isan-karazany ny tombo-kase. Nisy, ohatra, vita tamin’ny taolana, vatosokay, vy, vatosoa tsy tena sarobidy, na hazo. Nisoratra teo amin’ilay tombo-kase indraindray ny anaran’ilay tompony sy ny anaran’ny rainy. Hita tamin’ny tombo-kase sasany koa ny anaram-boninahitr’ilay tompony.

 Nampiasa tombo-kase ny olona taloha mba hanaporofoana fa tena avy aminy ny taratasy iray. Ahoana no nataony? Nasiany tanimanga na savoka na zavatra hafa malemy teo amin’ilay taratasy, dia napetany teo ilay tombo-kaseny. (Joba 38:14) Lasa maina sy mafy ilay tanimanga na savoka avy eo, dia voaro ilay taratasy satria tsy misy olona afaka manova an’ilay izy.

Azo nampiasaina mba hanomezana fahefana olona ny tombo-kase

 Azon’ny tompony nomena olon-kafa ny tombo-kaseny, amin’izay ilay olona lasa manana fahefana hoatr’azy. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny andron’ny Farao iray tany Ejipta. Andevo tany Ejipta ny lehilahy hebreo atao hoe Josefa, zanak’i Jakoba, tamin’izany. Nogadraina izy tatỳ aoriana na dia tsy diso aza. Nafahan’i Farao anefa izy ary nataony praiminisitra. Izao no tantarain’ny Baiboly: “Dia nesorin’i Farao ny peratra fanombohan-kase teny amin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa.” (Genesisy 41:42) Lasa nanana fahefana hanao asa lehibe i Josefa, satria an’ny mpanjaka ilay peratra fanombohan-kase nampiasainy.

 Te hamono lehilahy iray atao hoe Nabota i Jezebela vadin’i Ahaba, mpanjaka tany Israely fahiny. Nanoratra tany amin’ny anti-panahy àry izy hoe tokony hampangaina ho nanozona an’Andriamanitra i Nabota. Nataony tamin’ny anaran’i Ahaba ilay taratasy, ary nasiany ny tombo-kasen’i Ahaba. Tena tanteraka ilay teti-dratsiny.—1 Mpanjaka 21:5-14.

 Nampiasa peratra fanombohan-kase koa i Ahasoerosy, mpanjaka persianina, mba hanamarinana fa avy aminy tokoa ny didy navoakany.—Estera 3:10, 12.

 Nilaza i Nehemia, mpanoratra Baiboly, hoe nisy fifanekena an-tsoratra natao tamin’ny androny, ary nanisy ny tombo-kaseny teo amin’ilay izy ny andriana sy ny Levita ary ny mpisorona. Nasehon’izy ireo tamin’izany hoe ekeny ilay fifanekena.—Nehemia 1:1; 9:38.

 Misy fidirana amin’ny toerana roa resahin’ny Baiboly hoe nasiana tombo-kase. Tonga dia fantatra amin’izay raha nisy olona nikitikitika an’ilay izy. Izany, ohatra, no nitranga rehefa natsipy tao amin’ny lavaka misy liona i Daniela mpaminany. “Nisy vato nalaina” tamin’izay, dia “nanampenana ny vava lavaka.” Nasian’i Dariosy, mpanjakan’i Media sy Persa, “tombo-kase tamin’ny peratra fanombohan-kaseny” ilay vato avy eo, sady nasiany tombo-kase tamin’ny “peratra fanombohan-kasen’ny olo-manan-kajany.” Nahoana? “Mba tsy ho azo ovana ny lalàna nampiharina tamin’i Daniela.”—Daniela 6:17.

 Hoatr’izany koa no nitranga rehefa avy napetraka tao anaty fasana ny vatan’i Jesosy Kristy. Tian’ny fahavalony harovana ilay fasana, dia nasian’izy ireo tombo-kase ny vato teo amin’ny fidirana amin’ilay izy. (Matio 27:66) Niresaka momba an’io tombo-kase io i David Turner, ao amin’ny boky iray manazava ny Matio. Nilaza izy hoe “tanimanga na savoka napetaka teo anelanelan’ilay vato sy ny fidirana amin’ilay fasana” izy io, raha tombo-kase avy amin’ny manam-pahefana romanina.

 Ahafantarana zavatra betsaka momba ny tantara ny tombo-kase fahiny, ka tena liana amin’izy ireny ny mpahay tantara sy ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Betsaka mihitsy izao ny fikarohana atao momba azy ireny.