Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’ny Salamo

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Lalan’ny olo-marina sy ny an’ny ratsy fanahy

      • Sambatra izay mamaky ny lalàn’i Jehovah (2)

      • Toy ny hazo mamoa tsara ny olo-marina (3)

      • Toy ny akofa entin’ny rivotra ny ratsy fanahy (4)

  • 2

    • Jehovah sy ilay voahosotra notendreny

      • Ihomehezan’i Jehovah ireo firenena (4)

      • Nametraka ny mpanjakany i Jehovah (6)

      • Omeo voninahitra ilay zanaka (12)

  • 3

    • Matoky an’i Jehovah na dia tandindomin-doza aza

      • ‘Nahoana no be dia be ny fahavalo?’ (1)

      • “Avy amin’i Jehovah ny famonjena” (8)

  • 4

    • Vavaky ny olona matoky an’i Jehovah

      • “Tezera fa aza manota” (4)

      • “Hatory amim-piadanana aho” (8)

  • 5

    • Fialofan’ny olo-marina i Jehovah

      • Halan’i Jehovah ny faharatsiana (4, 5)

      • ‘Tariho aho fa manao ny rariny ianao’ (8)

  • 6

    • Fitalahoana famindram-po

      • Tsy midera an’i Jehovah ny maty (5)

      • Ren’i Jehovah ny fitalahoana famindram-po (9)

  • 7

    • Mpitsara manao ny rariny i Jehovah

      • ‘Jehovah ô, tsarao aho’ (8)

  • 8

    • Ny voninahitr’i Jehovah sy ny voninahitry ny olona

      • ‘Heni-kaja ny anaranao! (1, 9)

      • “Inona moa izay olombelona mety maty?” (4)

      • Nosatrohana voninahitra ny olona (5)

  • 9

    • Hanambara ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah

      • Fialofana azo antoka i Jehovah (9)

      • Matoky an’i Jehovah izay mahalala ny anarany (10)

  • 10

    • Mpanampy an’izay tsy misy mpiaro i Jehovah

      • Mirehareha ny ratsy fanahy hoe: “Tsy misy izany Andriamanitra izany” (4)

      • Miantehitra amin’i Jehovah ny tsy misy mpiaro (14)

      • ‘Mpanjaka mandrakizay i Jehovah’ (16)

  • 11

    • Mialoka amin’i Jehovah

      • “Ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah” (4)

      • Mankahala an’izay tia herisetra i Jehovah (5)

  • 12

    • Mitsangana i Jehovah mba hanao zavatra

      • Madio ny tenin’i Jehovah (6)

  • 13

    • Maniry mafy ny hovonjen’i Jehovah

      • “Jehovah ô, mandra-pahoviana?” (1, 2)

      • Manome valisoa be dia be i Jehovah (6)

  • 14

    • Hoatran’ny ahoana ny adala

      • “Tsy misy izany Jehovah izany” (1)

      • “Tsy misy manao ny tsara” (3)

  • 15

    • Iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah?

      • Milaza ny marina ao am-pony izy (2)

      • Tsy manendrikendrika izy (3)

      • Na voa aza izy dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany (4)

  • 16

    • Avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra

      • “I Jehovah no anjara nomena ahy” (5)

      • ‘Manitsy ahy ny eritreritro amin’ny alina’ (7)

      • ‘Eo ankavanako i Jehovah’ (8)

      • “Tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana aho” (10)

  • 17

    • Vavaka fangatahana fiarovana

      • “Ianao efa nandinika ny foko” (3)

      • “Eo ambany aloky ny elatrao” (8)

  • 18

    • Midera an’i Jehovah noho ny famonjeny

      • “I Jehovah no harambatoko” (2)

      • Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihan’i Jehovah (25)

      • Tonga lafatra ny lalan’i Jehovah (30)

      • “Lasa misandratra aho noho ianao manetry tena” (35)

  • 19

    • Mitory momba an’i Jehovah ny zavaboary sy ny lalàny

      • “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra” (1)

      • Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah, manome hery indray (7)

      • “Fahotana tsy fantatro akory” (12)

  • 20

    • Vonjen’i Jehovah ny mpanjaka notendreny

      • Misy mitoky amin’ny kalesy sy soavaly, “fa isika kosa miantso ny anaran’i Jehovah” (7)

  • 21

    • Hotahina ny mpanjaka matoky an’i Jehovah

      • Natao ela velona ny mpanjaka (4)

      • Ho resy ny fahavalon’i Jehovah (8-12)

  • 22

    • Hakiviana nivadika ho fiderana

      • “Andriamanitro ô, nahoana ianao no nahafoy ahy?” (1)

      • “Anaovany antsapaka ny akanjoko” (18)

      • Midera an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana (22, 25)

      • Hanompo an’i Jehovah ny tany manontolo (27)

  • 23

    • “I Jehovah no Mpiandry ahy”

      • “Tsy ho ory na inona na inona aho” (1)

      • “Mamelombelona ahy izy” (3)

      • “Feno mitafotafo ny kaopiko” (5)

  • 24

    • Miditra eo am-bavahady ilay Mpanjaka be voninahitra

      • “An’i Jehovah ny tany” (1)

  • 25

    • Vavaka fangatahana tari-dalana sy famelana

      • “Ampianaro ahy ny lalanao” (4)

      • ‘Naman’i Jehovah akaiky’ (14)

      • “Mamelà ny fahotako rehetra” (18)

  • 26

    • Tsy mivadika

      • “Diniho aho, Jehovah ô” (2)

      • Tsy mifanerasera amin’ny naman-dratsy (4, 5)

      • ‘Handeha manodidina ny alitaran’i Jehovah aho’ (6)

  • 27

    • I Jehovah no manda miaro ny aiko

      • Mahafinaritra ahy ny tempolin’i Jehovah (4)

      • Karakarain’i Jehovah na dia afoin’ny ray aman-dreny aza (10)

      • “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah” (14)

  • 28

    • Nohenoina ny vavak’ilay mpanao salamo

      • “I Jehovah no heriko sy ampingako” (7)

  • 29

    • Mahery ny feon’i Jehovah

      • Manao fitafiana masina rehefa manompo (2)

      • “Mikotrokotroka ny feon’ilay Andriamanitra be voninahitra” (3)

      • Manome hery ny vahoakany i Jehovah (11)

  • 30

    • Fisaonana lasa fifaliana

      • Mandritra ny androm-piainana ny fankasitrahan’i Jehovah (5)

  • 31

    • Mialoka amin’i Jehovah

      • “Ankiniko aminao ny aiko” (5)

      • ‘Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana’ (5)

      • Lehibe ny hatsaran-toetran’i Jehovah (19)

  • 32

    • Sambatra izay voavela ny helony

      • “Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho” (5)

      • Hataon’i Jehovah izay hahatonga anao ho lalin-tsaina (8)

  • 33

    • Fiderana ny Mpamorona

      • “Mihirà hira vaovao ho azy” (3)

      • Ny tenin’i Jehovah sy ny fofonainy no nampiasainy hamoronana (6)

      • Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah (12)

      • Mitsinjo ny mason’i Jehovah (18)

  • 34

    • Mamonjy ny mpanompony i Jehovah

      • “Andao isika hiara-manandratra ny anarany” (3)

      • Miaro ny anjelin’i Jehovah (7)

      • “Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah” (8)

      • ‘Tsy misy tapaka ny taolany’ (20)

  • 35

    • Vavaka mba hafahana amin’ny fahavalo

      • Horoahina ny fahavalo (5)

      • Hidera an’i Jehovah eo anivon’ny vahoaka maro be (18)

      • Ankahalaina tsy amin’antony (19)

  • 36

    • Sarobidy ny hoe tia sy tsy mivadika i Jehovah

      • Tsy matahotra an’Andriamanitra ny ratsy fanahy (1)

      • Loharanon’aina Andriamanitra (9)

      • “Ny hazavana avy aminao no ahitanay hazavana” (9)

  • 37

    • Hiadana izay matoky an’i Jehovah

      • Aza sosotra amin’ny mpanao ratsy (1)

      • “Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah” (4)

      • “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao” (5)

      • ‘Ny mpandefitra no handova ny tany’ (11)

      • Ho ampy sakafo foana ny olo-marina (25)

      • Honina mandrakizay eto an-tany ny olo-marina (29)

  • 38

    • Vavaky ny olona mibebaka sy mijaly noho ny ratsy nataony

      • ‘Sahiran-tsaina ary mamoy fo tanteraka’ (6)

      • Mihaino an’izay miandry azy i Jehovah (15)

      • “Nampiady saina ahy ny fahotako” (18)

  • 39

    • Fohy ny fiainana

      • Toy ny fofonaina fotsiny ny olona (5, 11)

      • “Aza odiana tsy hita ny ranomasoko” (12)

  • 40

    • Fisaorana an’ilay Andriamanitra tsy manan-tsahala

      • Be dia be loatra ny asan’i Jehovah ka tsy ho voatantara (5)

      • Tsy sorona no tena zava-dehibe amin’i Jehovah (6)

      • “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy” (8)

  • 41

    • Vavaky ny marary eo am-pandriana

      • Manohana ny marary i Jehovah (3)

      • Namadika azy ny namany akaiky (9)

  • 42

    • Fiderana an’i Jehovah, ilay Mpamonjy Lehibe

      • Mangetaheta an’Andriamanitra toy ny serfa mangetaheta rano (1, 2)

      • “Nahoana re aho no dia mamoy fo e?” (5, 11)

      • “Hiandry an’Andriamanitra aho” (5, 11)

  • 43

    • Manafaka i Jehovah, ilay Mpitsara

      • “Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao” (3)

      • “Nahoana re aho no dia mamoy fo e?” (5)

      • “Hiandry an’Andriamanitra aho” (5)

  • 44

    • Vavaka fangatahana fanampiana

      • “Ianao no namonjy anay” (7)

      • “Toy ny ondry hovonoina” (22)

      • “Mitsangàna hanampy anay!” (26)

  • 45

    • Fampakaram-badin’ny mpanjaka voatendry

      • Milaza teny mahafinaritra (2)

      • “Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay” (6)

      • Tsy andrin’ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehin’ilay ampakariny (11)

      • Ho andriana manerana ny tany ny zanaka (16)

  • 46

    • ‘Fialofana ho antsika Andriamanitra’

      • Mahagaga ny asan’Andriamanitra (8)

      • Ataon’i Jehovah tsy misy ady intsony eran-tany (9)

  • 47

    • Jehovah, ilay Mpanjaka manerana ny tany

      • “Mendrika hatahorana i Jehovah” (2)

      • Manaova hira fiderana ho an’Andriamanitra (6, 7)

  • 48

    • Ziona, tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra

      • Fifalian’ny tany manontolo (2)

      • Jereo tsara ilay tanàna sy ny tilikambony (11-13)

  • 49

    • Adala izay matoky harena

      • Tsy afaka mifanavotra ny olona (7, 8)

      • Avotan’i Jehovah izay ao amin’ny Fasana (15)

      • Tsy afaka misakana ny olona tsy ho faty ny harena (16, 17)

  • 50

    • I Jehovah no mitsara ny tsy mivadika aminy sy ny ratsy fanahy

      • Fifanekena amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny sorona (5)

      • “Andriamanitra no Mpitsara” (6)

      • An’i Jehovah ny biby rehetra (10, 11)

      • Ahariharin’i Jehovah ny zavatra ataon’ny ratsy fanahy (16-21)

  • 51

    • Vavaky ny olona mibebaka

      • Vao niforona dia efa mpanota (5)

      • ‘Diovy ho afaka amin’ny fahotako aho’ (7)

      • “Amoròny fo madio aho” (10)

      • Ankasitrahan’Andriamanitra ny fo torotoro (17)

  • 52

    • Matoky hoe tia sy tsy mivadika i Jehovah

      • Nampitandremana ireo mirehareha amin’ny zava-dratsy (1-5)

      • Matoky harena ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra (7)

  • 53

    • Hoatran’ny ahoana ny adala

      • “Tsy misy izany Jehovah izany” (1)

      • “Tsy misy manao ny tsara” (3)

  • 54

    • Vavaka fangatahana fanampiana rehefa voahodidin’ny fahavalo

      • “Andriamanitra no mpanampy ahy” (4)

  • 55

    • Vavak’izay nofitahin’ny namany

      • Haratsin’ny namana akaiky (12-14)

      • “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao” (22)

  • 56

    • Vavak’izay enjehina

      • “Andriamanitra no itokisako” (4)

      • “Ao anaty sininao ny ranomasoko” (8)

      • “Inona moa no azon’izay olombelona atao amiko?” (4, 11)

  • 57

    • Fitalahoana famindram-po

      • Mialoka eo ambany elatr’i Jehovah (1)

      • Latsaka ao amin’ny fandrika nataony ihany ny fahavalo (6)

  • 58

    • Misy Andriamanitra mitsara ny tany

      • Vavaka atao mba hosazina ny ratsy fanahy (6-8)

  • 59

    • Ampinga sy fialofana i Jehovah

      • ‘Aza iantrana ny mpamadika’ (5)

      • ‘Hihira momba ny herinao aho’ (16)

  • 60

    • Resin’i Jehovah ny fahavalo

      • Tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olona (11)

      • “Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay” (12)

  • 61

    • Tilikambo mafy miaro amin’ny fahavalo i Jehovah

      • ‘Hivahiny ao an-tranolainao aho’ (4)

  • 62

    • I Jehovah no tena Mpamonjy

      • ‘Andriamanitra no andrasako amim-panginana’ (1, 5)

      • ‘Aborahy amin’Andriamanitra ny ao am-ponareo’ (8)

      • Toy ny fofonaina fotsiny ny olona (9)

      • Aza miantehitra amin’ny harena (10)

  • 63

    • Maniry mafy an’i Jehovah

      • “Tsara noho ny aina ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao” (3)

      • ‘Afa-po amin’izay tsara indrindra’ (5)

      • Misaintsaina momba an’i Jehovah mandritra ny alina (6)

      • ‘Mifikitra amin’Andriamanitra aho’ (8)

  • 64

    • Fiarovana amin’izay manafika an-tsokosoko

      • ‘Hotifirin’Andriamanitra ireny’ (7)

  • 65

    • Mikarakara ny tany i Jehovah

      • “Mpihaino vavaka” (2)

      • “Sambatra izay fidinao” (4)

      • Tondraka ny hatsaran’i Jehovah (11)

  • 66

    • Mahatalanjona sy mampahatahotra ny asan’i Jehovah

      • “Avia hijery ny asan’Andriamanitra” (5)

      • “Hefaiko aminao ny voadiko” (13)

      • Mihaino vavaka i Jehovah (18-20)

  • 67

    • Hatahotra an’i Jehovah ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany

      • Ho fantatra ny lalan’i Jehovah (2)

      • ‘Hidera an’Andriamanitra anie ny vahoaka rehetra’ (3, 5)

      • “Hitahy antsika Andriamanitra” (6, 7)

  • 68

    • ‘Aoka hiparitaka ny fahavalon’Andriamanitra’

      • “Rain’ny kamboty ray” (5)

      • Manome trano ho an’ny manirery Izy (6)

      • Vehivavy manambara ny vaovao tsara (11)

      • Lehilahy natao fanomezana (18)

      • ‘Mitondra ny entantsika isan’andro i Jehovah’ (19)

  • 69

    • Vavaka atao mba ho voavonjy

      • “Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao” (9)

      • “Mba valio haingana aho” (17)

      • “Vinaingitra no nomeny ahy hosotroiko” (21)

  • 70

    • Fangatahana fanampiana haingana

      • “Vonjeo haingana aho” (5)

  • 71

    • Ilay itokisan’ny olona efa antitra

      • Natoky an’i Jehovah hatramin’ny mbola tanora (5)

      • “Rehefa mihena ny heriko” (9)

      • ‘Nampianatra ahy hatramin’izaho mbola tanora Andriamanitra’ (17)

  • 72

    • Fiadanana hoentin’ilay mpanjaka nofidin’Andriamanitra

      • “Ho be dia be ny olo-marina” (7)

      • Olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina (8)

      • Hanafaka amin’ny herisetra (14)

      • Hahavokatra be ny tany (16)

      • Hoderaina mandrakizay ny anaran’Andriamanitra (19)

  • 73

    • Tonga saina ny lehilahy iray matahotra an’Andriamanitra

      • ‘Saika nivily lalana aho’ (2)

      • “Nahita olana aho tontolo andro” (14)

      • “Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra” (17)

      • Eo amin’ny toerana malama ny ratsy fanahy (18)

      • Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara (28)

  • 74

    • Vavaka atao mba hotsaroan’i Jehovah ny vahoakany

      • Mahatsiaro ny asa famonjena nataon’Andriamanitra (12-17)

      • “Tadidio ny esoeson’ny fahavalo” (18)

  • 75

    • Mitsara araka ny rariny Andriamanitra

      • Hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah ny ratsy fanahy (8)

  • 76

    • Resin’i Jehovah ny fahavalon’i Ziona

      • Vonjen’Andriamanitra ny mpandefitra (9)

      • Hatao tsinontsinona ny fahavalo mirehareha (12)

  • 77

    • Vavaka rehefa ao anatin’ny sarotra

      • Misaintsaina ny zavatra nataon’i Jehovah (11, 12)

      • ‘Iza no lehibe hoatr’anao, Andriamanitra ô?’ (13)

  • 78

    • Fikarakaran’i Jehovah; tsy nanam-pinoana ny Israely

      • Ilazao ny taranaka ho avy (2-8)

      • “Tsy nino an’Andriamanitra izy ireo” (22)

      • “Sakafo avy any an-danitra” (24)

      • “Nanao izay nampalahelo an’Ilay Masin’ny Israely” (41)

      • Avy any Ejipta nankany amin’ny Tany Nampanantenaina (43-55)

      • ‘Nitsapa an’Andriamanitra foana izy ireo’ (56)

  • 79

    • Vavaka natao rehefa notafihin’ireo firenena ny vahoakan’i Jehovah

      • ‘Natao afa-baraka izahay’ (4)

      • “Ampio izahay noho ny anaranao” (9)

      • “Valio avo fito heny ny mpiara-monina aminay” (12)

  • 80

    • Fangatahana amin’ilay Mpiandry ny Israely mba haveriny hoatran’ny taloha

      • “Ataovy lasa hoatran’ny taloha indray izahay, Andriamanitra ô” (3)

      • Voalobok’Andriamanitra ny Israely (8-15)

  • 81

    • Fampirisihana mba hankatò

      • Aza manompo andriamani-kafa (9)

      • ‘Raha mba nihaino mantsy ianareo’ (13)

  • 82

    • Fitakiana fitsarana ara-drariny

      • Mitsara eo amin’ireo “andriamanitra” i Jehovah (1)

      • “Arovy ny madinika” (3)

      • “Andriamanitra ianareo” (6)

  • 83

    • Vavaka atao rehefa miatrika fahavalo

      • “Aza mangina fotsiny, Andriamanitra ô!” (1)

      • Toy ny tsilo avadibadiky ny tadio ny fahavalo (13)

      • Jehovah no anaran’Andriamanitra (18)

  • 84

    • Manimanina an’ilay tranolain’Andriamanitra be voninahitra

      • Mba te ho hoatran’ny vorona ny Levita iray (3)

      • “Indray andro eo an-tokotaninao” (10)

      • “Masoandro sy ampinga i Jehovah” (11)

  • 85

    • Mivavaka mba haverina hoatran’ny taloha

      • Hiresaka fihavanana amin’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah (8)

      • Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana (10)

  • 86

    • Tsy misy andriamanitra toa an’i Jehovah

      • Vonona hamela heloka i Jehovah (5)

      • Hanompo an’i Jehovah ny firenena rehetra (9)

      • “Ampianaro ny lalanao aho” (11)

      • ‘Hatahotra ny anaranao amin’ny foko manontolo’ (11)

  • 87

    • Ziona, tanànan’ilay tena Andriamanitra

      • Ireo teraka tany Ziona (4-6)

  • 88

    • Vavaka fangatahana mba tsy ho faty

      • “Efa ho lasa ao amin’ny Fasana ny aiko” (3)

      • ‘Mivavaka aminao aho isa-maraina’ (13)

  • 89

    • Mihira hoe tia sy tsy mivadika i Jehovah

      • Fifanekena tamin’i Davida (3)

      • Haharitra mandrakizay ny taranak’i Davida (4)

      • Miantso an’i Jehovah hoe ‘Ray’ ilay voahosotra notendreny (26)

      • Mafy orina ilay fifanekena natao tamin’i Davida (34-37)

      • Tsy afaka mandositra ny Fasana ny olona (48)

  • 90

    • Mandrakizay i Jehovah ary fohy andro iainana ny olona

      • Toy ny omaly ny arivo taona (4)

      • Velona 70 na 80 taona ny olona (10)

      • “Ampianaro hanisa ny andronay izahay” (12)

  • 91

    • Fiarovana ao amin’ny toerana miafin’i Jehovah

      • Nafahana tamin’ny mpamandri-borona (3)

      • Mialoka eo ambany elatr’i Jehovah (4)

      • Voaro na dia misy an’arivony lavo aza (7)

      • Nomena baiko ny anjely mba hiaro (11)

  • 92

    • Ankalazaina mandrakizay i Jehovah

      • Lehibe ny asany ary lalina ny fisainany (5)

      • ‘Ny olo-marina hiroborobo toy ny hazo’ (12)

      • Mbola hamoa foana ny antitra (14)

  • 93

    • Heni-kaja ny fitondran’i Jehovah

      • “Lasa Mpanjaka i Jehovah!” (1)

      • “Azo atokisana ny fampahatsiahivanao” (5)

  • 94

    • Mivavaka mba hovalian’i Jehovah ny ratsy natao

      • “Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy?” (3)

      • Mahasambatra ny hoe anarin’i Jah (12)

      • Tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah (14)

      • “Mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy” (20)

  • 95

    • Manompo an’i Jehovah sady mankatò azy

      • “Raha mihaino ny feony ianareo anio” (7)

      • “Aza manamafy ny fonareo” (8)

      • “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo” (11)

  • 96

    • “Mihirà hira vaovao ho an’i Jehovah”

      • I Jehovah no mendrika hoderaina indrindra (4)

      • Tsy misy dikany ny andriamanitr’ireo firenena (5)

      • Manaova fitafiana masina rehefa manompo (9)

  • 97

    • Misandratra noho ny andriamanitra rehetra i Jehovah

      • “Lasa Mpanjaka i Jehovah!” (1)

      • Tiavo i Jehovah, ankahalao ny ratsy (10)

      • Hazavana ho an’ny olo-marina (11)

  • 98

    • Mpamonjy sy Mpitsara manao ny rariny i Jehovah

      • Nampahafantarina ny famonjen’i Jehovah (2, 3)

  • 99

    • Mpanjaka masina i Jehovah

      • Eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny kerobima (1)

      • Andriamanitra mamela heloka sy manasazy (8)

  • 100

    • Fisaorana an’ilay Mpamorona

      • “Manompoa an’i Jehovah sady mifalia” (2)

      • ‘Andriamanitra no nanao antsika’ (3)

  • 101

    • Mpitondra manao izay mahitsy

      • ‘Tsy holeferiko ny fireharehana’ (5)

      • ‘Hankasitraka an’ireo olona tsy mivadika aho’ (6)

  • 102

    • Vavaky ny olona mijaly rehefa mamoy fo

      • ‘Hoatran’ny vorona manirery aho’ (7)

      • “Toy ny aloka efa tsy ho hita intsony ny androko” (11)

      • “Hanorina indray an’i Ziona i Jehovah” (16)

      • Maharitra mandrakizay i Jehovah (26, 27)

  • 103

    • “Hidera an’i Jehovah aho”

      • Esorin’i Jehovah lavitra be antsika ny fahotantsika (12)

      • Toy ny ray mamindra fo i Jehovah (13)

      • Tsy hadinon’i Jehovah hoe vovoka isika (14)

      • Ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny fanjakany (19)

      • Manatanteraka ny baikon’i Jehovah ny anjely (20)

  • 104

    • Fiderana an’i Jehovah noho ny zavatra mahatalanjona noforoniny

      • Haharitra mandrakizay ny tany (5)

      • Divay sy mofo ho an’ny olona mety maty (15)

      • “Maro be tokoa ny zava-bitanao!” (24)

      • ‘Rehefa esorina ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo’ (29)

  • 105

    • Asehon’i Jehovah amin’ny vahoakany hoe tsy mivadika izy

      • Tadidin’i Jehovah ny fifanekena nataony (8-10)

      • “Aza mikasika an’ireo voahosotro” (15)

      • Nampiasain’i Jehovah i Josefa, ilay lasa andevo (17-22)

      • Fahagagana nataon’i Jehovah tany Ejipta (23-36)

      • Niala tany Ejipta ny Israely (37-39)

      • Tsaroan’i Jehovah ny fampanantenany tamin’i Abrahama (42)

  • 106

    • Tsy nahay nankasitraka ny Israely

      • Vetivety dia hadinon’izy ireo izay nataon’Andriamanitra (13)

      • Natakalo sarin’omby ny voninahitr’i Jehovah (19, 20)

      • Tsy ninoan’izy ireo ny fampanantenan’i Jehovah (24)

      • Lasa nanompo an’i Bala izy ireo (28)

      • Ankizy natao sorona ho an’ny demonia (37)

  • 107

    • Misaora an’i Jehovah noho ny zavatra mahatalanjona nataony

      • Nampandehaniny tamin’ny lalana tokony halehany izy ireo (7)

      • Nataony afa-po ny mangetaheta sy ny noana (9)

      • Navoakany avy tao anatin’ny haizina izy ireo (14)

      • Niteny izy mba ho sitrana izy ireo (20)

      • Arovany ny mahantra mba tsy hisy hampijaly (41)

  • 108

    • Vavaka atao mba ho resy ny fahavalo

      • Tsy misy dikany ny famonjena avy amin’ny olona (12)

      • “Hahazo hery avy amin’Andriamanitra izahay” (13)

  • 109

    • Vavaky ny olona kivy

      • ‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikiny’ (8)

      • Mitsangana eo akaikin’ny mahantra i Jehovah (31)

  • 110

    • Mpanjaka sy mpisorona toa an’i Melkizedeka

      • ‘Anjakao ny fahavalonao’ (2)

      • Toy ny ando ny tanora manolo-tena an-tsitrapo (3)

  • 111

    • Derao i Jehovah fa lehibe ny asany

      • Masina sy mendrika hatahorana ny anaran’i Jehovah (9)

      • Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena (10)

  • 112

    • Matahotra an’i Jehovah ny olo-marina

      • Ho sambatra izay mampisambotra sady malala-tanana (5)

      • “Hotsaroana mandrakizay ny olo-marina” (6)

      • Manome ho an’ny mahantra ny malala-tanana (9)

  • 113

    • Any amin’ny avo i Jehovah nefa manangana ny olona ambany

      • Hoderaina mandrakizay ny anaran’i Jehovah (2)

      • Miondrika Andriamanitra (6)

  • 114

    • Nafahana avy tany Ejipta ny Israely

      • Nandositra ny ranomasina (5)

      • Nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ny tendrombohitra (6)

      • Lasa loharano ny vatoafo (8)

  • 115

    • I Jehovah ihany no tokony homena voninahitra

      • Sampy tsy mananaina (4-8)

      • Nomena ho an’ny olona ny tany (16)

      • “Tsy midera an’i Jah ny maty” (17)

  • 116

    • Hira fisaorana

      • “Inona no havaliko an’i Jehovah?” (12)

      • “Horaisiko ny kaopin’ny famonjena” (13)

      • “Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho” (14, 18)

      • Tena mafy ny fahafatesan’ireo tsy mivadika (15)

  • 117

    • Asaina midera an’i Jehovah ny firenena rehetra

      • Tena tia antsika sy tsy mivadika amintsika i Jehovah (2)

  • 118

    • Misaora an’i Jehovah noho ny fandreseny

      • ‘Niantso an’i Jah aho, dia namaly izy’ (5)

      • “Manohana ahy i Jehovah” (6, 7)

      • Vato tsy tiana lasa vato fehizoro lehibe indrindra (22)

      • “Ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah” (26)

  • 119

    • Fankasitrahana ny tenin’Andriamanitra

      • “Inona no tokony hataon’ny tanora raha te hanao ny tsara foana izy?” (9)

      • “Mahafinaritra ahy ny fampahatsiahivanao” (24)

      • “Ny teninao no antenaiko” (74, 81, 114)

      • “Tiako erỳ ny lalànao!” (97)

      • “Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra” (99)

      • “Jiro ho an’ny tongotro ny teninao” (105)

      • “Fahamarinana no votoatin’ny teninao” (160)

      • Miadana ireo tia ny lalàn’i Jehovah (165)

  • 120

    • Vahiny mitady fihavanana

      • ‘Afaho amin’ny lela mamitaka aho’ (2)

      • “Mitandro fihavanana aho” (7)

  • 121

    • Miambina ny vahoakany i Jehovah

      • “Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana” (2)

      • Tsy matory mihitsy i Jehovah (3, 4)

  • 122

    • Vavaka atao mba hiadanan’i Jerosalema

      • Mahafaly ny mankany an-tranon’i Jehovah (1)

      • Tanàna natambatra ho iray (3)

  • 123

    • Mijery an’i Jehovah mba hiantrany

      • ‘Mijery an’i Jehovah, toy ny ataon’ny mpanompo’ (2)

      • ‘Tototry ny fanambaniana be loatra izahay’ (3)

  • 124

    • “Raha tsy nanampy antsika i Jehovah”

      • Afa-nandositra fa tapaka ny fandrika (7)

      • “Ahazoantsika fanampiana ny anaran’i Jehovah” (8)

  • 125

    • Miaro ny vahoakany i Jehovah

      • ‘Toy ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema’ (2)

      • “Enga anie ka hiadana ny Israely!” (5)

  • 126

    • Faly fa nampodina ny mponin’i Ziona

      • ‘Nanao zavatra niavaka i Jehovah’ (3)

      • Nitomany dia avy eo falifaly (5, 6)

  • 127

    • Ho very maina ny zava-drehetra raha tsy eo i Jehovah

      • “Raha tsy i Jehovah no manao ny trano” (1)

      • Valisoa avy amin’i Jehovah ny zanaka (3)

  • 128

    • Sambatra izay matahotra an’i Jehovah

      • Toy ny voaloboka mahavokatra ny vady (3)

      • ‘Ho hitanao anie hoe mandroso be i Jerosalema’ (5)

  • 129

    • Nisy namely fa tsy resy

      • Menatra ireo mankahala an’i Ziona (5)

  • 130

    • “Ao anatin’ny fahoriana lalina aho no miantso anao”

      • ‘Raha mitsingoloka fahadisoana ianao’ (3)

      • Tena mamela heloka i Jehovah (4)

      • “Miandry mafy an’i Jehovah aho” (6)

  • 131

    • Afa-po toy ny zaza efa nisara-nono

      • Tsy mikatsaka zavatra ambony loatra (1)

  • 132

    • Voafidy i Davida sy Ziona

      • “Aza afoy ilay voahosotrao” (10)

      • Ampitafiana famonjena ny mpisorona ao Ziona (16)

  • 133

    • Miara-monina sady miray saina

      • Toy ny menaka eo ambony lohan’i Arona (2)

      • Toy ny ando any Hermona (3)

  • 134

    • Midera an’i Jehovah mandritra ny alina

      • “Ho masina rehefa manandra-tanana hivavaka” (2)

  • 135

    • Derao i Jah fa tena miavaka izy

      • Famantarana sy fahagagana namelezana an’i Ejipta (8, 9)

      • “Maharitra mandrakizay ny anaranao” (13)

      • Sampy tsy mananaina (15-18)

  • 136

    • Be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay i Jehovah

      • Niangaliana fatratra ny lanitra sy ny tany (5, 6)

      • Maty tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao (15)

      • Tsaroan’i Jehovah ny kivy (23)

      • Sakafo ho an’ny zavamananaina rehetra (25)

  • 137

    • Teo amoron’ny renirano tany Babylona

      • Tsy nihira momba an’i Ziona (3, 4)

      • Horavana i Babylona (8)

  • 138

    • Avo i Jehovah nefa mikarakara

      • ‘Namaly ny vavaka nataoko ianao’ (3)

      • ‘Mamonjy ahy ianao, na rehefa miatrika loza aza aho’ (7)

  • 139

    • Fantatr’i Jehovah tsara ny mpanompony

      • Tsy misy tsy tongan’ny fanahin’i Jehovah (7)

      • “Mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy” (14)

      • ‘Hitanao aho tamin’izaho vao niforona’ (16)

      • “Tariho mankany amin’ny lalan’ny mandrakizay aho” (24)

  • 140

    • Mpamonjy tena mahery i Jehovah

      • Toy ny bibilava ny olon-dratsy (3)

      • Ho ratsy fiafara ny olona mahery setra (11)

  • 141

    • Vavaka atao mba ho voaro

      • ‘Ho toy ny emboka manitra anie ny vavaka ataoko’ (2)

      • Toy ny menaka ny anatry ny olo-marina (5)

      • Ho latsaka ao amin’ny fandrika nataony ny ratsy fanahy (10)

  • 142

    • Vavaka atao mba tsy ho azon’ny mpanenjika

      • “Tsy misy toerana azoko andosirana” (4)

      • “Tsy manana afa-tsy ianao aho (5)

  • 143

    • Mangetaheta an’i Jehovah, toy ny tany karakaina

      • ‘Mieritreritra momba ny asanao aho’ (5)

      • “Ampianaro hanao ny sitraponao aho” (10)

      • ‘Hitarika ahy anie ny fanahinao’ (10)

  • 144

    • Vavaka fangatahana fandresena

      • ‘Inona moa izay olombelona mety maty?’ (3)

      • ‘Hiparitaka anie ny fahavalo’ (6)

      • Sambatra ny vahoakan’i Jehovah (15)

  • 145

    • Fiderana an’i Jehovah, ilay Mpanjaka tena miavaka

      • ‘Hanambara ny fahalehibeazanao aho’ (6)

      • “Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah” (9)

      • “Hidera anao ireo tsy mivadika aminao” (10)

      • Maharitra mandrakizay ny fanjakan’i Jehovah (13)

      • Manome fahafaham-po ny rehetra ny tanan’i Jehovah (16)

  • 146

    • I Jehovah atokisana, fa tsy ny olona

      • Foana ny eritreritry ny olona rehefa maty izy (4)

      • Mampitraka an’ireo mitanondrika i Jehovah (8)

  • 147

    • Fiderana ny asa lehibe sy feno fitiavana nataon’i Jehovah

      • Manasitrana an’ireo torotoro fo izy (3)

      • Antsoiny amin’ny anarany avy ny kintana rehetra (4)

      • Mandrotsaka lanezy toy ny volonondry izy (16)

  • 148

    • Tokony hidera an’i Jehovah ny zavaboary rehetra

      • “Derao izy, ry anjeliny rehetra” (2)

      • ‘Derao izy, ry masoandro sy volana ary kintana’ (3)

      • Tokony hidera an’i Jehovah ny tanora sy ny zokiolona (12, 13)

  • 149

    • Hira hiderana ny fandresen’Andriamanitra

      • Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany (4)

      • Mahazo voninahitra izay tsy mivadika amin’i Jehovah (9)

  • 150

    • Aoka hidera an’i Jah ny zavamananaina rehetra

      • Haleloia! (1, 6)