Salamo 55:1-23

  • Vavak’izay nofitahin’ny namany

    • Haratsin’ny namana akaiky (12-14)

    • “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao” (22)

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny zavamaneno fitendry. Maskila* nataon’i Davida. 55  Henoy ny vavaka ataoko, Andriamanitra ô,+Ary aza odiana tsy hita ny fangatahako famindram-po.*+   Mba henoy aho, ka valio.+ Tsy mahatombina aho noho ny tebiteby ato anatiko,+Ary miady saina aho   Noho izay lazain’ny fahavaloSy ny fampijaliana ataon’ny ratsy fanahy. Fa ataon’izy ireo tototry ny loza aho,Ary mitana lolompo amiko izy ireo sady tezitra.+   Tena ory ny foko ato anatiko,+Ary matahotra be mihitsy aho hoe ho faty.+   Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho,Ary mipararetra mafy.   Miteny foana aho hoe: “Raha mba nanana elatra hoatran’ny voromailala mantsy aho, Dia ho nitsoaka nanidina, ka ho nonina tsy manana ahiahy.   Handositra lavitra aho,+ Ka hipetraka any an-tany efitra.+ (Sela)   Hamonjy fialofana haingana aho,Mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny oram-baratra.”   Ataovy tsy mifanara-tsaina izy ireo, Jehovah ô, ary ataovy tsy tanteraka ny fikasany,*+Fa mahita herisetra sy ady aho ao an-tanàna. 10  Mandehandeha eny ambonin’ny mandan’ny tanàna izy ireo,* na andro na alina;Faharatsiana sy fahoriana no hita ao.+ 11  Misy loza ao;Tsy miala eo amin’ny tany malalak’ilay tanàna mihitsy ny fampahoriana sy ny fitaka.+ 12  Tsy fahavalo mantsy no manaratsy ahy,+Fa raha izany, dia ho zakako ihany. Tsy olona mankahala ahy no mitsangana hanohitra ahy,Fa raha izany, dia ho niafina azy aho. 13  Fa ianao, izay olombelona toa ahy,* no nanao an’izany,+Dia ilay namako izay fantatro tsara.+ 14  Mpinamana be isika hatramin’izay,Ary mpandeha tany an-tranon’Andriamanitra niaraka tamin’ny vahoaka. 15  Enga anie ho ringana izy ireny,+ Ka hidina velona any amin’ny Fasana!*Fa zava-dratsy foana no ao am-pony na aiza na aiza misy azy. 16  Fa izaho kosa hiantso an’Andriamanitra,Ka hamonjy ahy i Jehovah.+ 17  Na hariva na maraina na antoandro, dia mitebiteby sy mitaraindraina* aho,+Ka maheno ny feoko izy.+ 18  Hanafaka* ahy amin’ireo miady amiko izy ka homeny fiadanana aho,Fa maro be no miady amiko.+ 19  Handre Andriamanitra ka hamaly an’ireny,+Dia ilay Andriamanitra mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana efa hatramin’ny taloha ela be.+ (Sela) Tsy hanaiky hiova mantsy izy ireny,Dia ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.+ 20  Nanafika an’ireo tsara fihavanana taminy izy,*+Ary tsy nanaja ny fifanekena nataony.+ 21  Malefaka noho ny dibera ny teniny,+Nefa ady no ao am-pony. Malefaka noho ny menaka ny teniny,Nefa toy ny sabatra efa notsoahana tao anaty tranony.+ 22  Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao,+Fa hanohana anao izy.+ Tsy havelany hianjera* mihitsy ny olo-marina.+ 23  Fa ianao Andriamanitra ô, no hampidina ny ratsy fanahy any amin’ny lavaka faran’izay lalina.+ Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.+ Fa izaho kosa hatoky anao.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “aza miafina rehefa mitalaho fanampiana aminao aho.”
Abt: “ataovy mizarazara ny lelany.”
Mety ho “ny herisetra sy ny ady.”
Na: “izay olo-manan-kaja mitovy amiko.”
Jereo F.T.
Na: “mitabataba.”
Abt: “Hanavotra.”
Izany hoe ilay namana taloha resahina eo amin’ny and. 13 sy 14.
Na: “hangozohozo; hivembena.”