Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gazety Mahaliana ny Besinimaro ny Mifohaza!

Gazety Mahaliana ny Besinimaro ny Mifohaza!

Gazety Mahaliana ny Besinimaro ny Mifohaza!

Fotoam-pahasambarana no lohatenin’io gazety io, tamin’ny voalohany. Ny 1 Oktobra 1919 no nivoaka ny nomerao voalohany taminy. Niresaka lafiny samihafa tamin’ny zavatra nokatsahin’ny olombelona izy io. Nolazainy ny zava-nitranga eran-tany, ary nasehony fa ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ihany no tena vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona, sady hitondra ilay tena “fotoam-pahasambarana” ho azy ireo. Niovaova ny fonon’ilay gazety, nefa tsy niova mihitsy ny zavatra lazainy. Natao hozaraina tamin’ny besinimaro ny Fotoam-pahasambarana, ka nihoatra lavitra noho Ny Tilikambo Fiambenana ny isan’ny navoaka taminy.

Novana ho Fampiononana ny anaran’izy io, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 6 Oktobra 1937. Tena nety izany, satria be ny tsindry hazo lena sy ny korontana nahatonga ny Ady Lehibe II. Ireo tena tia ny fahamarinana ihany anefa no liana tamin’ny fampiononana nomeny.

Novana hoe Mifohaza! ilay gazety, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 22 Aogositra 1946. Nantitranterina ny fanairana ny olona mba hahita ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany. Nampiasa ny loharanom-baovao mahazatra ilay gazety, nefa koa manana ny solontenany eran-tany. Voalanjalanja sady azo ampiharina, ary lalina ireo lahatsoratry ny Mifohaza! Mahakasika foto-kevitra samihafa izy ireny, ka mampirisika ny mpamaky azy hihevitra ilay hafatra lehibe indrindra ambarany, dia ny hoe manatanteraka faminanian’ny Baiboly ny zava-mitranga eran-tany, ka midika izany fa ao anatin’ny andro farany isika, ary tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra soa mandrakizay ho an’izay mianatra hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fitaovana tsara eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany io gazety io, sady mitarika ny olona hianatra ny zavatra lalina kokoa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ireo boky.

Navoaka tamin’ny fiteny 67 ny Mifohaza! tamin’ny fiandohan’ny 1993, ka 13 240 000 no natonta isaky ny nomerao.