Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)

Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)

Toko 5

Fitoriana Momba ny Fiverenan’ny Tompo (1870-1914)

“Natao izao tantara izao, tsy satria fotsiny hoe voatosika hampahatsiahy ny fitarihan’Andriamanitra teo amin’ny lalan’ny fahazavana aho, fa satria inoako koa hoe tokony holazaina amim-panetren-tena ny marina, ary tokony hambara ny hevitra sy teny diso, ary tokony hofantarin’ny mpamaky ny fanampiana sy fitarihan’ny Tompo.” a

TAORIAN’IREO tenin’i Charles Taze Russell ireo, dia nolazainy ny zava-nitranga nitarika ny fanontana ny Fiandohan’ny Arivo Taona (Fianarana ny Soratra Masina tatỳ aoriana) sy Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah ankehitriny). Tena mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah izany tantara izany. Nahoana? Satria ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinana ara-baiboly sy ny asany dia efa nanomboka tamin’ny andron’i C. Russell sy ny namany (ireo taona 1870), izay nampihatra ny Baiboly sy naka tahaka ny Kristianina voalohany.

Iza moa i Charles Taze Russell? Manaporofo ny fanampiana sy fitarihan’ny Tompo ve ny tantaran’ny asany?

Fikarohana ny fahamarinana

Teraka tamin’ny 16 Febroary 1852, tany Allegheny (any Pittsburgh ankehitriny), Etazonia, i C. Russell. Zanakalahy faharoa izy, ary i Joseph sy Ann Eliza (Birney) Russell no ray aman-dreniny, taranaka ekosey sy irlandey. Vao sivy taona i Charles no maty ny reniny, nefa mbola kely izy dia efa voataonan’ny fitiavam-pivavahan’ny ray aman-dreniny, izay Presbyterianina. Nolazain’ny mpiara-miasa tamin’i C. Russell tatỳ aoriana fa “nampiofana rantsankazo izy ireo, ka nitombo tamin’ny lalan’ny Tompo izy io.” Presbyterianina ry Charles, nefa niaraka tamin’ny Kongregasionalista izy, satria tiany kokoa ny hevitr’izy ireo.

Mpandraharaha nahay i Charles. Vao 11 taona izy dia efa mpiombon’antoka tamin-drainy, tamin’ny fivarotana akanjon-dehilahy, izay nandeha tokoa. Nitombo ny varotra nataony, ka nanokatra fivarotana maro izy tatỳ aoriana. Sahirana ara-panahy anefa izy. Nahoana?

Tena nino ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana ny ray aman-drenin’i Charles, ary nampianatra azy hanaiky izany. Mbola kely àry izy dia efa nahafantatra fa fitiavana Andriamanitra, nataony tsy mety maty ny olona, ary nanomana afo izy mba hampijaliany mandrakizay ny olona rehetra, afa-tsy ireo efa voalahatra ho voavonjy. Tso-po i Charles, ary tsy tiany izany hevitra izany. Hoy izy: “Sady tsy hendry Andriamanitra no tsy fitiavana, raha nampiasa ny heriny mba hamoronana ny olona izy, nefa fantany sy efa voalahany fa hampijaliny mandrakizay izy ireo. Mbola ambany toetra noho ny olona izy, raha izany.”

Nino an’Andriamanitra i Russell, fa ny fampianaran’ny fiangonana samihafa fotsiny no tsy nekeny. Hoy izy: “Hitako tsikelikely fa nisy sombim-pahamarinana ireo fampianaran’ny fiangonana. Mamitaka sy mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa izy ireny matetika.” Takon’ny fampianaran’ny mpanompo sampy ireo “sombim-pahamarinana” ao amin’ireny fampianarana ireny, satria efa taonjato maro ny fivadiham-pinoana no nanimba ny Kristianisma. Nialan’i Russell àry izy ireny, ary nitady ny fahamarinana tany amin’ireo fivavahana tatsinanana lehibe izy, nefa tsy afa-po ihany.

Niverina ny finoany

Natahotra an’Andriamanitra anefa ny ray aman-drenin’ilay rantsankazo, ka naniry “tamin’ny lalan’ny Tompo” izy. Teo am-pitadiavana ny fahamarinana izy, tamin’ny 1869, rehefa nisy zavatra namerina ny finoany indray. Nandeha teny akaikin’ny fivarotany, tany amin’ny Federal Street, i Russell, rehefa nandre hiram-pivavahana avy tany amin’ny efitra ambanin’ny tany. Izao no fitantarany azy:

“Nidina tampotampoka tao amina efitra feno vovoka sy naloto nisy fotoam-pivavahana aho, indray takariva, mba hijereko hoe nanana fampianarana marim-pototra kokoa noho ny an’ireo fiangonana lehibe ve io antokon’olom-bitsy io. Vao voalohany aho tamin’izay no nandre ny hevitry ny Fiaviana Faharoa [Fiangonana Advantista Kristianina]. Atoa Jonas Wendell no nitory teny ... Ekeko fa nanampy ahy ny Advantista sy ny fiangonana hafa. Na dia tsy azoko tsara aza ny fanazavany ny Soratra Masina, ... dia ampy izany mba hinoako indray fa avy amin’ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ny Baiboly, sy mba hampisehoana fa mifandray tanteraka ny fitantaran’ny apostoly sy ny mpaminany. Nanosika ahy hazoto kokoa hianatra tsara ny Baiboly ny zavatra reko, ary isaorako noho ny fitarihany foana ny Tompo. Tsy nanampy ahy hahalala na dia fahamarinana iray aza ny Advantista, nefa nanampy ahy kosa tsy hianatra zavatra diso, sy nanomana ahy hiatrika ny Fahamarinana.”

Tapa-kevitra indray hitady ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina i Russell, taorian’io. Nazoto aoka izany izy nianatra Baiboly. Nino izy tatỳ aoriana fa efa kely sisa dia ho fantatr’ireo mpanompon’ny Tompo ny fikasany. Nazoto àry izy sy ny namany vitsivitsy tany Pittsburgh sy Allegheny, tamin’ny 1870, ka nanomboka niara-nianatra Baiboly. Toy izao no fomba nitarihana an’izany fianarana izany, araka ny filazan’ny mpiara-miasa tamin’i Russell tatỳ aoriana: “Misy mametraka fanontaniana, ary resahin’ny rehetra eo iny. Mijery ny andinin-teny rehetra momba izany izy ireo, ka rehefa afa-po, dia milaza ny fanatsoahan-keviny, ary manoratra izany.” Niaiky i Russell, tatỳ aoriana, fa ny “1870 ka hatramin’ny 1875 no nisian’ny fitomboana be teo amin’ny fahasoavana sy fahalalana ary fitiavana an’Andriamanitra sy ny Teniny.”

Nisy zavatra maro nanjary azon’ireo mpitady ny fahamarinana, rehefa nikaroka tao amin’ny Soratra Masina foana izy ireo. Hitany fa mety maty ny fanahy, ary ny tsy fahafatesana dia fanomezana ho an’ireo hiara-mandova ny Fanjakan’i Kristy any an-danitra. (Ezek. 18:20; Rom. 2:6, 7) Nanomboka takany koa ireto: fampianarana momba ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy sy ny zavatra azon’ny olona atao ho vokatr’izany. (Matio 20:28) Na dia tonga nofo teto an-tany aza i Jesosy, dia tsy ho hita maso izy rehefa hiverina, satria fanahy. (Jaona 14:19) Tsy ny handringana ny olona rehetra no hiverenan’i Jesosy, fa ny hitahy ny fianakaviana mpankatò eto an-tany kosa. (Gal. 3:8) Hoy i Russell: “Tena nalahelo izahay noho ny fahadisoan’ny Advantista, izay nanantena hahita indray an’i Kristy mitafy nofo, sy nampianatra fa hodorana daholo izao tontolo izao, ankoatra ny Advantista.”

Nisy fahamarinana takatr’io antokona mpianatra ny Baiboly io, ka nialany ireo fampianaran’ny mpanompo sampy tafiditra teo anivon’ny Kristianisma nandritra ny fivadiham-pinoana. Tsy nisy olona nanampy an’i Russell sy ny namany hahatakatra ny fahamarinana ara-baiboly ve anefa?

Fanampian’ny olon-kafa

Resahin’i Russell foana ny fanampian’ny olona azy hianatra Baiboly. Nekeny fa nanampy azy i Jonas Wendell, advantista, sady nolazainy koa ny momba ny olona roa hafa nanampy azy. Hoy i Russell momba azy ireo: “Nitarika tsikelikely ho amin’ny ahitra maitso kokoa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra niaraka tamin’ireo rahalahy malala ireo.” Iray tamin’izany i George Stetson, izay nazoto nianatra Baiboly sady pasiteran’ny Advantista tany Edinboro, Pennsylvanie.

Mpampanonta ny gazety Mpandinika Baiboly (anglisy), teto Brooklyn, New York, kosa i George Storrs. Teraka tamin’ny 13 Desambra 1796 izy, ary izay lazain’ny Baiboly momba ny maty no nahaliana azy voalohany. Namaky zavatra (tsy fantatra ny mpanoratra azy tamin’ny voalohany), nosoratan’i Henry Grew (avy any Philadelphie, Pennsylvanie), mpandinika Baiboly mantsy izy. Nanjary mpanohana an’ilay hevitra nantsoina hoe tsy fahafatesana misy fepetra i Storrs. Toy izao izany hevitra izany: mety maty ny fanahy, ary fanomezana ho an’ ny Kristianina mahatoky ny tsy fahafatesana. Nilaza koa izy fa tsy misy ny fampijaliana mandrakizay, satria tsy manana tsy fahafatesana ny ratsy fanahy. Nanao dia lavitra matetika i Storrs, ary nanao lahateny momba io foto-kevitra io. Anisan’ny bokiny natonta ny Toriteny Enina (anglisy), ka nisy 200 000 no nozaraina tamin’io. Nisy vokany tsara teo amin’i Charles Russell tanora ny hevitra ara-baiboly naroson’i Storrs momba ny fanahy mety maty sy ny fanavotana ary ny famerenana amin’ny laoniny (famerenana ny very noho ny fahotan’i Adama; Asa. 3:21).

Nisy lehilahy iray hafa koa nanan-kery lehibe teo amin’ny fiainan’i Russell, ka nahatonga fitsapana ny tsy fivadihany tamin’ny fahamarinana.

Faminaniana momba ny fotoana sy fanatrehan’ny Tompo

Nahazo iray tamin’ilay gazety ara-pivavahana hoe Mpanambara ny Maraina i Russell, 23 taona, indray maraina tamin’ny Janoary 1876. Hitany tamin’ny sary teo amin’ny fonony fa an’ny Advantista izy io. I Nelson Barbour, avy any Rochester, New York, no mpanoratra azy io, ary nino izy fa tsy ny handringana ny fianakaviana eto an-tany no antony hiverenan’i Kristy, fa ny hitahy azy ireo. Tsy ho hita maso izy rehefa hiverina, fa ho fanahy. Izany tokoa no efa ninoan’i Russell sy ny namany tany Allegheny, efa elaela izao! b Nahagaga anefa fa nino i Barbour, rehefa nandinika ny faminaniana momba ny fotoana, fa efa nanatrika i Kristy (tsy hita maso), ary efa tokony hangonina ny “vary” (Kristianina marina ho lasa anisan’ilay Fanjakana).—Matio, toko 13.

Tsy niresaka ny faminaniana momba ny fotoana i Russell. Nanontany tena anefa izy izao hoe: “Tsy noraharahaiko hatramin’izay ny faminaniana momba ny fotoana, satria tsy mety ny fampiasan’ny Advantista azy. Sao dia mba io anefa no hanondro hoe rahoviana ny Tompo, izay hanatrika amin’ny fomba tsy hita maso, no hanorina ny Fanjakany?” Tena nangetaheta fahamarinana ara-baiboly i Russell, ka tsy maintsy nianatra bebe kokoa. Nataony àry izay hihaonana tamin’i Barbour, tany Philadelphie. Nohamafisin’io fivoriana io fa niray hevitra momba ny fampianarana maromaro ao amin’ny Baiboly, izy ireo, sady afaka hifanakalo hevitra tsara. Hoy i Russell, tatỳ aoriana: “Betsaka ny zavatra nianarany tamiko momba ny famerenana amin’ny laoniny, miorina amin’ny fahafenoan’ny vidim-panavotana nomena ny rehetra. Nianarako avy taminy koa anefa ny momba ny fotoana.” Noresen’i Barbour lahatra i Russell, ka nino fa efa nanatrika tamin’ny fomba tsy hita maso i Kristy, nanomboka tamin’ny 1874. c

“Tapa-kevitra ny hiezaka mafy ho an’ny Fahamarinana”

Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny finoany foana i C. Russell. Tapa-kevitra ny hilaza izy fa efa nanomboka nanatrika i Kristy, satria nino izany izy. Hoy izy, tatỳ aoriana: “Fantatro fa efa tao anatin’ny fotoana fijinjana isika, hany ka vao mainka vonona hilaza ny Fahamarinana aho. Tapa-kevitra ny hiezaka mafy ho an’ny Fahamarinana àry aho.” Nahenany ny varotra nataony, mba hifantohany tamin’ny fitoriana.

Namaly ny hevi-diso momba ny fiverenan’ny Tompo i Russell, ka namoaka an’ilay trakta hoe Ny Zava-kendren’ny Fiverenan’ny Tompontsika sy ny Fomba Fisehony, tamin’ny 1877. Niara-namoaka an’ilay boky 196 pejy hoe Tontolo Telo sy ny Fijinjana An’ity Tontolo Ity i Barbour sy Russell, tamin’io taona io. Niresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny sy ny faminaniana momba ny fotoana izy io. Efa nisy boky niresaka momba ireo foto-kevitra ireo, fa tamin’i Russell kosa, dia io no boky “voalohany nanakambana ny famerenana amin’ny laoniny sy ny faminaniana momba ny fotoana.” Nolazain’izy io fa nanomboka nanatrika tamin’ny fomba tsy hita maso i Jesosy Kristy tamin’ny faramparan’ny 1874.

Rehefa nanao dia lavitra sy nitory i Russell, dia hitany fa nila novelomina sy notondrahana ny voan’ny fahamarinana nafafiny. Tamin’ny fomba ahoana? “Tamin’ny alalan’ny gazety mivoaka isam-bolana”, hoy izy. Nanapa-kevitra àry izy sy Barbour fa hamerina hamoaka ny Mpanambara ny Maraina, izay efa nijanona noho ny tsy fisian’ny vola sy ny mpanao famandrihana. Nanome vola hamelomana an’ilay gazety i Russell, ka lasa anisan’ny mpanoratra tao amin’izy io.

Nandeha tsara ny zava-drehetra, hatramin’ny 1878.

Nandao an’i Barbour i Russell

Nisy lahatsoratra nosoratan’i Barbour, nivoaka tao amin’ny Mpanambara ny Maraina Aogositra 1878. Nolazainy tao fa tsy mahasolo na inona na inona ny fahafatesan’i Kristy. Mbola zandrin’i Barbour 30 taona latsaka kely i Russell. Tsapany anefa fa fandavana ny ampahany lehibe amin’ny vidim-panavotana izany. Ny nomerao nanaraka an’io avy hatrany (Septambra 1878) dia namoaka lahatsoratra hoe “Ilay Fanavotana” izy, mba hanohanana ny vidim-panavotana sy hanoherana ny tenin’i Barbour. Nitohy nandritra ny volana vitsivitsy izany famoahana lahatsoratra nifanohitra izany. Nanapa-kevitra ny tsy hiaraka intsony tamin’Atoa Barbour i Russell, ary tsy nanohana ara-bola an’ilay gazety intsony.

Tsy ampy tamin’i C. Russell anefa izany, fa tsy maintsy narovany koa ny fampianarana momba ny vidim-panavotana, ary tsy maintsy notorina ny momba ny fanatrehan’i Kristy. Nanomboka namoaka Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy àry izy, tamin’ny Jolay 1879. d Izy no mpanoratra sy mpampanonta an’ilay gazety, niaraka tamin’ny olona dimy hafa notononina tao. Nisy 6 000 no natao pirinty voalohany, ary 50 000 teo ho eo kosa izany tamin’ny 1914.

“Tsy vaovao akory, na anay, fa an’ny Tompo”

Nampiasain’i C. Russell Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa, mba hanohanana ny fahamarinana sy hanaporofoana ny fahadisoan’ireo fampianarana sy hevitr’olona mifanohitra amin’ny Baiboly. Tsy nihambo ho nahita fahamarinana vaovao anefa izy.

Maro ny mpitondra fivavahana sy manam-pahaizana momba ny Baiboly, tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nampiseho fa diso ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty sy ny fampijaliana ny ratsy fanahy mandrakizay. Milaza tsipiriany momba izany ilay boky hoe Ny Baiboly sy ny Lovantsofina, nosoratan’i Aaron Ellis, ary natao pirinty tany Angletera tamin’ny voalohany, fa nataon’i George Storrs pirinty teto Etazonia kosa, tamin’ny 1853. I C. Russell sy ny namany anefa no nanao be indrindra mba hampahafantarana izany fahamarinana izany.

Ary ireo foto-pampianarana noresahin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa? Moa ve i Russell nihambo ho olona voalohany nahita ireny fahamarinana ireny? Hoy izy: “Efa taonjato maro no nisy antokom-pivavahana samihafa nizarazara an’ireo foto-pampianaran’ny Baiboly, ka nampiany hevitra sy fahadisoan’olombelona izany ... Ireto avy no zavatra hitanay: fampianarana lehibe momba ny fanamarinana noho ny finoana, fa tsy ny asa, araka ny nolazain’i Luther mazava, sy ny Kristianina maro hafa vao haingana; arovan’ny Presbyterianina tsara ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny sy ny heriny ary ny fahendreny, na dia tsy azony tsara aza; noderain’ny Metodista sady takany ny fitiavana sy famindram-pon’Andriamanitra; nohazonin’ny Advantista tsara ny fampianarana momba ny fiverenan’ny Tompo; marina ny fijerin’ny Batista [ankoatra ny zavatra hafa] hoe zavatra tsy ara-bakiteny ny batisa, na dia tsy nifantohany aza ilay tena batisa; miresaka ambangovangony momba ny ‘famerenana amin’ny laoniny’ koa ny sasany amin’ireo mino ny famonjena ny olona rehetra. Hita àry fa toa nitady ny fahamarinana ny ankamaroan’ireo nanorina fivavahana. Tena niady tamin’izy ireo anefa ilay Fahavalo lehibe, ka nozarazarainy ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy azony nopotehina tanteraka.”

Hoy i Russell, momba ny daty manan-tantara noresahiny matetika: “Rehefa miteny izahay hoe ‘anay’ ilay daty, dia midika fotsiny izany hoe ampiasainay ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara, izay an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra manaiky izany. Efa ela be talohanay no nisy nampiasa azy ireny, sahala amin’ireo faminaniana ampiasainay izao, izay efa nampiasain’ny Advantista ho amin’ny zava-kendrena hafa. Toy izany koa ireo foto-pampianarana tohananay. Na dia toa vaovao sy hafa aza izy ireny, dia efa nisy nanohana taloha ela, anisan’izany ny Fifidianana, Fahasoavana Maimaim-poana, Famerenana Amin’ny Laoniny, Fanamarinana, Fanamasinana, Fanomezam-boninahitra, ary Fitsanganana Amin’ny Maty.”

Ahoana àry no niheveran’i Russell sy ny namany ny anjara asany teo amin’ny fampahafantarana ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina? Hoy izy: “Ny asanay ... dia ny manakambana an’ireo sombim-pahamarinana niparitaka hatry ny ela, ka mampiseho izany amin’ny vahoakan’ny Tompo. Tsy vaovao akory, na anay, fa an’ny Tompo. ... Tsy izahay mihitsy no nahita sy nandamina indray an’ireny fahamarinana sarobidy ireny.” Hoy koa izy: “Tsy vaovao ny asa tian’ny Tompo hampiasana ny talenta kelinay, fa fanamboarana sy fanitsiana ary fandrindrana kosa.”

Tsy nieboebo tamin’ny zava-bitany tokoa i Russell. Tsy nahitana intsony an’ireo fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty anefa ireo “sombim-pahamarinana” nangoniny sy nasehony tamin’ny vahoakan’ny Tompo, na dia efa tafalentika tao amin’ny Kristianisma Anarana aza izany, vokatry ny fivadiham-pinoana. I Russell sy ny namany no tena nilaza maneran-tany ny dikan’ny fiverenan’ny Tompo sy ny fikasan’Andriamanitra momba izany.

‘Mifampahery amin’ny finoana masina indrindra’

Maro ny olona tso-po nandray haingana ny fahamarinana nolazain’i C. Russell sy ny namany, tamin’ny alalan’ny boky sy lahateny. Mbola latsaka ny 30 taona i Russell, fa vetivety dia hitany hoe tokony hifankahafantatra amin’ny mpiray finoana sy hifampahery ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana. Niara-nivory tsy tapaka ny Mpianatra ny Baiboly tany Pittsburgh, nefa ahoana no hanampiana ireo mpamaky tany an-toeran-kafa?

Naseho tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey sy Jona 1880 ny valiny. Nolazain’i Russell tao ny fikasany hitsidika tanàna maro tany Pennsylvanie, New Jersey, Massachusetts, ary New York. Nahoana? Hoy ilay filazana: “Miparitaka be ireo mpamaky, ka 2 na 3, na hatramin’ny 50 no ao amin’ny toerana iray. Tsy mifankahafantatra izy ireo any amin’ny toerana maro, ka tsy mifampahery araka ny nanaovan’ny Raintsika azy hoe tokony ‘hiara-mivory tsy tapaka araka ny fanaon’ny sasany.’ Tiany raha ‘mifampahatanjaka isika’, ary mifampahery amin’ny finoana masina indrindra. Antenainay fa hanjary hifankahafantatra kokoa ny olona, rehefa miara-mivory.”—Heb. 10:24, 25.

Natao nandritra ny fitsidihan’i Russell ireo ‘fiaraha-mivory’, ary tena nahomby, satria nifanatona ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy ela, dia nisy antokona mpianatra Baiboly na eklesia (fiangonana) niforona, vokatr’ireny fitsidihana “antokon’olom-bitsy efa niandry” ireny, tany amin’ireo toerana voalaza ireo sy tany Ohio ary Michigan. Nampirisihina hivory tsy tapaka izy ireny. Fivoriana nanao ahoana anefa no hataony?

Fanaon’ilay antokon’olona tany Pittsburgh ny nivory indroa isan-kerinandro, fara fahakeliny. Nisy olona mahay, nanao lahateny, angamba tao amin’ny trano nohofana. Hafa kosa ireo fivoriana natao tany an-tranon’olona, satria nasaina hitondra Baiboly, fizahan-teny sy taratasy ary pensilihazo ny rehetra, ary nasaina handray anjara.

Nampahery ireny fiarahana ara-panahy nandritra ny fivoriana isan-kerinandro ireny, fa tsy toy ny fiarahana mangatsiatsiaka mandritra ny fotoam-pivavahana any amin’ny Kristianisma Anarana. Tsy i Russell sy ny namany anefa no voalohany nanao fivoriana tsy tapaka. Efa fanaon’ny Kristianina voalohany izany, na dia tany an-tranon’olona aza.—Rom. 16:3, 5; Kol. 4:15.

“Mitory ve ianao?”

Nino mafy i C. Russell sy ny namany fa fotoana fijinjana tamin’izany, ka tokony handre ny fahamarinana manafaka azy ny olona. Vitsy anefa izy ireo. Nanampy betsaka Ny Tilikambo Fiambenana, nefa nisy zavatra hafa azo natao ve? ‘Eny’, hoy i Russell sy ny mpiara-miasa taminy. Nanomboka namoaka ny Trakta ho An’ny Mpianatra ny Baiboly (Teolojia Taloha, Mivoaka Isan-telo Volana, tatỳ aoriana) izy ireo, tamin’ny 1880, ary nomena an’ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana izany mba hozarainy tamin’ny olona.

Nampirisihina àry ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana mba hitory ny fahamarinana nianarany. Nanontany Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jolay-Aogositra 1881 hoe “Mitory ve ianao?” Tena zava-dehibe ve ny fitoriana? Hoy ihany ilay lahatsoratra: “Inoanay fa ny mpitory ihany no ho anisan’ny ondry vitsy. ... Nantsoina tokoa isika mba hiara-mijaly aminy sy hitory izany vaovao tsara izany, ary ho avy ny fotoana hanomezam-boninahitra antsika, sy hahatanteraka ny zavatra torintsika. Tsy nantsoina isika, sady tsy voahosotra mba handray voninahitra sy hangoron-karena, fa mba handany sy holanina, ary hitory ny vaovao tsara.”

Rariny raha tena te hitory ny vaovao tsara ireo Mpianatra ny Baiboly voalohany ireo. Nirahina hitory ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola andraikitry ny tena Kristianina rehetra ankehitriny izany. (Matio 24:14; 28:19, 20; Asa. 1:8) Inona anefa no zava-nokendren’ny fitorian’i Russell sy ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana? Ny hizara boky ara-baiboly na hilaza ny fahamarinana amin’ireo mpiangona fotsiny ve?

“Tsy maintsy miala aminy ianareo”

Efa ela ny Baiboly no nilaza hoe “mivoaha ao aminy, ry oloko.” Amin’iza? Amin’i “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” (Apok. 17:5; 18:4) Nahoana? Satria “efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny tsy rariny nataony.” (Apok. 18:5) Iza io renin’ny mpivaro-tena tokony hialan’ny olona io?

Nolazain’i Martin Luther sy ny mpitarika ny Fanavaozana hafa, fa ny Eglizy Katolika sy ny papa no Babylona Lehibe. Ary ireo fivavahana protestanta nipoitra taorian’ny Fanavaozana? Marina fa tsy nankasitrahan’izy ireo ny fahefan’ny papa. Tsy tena samy hafa amin’ny rafitry ny fivavahana katolika anefa ny azy ireo, ary mbola narahiny koa ireo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina, toy ny Andriamanitra telo izay iray, fanahy tsy mety maty, ary fampijaliana mandrakizay. Nisy mpitory ny filazantsara àry nampirisika ny olona hiala tamin’ny Eglizy Katolika sy Protestanta koa.

Takatr’i C. Russell sy ny namany koa fa tsy ny Eglizy Katolika ihany io vehivavy mpivaro-tena io. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Novambra 1879 fa “ny RAFITRA momba ny papa” io Babylona Lehibe io, nefa hoy koa ilay lahatsoratra: “Tsy maintsy lasa lavitra kokoa isika, ka hampidirintsika ho namany koa (tsy ny mpiangona tsirairay) ny fiangonana hafa miaraka amin’ireo Fanjakana eto an-tany. Milaza ho virjiny madio vadin’i Kristy ny fiangonana rehetra, nefa miaraka amin’izao tontolo izao (bibidia) sady tohanany, ka tsy maintsy helohintsika, satria fiangonana mpivaro-tena, araka ny ilazan’ny Soratra Masina azy.”

Nampirisihina hanao inona àry ireo mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana? Hoy i Russell: “Raha mijangajanga amin’izao tontolo izao ny fiangonana misy anareo, dia tsy maintsy miala aminy ianareo, raha tianareo ho fotsy foana ny akanjonareo.” Tsy takatr’i Russell sy ny namany tsara ny herin’i Babylona Lehibe tamin’izany. Nampirisihina anefa ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana mba hiala tamin’ny fiangonana ratsy sy naman’izao tontolo izao.—Jaona 18:36.

“Tonga dia nambabo ahy ny fahamarinany”

Nandroso be ny fanambarana ny fahamarinana, tamin’ny 1886, rehefa navoaka ny boky voalohany tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona, nosoratan’i C. Russell. Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra no lohatenin’ilay Boky I. Niresaka foto-kevitra 16 izy io, anisan’izany ny hoe “Voaporofo fa Misy Mpamorona Tena Mahay”, “Ny Baiboly, avy Amin’Andriamanitra, Dinihina Amin’ny Fahazavan’ny Fahaizana”, “Fiverenan’ny Tompontsika—Hamerina ny Zava-drehetra Amin’ny Laoniny no Zava-kendreny”, ary “Ny Famelana ny Ratsy Hisy sy ny Ifandraisany Amin’ny Fandaharan’Andriamanitra.” Nanoratra boky dimy tamin’io Fiandohan’ny Arivo Taona io i C. Russell, tamin’ny farany. e

Maty i Russell, talohan’ny nahavitan’ilay andiany fahafito tamin’io boky io. Maro anefa ny olona tso-po nahita ny fahamarinana, vokatr’ireo boky enina efa niparitaka be. Hoy ny vehivavy iray, tamin’ny 1889: “Vao haingana no voaraiko ireo bokinareo hoe FIANDOHAN’NY ARIVO TAONA, ary io no voalohany novakiko tamin’ny karazam-boky toa azy. Asabotsy hariva no nahazoako azy io. Tsy nitsahatra namaky azy hatramin’ny farany aho nanomboka tamin’izay, raha tsy rehefa voatery ihany. Tonga dia nambabo ahy ny fahamarinany. Lazaiko etoana fa niala tamin’ny Fiangonana Presbyterianina aho. Efa ela aho no nitsapatsapa ny fahamarinana tao, nefa tsy nahita.”

Tena nitaky fahasahiana ny fialana tamin’ny fiangonana tamin’izany. Mampiseho izany ny nanjo ny vehivavy iray tany Manitoba, any Kanada, izay nahazo ny Fiandohan’ny Arivo Taona tamin’ny 1897. Niezaka nijanona tao amin’ny fiangonany izy, tamin’ny voalohany, sady nampianatra sekoly alahady. Tapa-kevitra ny hiala anefa izy, tamin’ny 1903. Nitsangana izy, ka nilaza tamin’ny mpanatrika rehetra ny antony tsy maintsy ialany amin’ilay fiangonana. Niezaka nandresy lahatra azy ny mpifanolo-bodirindrina taminy (tena tian’ny olona tany amin’ny tanàna kely tamin’izany). Tsy niova hevitra anefa izy, na dia tsy nisy fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly aza teny akaikiny. Hoy ny zanany, tatỳ aoriana: “Tsy nanana mpikarakara fianarana [anti-panahy] nianteherana izy, tsy nisy fivoriana, ary tsy nanana afa-tsy fo torotoro, Baiboly efa tonta, ary vavaka nandritra ny ora maro.”

Fa nahoana no nahasarika ny olona sady nanosika azy handray fanapahan-kevitra hentitra toy izany ny Fiandohan’ny Arivo Taona sy ny Tilikambo Fiambenana ary ireo boky hafa navoakan’ny Fikambanana? Satria hafa noho ny an’ny mpanoratra rehetra tamin’ny androny ny fanazavan’i C. Russell ny Baiboly. Nino izy fa tena Tenin’Andriamanitra izy io, ka tokony hifanaraka ny fampianarana ao anatiny. Koa tokony hohazavaina amin’ny alalan’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly ihany izay andininy sarotra azo ao aminy. Tsy hevitry ny manam-pahaizana na ny an’ny mpanorina fiangonana tamin’ny androny, no nanohanany ny fanazavany. Hoy izy tao amin’ny Boky I amin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona: “Mino izahay fa fahadisoana mpitranga ankehitriny sy hatramin’izay ny hoe mino fampianarana iray ny olona, satria nanao izany ny olon-kafa natokisany. ... Tokony hesorin’ny mpitady fahamarinana tsy ho ao anaty kaopiny ny rano maloton’ny lovantsofina, ka ny Tenin’Andriamanitra, loharanon’ny fahamarinana, no hamenoany azy io.”

Nisy fiovana tsy nampoizina tsy maintsy natao tany Allegheny, rehefa nihamaro ireo mpitady ny fahamarinana nanaiky izay novakiny tao amin’ny bokin’ny Fikambanana.

Tao amin’ny Tranon’ny Baiboly ny foibe

Noheverina fa ireo Mpianatra ny Baiboly tany Allegheny, nanao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana, no za-draharaha indrindra tamin’ny asan’ny Tompo, ary nantenain’ny eklesia rehetra, mba hitari-dalana. Teo amin’ny 101 Fifth Avenue, Pittsburgh, no nisy azy ireo tamin’ny voalohany, ary teo amin’ny 44 Federal Street, Allegheny, avy eo. Nilaina anefa ny trano lehibe kokoa tamin’ny faran’ireo taona 1880, ka nanao izay hanorenana izany i Russell. Novitaina tamin’ny 1889 ny trano biriky nisy rihana efatra, teo amin’ny 56-60 Arch Street, tany Allegheny. Nandaniana 34 000 dolara teo ho eo izy io, ary nantsoina hoe Tranon’ny Baiboly. Tao ny foiben’ny Fikambanana, nandritra ny 19 taona.

An-jatony ireo niaraka tamin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana nokarakarain’ny Tranon’ny Baiboly, tamin’ny 1890. Nihamaro anefa ny olona liana taorian’izay. Araka ny tatitra tsy feno tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tokoa, dia nisy 339 ny toerana nankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 26 Martsa 1899, ary 2 501 ny mpandray anjara. Inona anefa no hanampy an’ireo Mpianatra ny Baiboly ireo hiray saina?

Fampiraisana ny ondry nihamaro

Nampirisihin’i C. Russell ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana rehetra mba hiara-mivory sy hamorona antokon’olona lehibe na kely, mba hifampahery ara-panahy. Nisy torohevitra ara-baiboly nomena tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nirahin’ny foibe koa ny solontenan’ny Fikambanana, mba hifandray hatrany tamin’ireo antokon’olona sy hampahery azy ireny ara-panahy.

Nisy fivoriambe manokana koa natrehin’ny Mpianatra ny Baiboly avy tany amin’ny toerana maro. “FANASANA MANOKANA ity, ho an’ireo mpamaky rehetra afaka ny ho tonga”, hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Martsa 1886. Fa nisy inona? Ny fankalazana isan-taona ny Sakafo Harivan’ny Tompo, natao tany Allegheny ny alahady 18 Aprily 1886. Nisy zavatra hafa nokasaina hatao koa anefa: Fivoriana manokana isan-kariva nandritra ny herinandro taorian’io. Be fitiavana ireo Mpianatra ny Baiboly tany Allegheny, ka nampiantrano maimaim-poana an’ireo mpanatrika hafa. Nisy fivoriana toy izany natao tamin’ny Fahatsiarovana, tany Allegheny nandritra ny taona vitsivitsy taorian’io.

Nisy fivoriambe lehibe kokoa nanomboka natao tamin’ny toerana maro, tamin’ny faramparan’ireo taona 1890. Nanao lahateny matetika tamin’ireny i C. Russell. Nanao ahoana ny nihaino azy?

Hoy i Ralph Leffler, anisan’ny nihaino an’i C. Russell nanao lahateny: “Nanao akanjo ivelany lava foana izy teny ambony lampihazo, ary nanao karavato fotsy. Tsy dia avo feo izy, ary tsy nampiasa mikrô na fanamafisam-peo, satria mbola tsy nisy tamin’izany. Re hatrany amin’ny faran’ilay trano foana anefa ny feony. Vitany foana ny nisarika ny olona hihaino azy, nandritra ny adiny iray na adiny roa na adiny telo mihitsy. Niondrika kely tamin’ny mpanatrika foana izy, teo am-panombohana. Tsy nijoro toy ny sarivongana izy rehefa nanao lahateny, fa nihetsika foana ny vatany sy ny tanany, ary niankavia sy niankavanana, na nandroso sy nihemotra izy. Mbola tsy hitako mihitsy izy nitondra taratasy kely, na lahateny vakina, fa ny Baiboly ihany no nentiny sy nampiasainy matetika. Niteny avy tao am-pony izy, ary tena nandresy lahatra. Matetika no latabatra kely ihany no teo ambony lampihazo tamin’izany, ary Baiboly sy fitoeran-drano ary vera hisotroan’ilay mpandahateny tsindraindray no teo amboniny.”

Nisy fiarahana nahafinaritra sy fampaherezana ara-panahy tamin’ireny fivoriambe ireny. Nampiray saina ny Mpianatra ny Baiboly izy ireny, ary nanaparitaka ny fahamarinana ara-baiboly. Hita tamin’ny faramparan’ireo taona 1890 fa betsaka ny zavatra tokony hatao hiresahana ny fahamarinana, nefa mbola vitsy ihany ireo Mpianatra ny Baiboly. Nisy fomba hiresahana tamin’ny olona an-tapitrisany ve, ka hampiasana ireo fitaovana nisy tamin’izany? Nisy tokoa!

Nisokatra ny “fitoriana an-gazety”

Nampiasaina be teo amin’izao tontolo izao ny telegrafy, tamin’ny faran’ny taonjato faha-19. Tsy lafo ny fifandraisana tamin’ny alalan’izy io, sady haingana, ary nanova ny fampahalalam-baovao izy io. Niampita haingana tany amin’ny toerana lavitra ny vaovao, ary natao pirinty tamin’ny gazety. Hitan’i C. Russell sy ny namany, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, fa fomba nahomby hahatratrarana olona maro ny gazety. Hoy i Russell, tatỳ aoriana: “Nanjary zava-dehibe teo amin’ny fiainan’ny olo-mandroso isan’andro ny gazety.”

Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1904 fa niseho tao amin’ny gazety telo ny lahatenin’i C. Russell. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana nanaraka an’io, teo ambanin’ny lohateny hoe “Fitoriana An-gazety”: “Niparitaka lavitra sy akaiky àry ny lahateny an-tapitrisany, ary nisy vokany tsara ny sasany taminy. Raha sitrapon’ny Tompo, dia ho faly isika hahita an’io ‘varavarana’ io hisokatra hatrany, na hidanadana mihitsy aza.” Nidanadana kokoa hatrany ny varavaran’ny “fitoriana an-gazety.” Notombanana fa 15 000 000 no namaky ny lahatenin’i Russell nivoaka tao amin’ny gazety 2 000, tamin’ny 1913!

Ahoana anefa no nahavitan’i Russell namoaka lahateny isan-kerinandro, rehefa nanao dia lavitra izy? Nalefany telegrafy isan-kerinandro tamin’ny mpanangom-baovao ny lahateniny (tsanganana roa eo ho eo amin’ny gazety). Io mpanangom-baovao io indray kosa no nandefa telegrafy an’ilay izy ho amin’ny gazety eran’i Etazonia sy Kanada ary Eoropa.

Tena nino i Russell fa nosokafan’ny Tompo nidanadana ilay varavaran’ny fitoriana an-gazety. Tamin’ny alalan’ireny lahateny ireny no nahalalana betsaka ny hafatra ara-baiboly nampitain’i Russell sy ny namany, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Hoy ny Ilay Kontinanta (anglisy), momba an’i Russell: “Ny zavatra nosoratany no nivoaka an-gazety isan-kerinandro be indrindra, noho ny an’ny olon-kafa rehetra. Mbola niparitaka kokoa ny azy, raha oharina amin’ny asa soratry ny pretra sy mpitory teny rehetra atỳ Amerika Avaratra.”

Nifindra ho eto Brooklyn

Nandroso be ny fitoriana an-gazety, ka nitady toerana hafa hamoahana an’ireo lahateny ny Mpianatra ny Baiboly. Nahoana? Nanjary kely loatra ilay Tranon’ny Baiboly tany Allegheny. Noheverina koa fa hivoaka amin’ny gazety maro kokoa ny lahatenin’i Russell, raha tanàna lehibe sy fantatra kokoa no amoahana azy. Aiza anefa ilay tanàna? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1908: “Niara-nanapaka izahay rehetra, rehefa nitady ny fitarihan’Andriamanitra, fa i Brooklyn, New York, no toerana mety indrindra hatao foiben’ny asa fijinjana mandritra ireo taona vitsy sisa tavela. Be mponina amin’ny fari-piainana antonony ao, sady antsoina hoe ‘Tanànan’ny Fiangonana’ koa ilay tanàna.”

Nirahina ho eto New York àry ny solontena maromaro, tamin’ny 1908, anisan’izany i Joseph Rutherford mpahay lalàna. Hanao inona? Hividy trano efa nojeren’i C. Russell taloha. Novidin’izy ireo ilay trano tranainy atao hoe “Betelan’i Plymouth”, teo amin’ny 13-17 Hicks Street, teto Brooklyn. Nampiasain’ny Fiangonana Kongregasionaly tany Plymouth izy io, ary i Henry Ward Beecher no pasiterany taloha. Novidin’ireo solontenan’ny Fikambanana koa ny trano nipetrahan’i Beecher teo aloha. Nisy rihana efatra io trano vita amin’ny vato volontsôkôlà io, ary teo amin’ny 124 Columbia Heights no nisy azy.

Nohavaozina ilay Betelan’i Plymouth, ary novana hoe Tranolain’i Brooklyn ny anarany. Biraon’ny Fikambanana sy efitrano lehibe iray no tao. Namboarina be koa ny tranon’i Beecher teo aloha, ary natao hipetrahan’ireo mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana. Inona no hiantsoana azy io? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1909: “Hantsointsika hoe ‘Betela’ [midika hoe “Tranon’Andriamanitra”] ilay trano vaovao.” f

Nandroso be ny “fitoriana an-gazety”, taorian’ny nifindrana ho eto Brooklyn. Tsy io ihany anefa no fomba hahatratrarana olona maro be.

Fanitarana ny fitoriana ny vaovao tsara

Nanomboka asa fampianarana lehibe mbola tsy nisy toy izany i Russell sy ny namany, tamin’ny 1912. Hahatratra olona an-tapitrisany eran-tany izany. Izany dia ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Sarimihetsika izy io, miaraka amin’ny fampisehoana sary tsy mihetsika sy mozika noraisim-peo ary lahateny amin’ny diska grafofaonina. Naharitra adiny valo izy io, ary nozaraina inefatra ny fampisehoana azy. Teo koa ny “Eurêka-Drame”, izay nandefasana ny lahateny sy ny mozika, na ireo fandraisam-peo miampy sary tsy mihetsika. Tsy nisy sarimihetsika izy io, nefa tsara ny vokany tany amin’ireo tanàna vitsy mponina.

Eritrereto ny zava-nitranga: Mbola tsy nisy feo ny sarimihetsika g tamin’ny Janoary 1914, nefa nisy olona 5 000 tao amin’ilay trano antsoina hoe Ilay Tempoly, teo amin’ny West 63rd Street, teto New York. Mbola maro noho izany ny olona nosakanam-potsiny. Inona no anton’izany? Voalohany tamin’izay no nalefa teto New York ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”! Nisy lamba lehibe fandefasana sarimihetsika teo anoloana. Nisy zavatra tena nahagaga rehefa nijery sy nihaino izy ireo. Nipoitra teo amin’ilay lamba i C. Russell, 60 taona teo ho eo tamin’izay. Nanomboka nihetsika ny molony, ary re ny feony! Nitohy ilay fampisehoana, ka nampitaina tamin’ny teny sy sary miloko ary mozika, ny famoronana ny tany ka hatramin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nisy zavatra hafa nahagaga ny mpijery koa hitany (sary nampifandimbiasina haingana), dia ny fisokafan’ny felam-boninkazo sy ny fahafoizan’ny atody. Tena gaga izy ireo!

Olona an-tapitrisany no nahita ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, nanerana an’i Amerika Avaratra, Eoropa sy Nouvelle-Zélande ary Aostralia, tamin’ny faran’ny 1914. Tena nahatratrarana olona maro be tao anatin’ny fotoana fohy izy io.

Ahoana kosa ny amin’ny Oktobra 1914? Efa am-polony taona i Russell sy ny namany no nilaza fa hifarana tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa. Maro ny zavatra nandrasana. Nokianin’i C. Russell ireo nametra daty hiverenan’i Kristy, toa an’i William Miller sy ny Advantista sasany. Vao niaraka tamin’i Nelson Barbour anefa izy, dia nino tanteraka fa misy fandaharan-taona marina, miorina amin’ny Baiboly, ary tondroin’izy io fa ny 1914 no hifarana ny Andron’ny Jentilisa.

Nanatona ilay taona nanan-tantara, ka maro ny zavatra nantenain’ireo Mpianatra ny Baiboly. Tsy ny zavatra rehetra nandrasan’izy ireo anefa no voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina. Inona no hitranga?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1906, p. 229.

b Tsy i Barbour na i Russell no nanazava voalohany hoe tsy ho hita maso i Kristy rehefa hiverina. Efa nanoratra Atoa Isaac Newton (1642-1727) fa hiverina sy hanjaka i Kristy, nefa “tsy ho hitan’ny olona.” Niresaka momba ny fiverenan’i Kristy misy ambaratonga roa i Joseph Seiss, pasitera loteranina, tany Philadelphie, Pennsylvanie, tamin’ny 1856: pa·rou·siʹa, na fanatrehana tsy hita maso ny voalohany, harahin’ny fisehoana hita maso. Namoaka ny Emphatic Diaglott i Benjamin Wilson, tamin’ny 1864, ka ny dikan-teny teo amin’ny andalana nisy ny hoe pa·rou·siʹa, dia nataony hoe “fanatrehana”, fa tsy “fiaviana.” Niresaka izany hevitra izany tamin’i Barbour sy ny namany i B. Keith, naman’i Barbour.

c Natonta tatỳ aoriana ny fahatakarana mazava kokoa ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Jereo ny Toko 10 hoe “Nitombo ny Fahalalana Marina Tsara ny Fahamarinana.”

d Tsy i Russell na ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mampiasa ny hoe “Tilikambo Fiambenana.” Namoaka boky i George Storrs, tamin’ireo taona 1850, ka ny lohateniny dia hoe Ny Tilikambo Fiambenana: Na, ny Olona Rehefa Maty; ary ny Fanantenana Fiainana ho Avy. Anisan’ny lohatenin-gazety ara-pivavahana samihafa koa izy io. Ilay hoe “Tilikambo Fiambenana” dia milaza fa tokony hiambina ny olona, eo am-pijerena ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra.—Isaia 21:8, 11, 12; Ezek. 3:17; Hab. 2:1.

e Ireto avy izany: Boky II: Antomotra ny Fotoana (1889); Boky III: Ho Tonga Anie ny Fanjakanao (1891); Boky Faha-4: Ilay Andro Famaliana (1897, nantsoina hoe Ny Ady Hara-magedona tatỳ aoriana); Boky Faha-5: Fampihavanana ny Olona Amin’Andriamanitra (1899); Boky Faha-6: Ny Zavaboary Vaovao (1904). Rehefa novana ho Fianarana ny Soratra Masina ny anaran’ny Fiandohan’ny Arivo Taona, dia nantsoina hoe “Andiany I” ny Boky I, “Andiany II” ny Boky II, ary toy izany hatrany. Voafetra ireo natao pirinty tamin’ilay lohateny hoe Fianarana ny Soratra Masina, natao nanomboka ny Oktobra 1904 tany ho any, ary tamin’ny 1906 vao be mpampiasa io anarana vaovao io.

f Novidina tatỳ aoriana ny trano teo akaikin’io, teo amin’ny 122 Columbia Heights, ka nihalehibe ny Trano Betela. Nanampy an’io koa tamin’ny 1911 ny trano tao ambadiky ny Trano Betela, mba hatao trano fonenana.

g Efa nandramana nakambana ihany ny feo sy ny sary mihetsika tamin’izany, nefa tamin’ny Aogositra 1926 vao tena nivoaka izany tamin’ilay hoe Don Juan (misy mozika fa tsy misy olona miteny), sy ilay hoe The Jazz Singer (misy olona miteny), tamin’ny faran’ny 1927.

[Teny notsongaina, pejy 51]

‘Nantsoina hitory ny vaovao tsara’

[Efajoro, pejy 44]

‘Avelao Izy Hiara-maniry Mandra-pahatongan’ny Fotoam-pijinjana’

Inona no nitranga tamin’ny Kristianisma taorian’ny taonjato voalohany? Nolazain’i Jesosy tamin’ny fanoharana fa hofafazan’ny Devoly “tsimparifary” (Kristianina sandoka) eo anivon’ny “vary” (Kristianina marina), “zanak’ilay fanjakana.” Hiara-maniry izy ireo, mandra-pahatongan’ny “fotoam-pijinjana”, dia ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 13:24-30, 36-43) Nanjaka nandritra ny taonjato maro ireo “tsimparifary”, nandritra ny fivadiham-pinoana lehibe, niseho taorian’ny nahafatesan’ny apostoly.

Ary ireo “vary”? Iza no anisan’ny “zanak’ilay fanjakana” nandritra izany fotoana izany? Tsy azontsika antoka ny amin’izany. Matetika no lazaina fa mitovy tanteraka amin’ny vary ilay tsimparifary noresahin’i Jesosy, mandra-pahalehibeny. Amin’izay vao hita fa mainty ny voany sady kely kokoa. Amin’ny “fotoam-pijinjana” koa vao hiavaka mazava ireo Kristianina sandoka sy ireo tena “zanak’ilay fanjakana.” Hoy anefa i Jesosy: ‘Avelao izy hiara-maniry mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana.’ Tsy potika tanteraka mihitsy àry ny tena Kristianisma.

Nisy olona tia fahamarinana foana nandritra ireo taonjato. Anisan’izany ireto: Nanampy tamin’ny fandikana ny Baiboly i John Wycliffe (t. 1330-1384) sy William Tyndale (t. 1494-1536), na dia nety ho novonoina sy nogadraina aza. Nanaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra, sady tsy nino Andriamanitra telo izay iray i Wolfgang Fabricius Capiton (1478-1541), Martin Cellarius (1499-1564), Jean Campanus (t. 1500-1575), ary Thomas Emlyn (1663-t. 1741). Tsy vitan’ny hoe nanaiky ny Baiboly sy tsy nino Andriamanitra telo izay iray i Henry Grew (1781-1862) sy George Storrs (1796-1879), fa nankasitraka ny sorom-panavotan’i Kristy koa.

Na dia tsy azontsika antitranterina aza hoe anisan’ireo “vary” noresahin’i Jesosy ireo olona ireo, dia azontsika antoka fa “fantatr’i Jehovah ny azy.”—2 Tim. 2:19.

[Efajoro, pejy 45]

“Lehilahy Nanam-pahaizana Niavaka” i George Stetson

Nankasitrahan’i C. Russell i George Stetson, avy any Edinboro, Pennsylvanie, sady nolazainy fa nanampy azy hianatra ny Soratra Masina. Maty teo amin’ny faha-64 taonany i Stetson, tamin’ny 9 Oktobra 1879. Nambara tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana”, iray volana taorian’izay ny fahafatesan’i Stetson. Nasehon’izany fa tena nanaja azy i Russell, izay 27 taona tamin’izay. Hoy izy: “Lehilahy nanam-pahaizana niavaka ilay rahalahintsika, ary nolaviny ny haja sy voninahitra teo amin’izao tontolo izao sy ny politika, mba hahafahany hitory momba an’i Kristy.” Nangatahin’i Stetson ny hanaovan’i C. Russell ny lahatenim-pandevenana azy, ka neken’i Russell izany. Hoy i Russell: “Nisy olona 1 200 teo ho eo nanatrika ny fandevenana, ka midika izany fa tena nanaja an’ilay rahalahintsika ny olona.”—“Ny Tilikambo Fiambenana” (anglisy) Novambra 1879.

[Efajoro/Sary, pejy 46]

‘Sady Namana no Rahalahy’ i George Storrs

Nahatsiaro ho tokony hankasitraka an’ i George Storrs, izay zokiny 56 taona, i C. Russell. Maro ny zavatra nianarany taminy, momba ny fahafatesan’ny fanahy. Nangataka àry i Russell mba hiresaka ny toe-pahasalaman’i Storrs, tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana”, rehefa narary mafy i Storrs, tamin’ny faran’ny 1879. Hoy i Russell: “Fantatry ny ankamaroan’ny mpamaky ilay rahalahintsika, izay efa mpampanonta ny ‘Mpandinika Baiboly’, nefa noteren’ny aretina mba hampijanona ny famoahany an’ilay gazetiny.” Araka ny hevitr’i Russell, dia “nanana antony maro hisaorana an’Andriamanitra [i Storrs], noho izy nomena tombontsoa ho lava andro niainana sy nanokana izany ho an’ny Tompo.” Maty tamin’ny 28 Desambra 1879, teo amin’ny faha-83 taonany, i Storrs. Niseho tao amin’ny “Tilikambo Fiambenana” Febroary 1880 ny fampandrenesana ny fahafatesany. Hoy izy io: “Malahelo isika satria namoy namana sy rahalahy ao amin’i Kristy, nefa ‘tsy tahaka ireo tsy manana fanantenana.’ ”

[Sary]

George Storrs

[Efajoro/Sary, pejy 48]

“Avelako ho Anao ny ‘Mpanambara’ ”

Tsy nanohana ny gazety “Mpanambara ny Maraina” intsony i Russell, tamin’ny tapatapaky ny 1879, na dia samy mpampanonta azy io aza izy sy N. Barbour. Nanoratra ho an’i Barbour i Russell, tamin’ny 3 Mey 1879, mba hanazavana izao antony izao: “Nanjary tsy nitovy ny fiheverantsika ny tenin’ny Ray [mahakasika ny hoe mahasolo ve ny vidim-panavotana sa tsia]. Tena manana finoana amim-pahatsorana ianao, ary hitako fa tsy mitovy ny hevitsika, nefa tsy maintsy tarihin’ny fahatakarako ny tenin’ny Ray aho, ka mihevitra fa diso hevitra ianao. ... Tena zava-dehibe sy fototra amiko anefa ilay fahasamihafana, ka na dia tokony ho mpinamana be, toy ireo mpampanonta sy mpanoratra gazety iray, aza isika, dia tsy mety intsony izany. Heveriko àry fa tokony hatsahatra ny fifandraisantsika.”

Nanoratra toy izao indray i Russell tamin’ny 22 Mey 1879: “Avelako ho anao ny ‘Mpanambara.’ Ialako tanteraka izy io, ary tsy mangataka na inona na inona aminao aho ... Iangaviako ianao mba hilaza izany ao amin’ny nomerao manaraka, ary hanala ny anarako ao.” Tsy niseho tao amin’ny anaran’ny mpanoratra mpanampy tao amin’ny ‘Mpanambara’ intsony ny anaran’i Russell, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny Jona 1879.

Namoaka ny “Mpanambara” hatrany i Barbour hatramin’ny 1903. Araka ny voasoratra, dia nitsahatra tamin’io ny fivoahan’io gazety io. Maty tamin’ny 1906 i Barbour.

[Sary]

Nelson Barbour

[Efajoro, pejy 54]

Nahoana Izy no Nantsoina hoe Pasitera

Nantsoin’ny namany hoe Pasitera Russell i Charles Taze Russell. Nahoana? Satria mpiandry ny ondrin’Andriamanitra izy. Milaza ny Efesianina 4:11 fa homen’i Kristy “mpiandry”, na pasitera ny fiangonany. Tena mpiandry ara-panahy ho an’ny fiangonana kristianina tokoa ny Rahalahy Russell.

Mpiandry teo ambanin’i Jesosy Kristy, Lehiben’ny Mpiandry izy, ka nisy fiangonana nanaiky tamin’ny alalan’ny fifidianana fa izy no pasiteran’izy ireo. Tsy izy no niantso ny tenany ho toy izany. Ny fiangonan’i Pittsburgh no nifidy azy voalohany ho pasiterany, tamin’ny 1882. Fiangonana 500 hafa no nifidy azy ho pasiterany taorian’izay, nanerana an’i Etazonia sy Grande-Bretagne.

Fahazaran’ny fiangonana tamin’izany ny nifidy isan-taona izay hitarika azy. Tsy fidin’ny fiangonana ny anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, fa tendren’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa. Tsy ampiasaina ho anaram-boninahitra koa ny hoe “pasitera” na “anti-panahy.”

[Efajoro/Sary, pejy 56, 57]

“Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”

Sary mihetsika sy tsy mihetsika no nakambana tao amin’io fampisehoana io, miaraka amin’ny feo. Miresaka momba ny famoronana ka hatramin’ny faran’ny Arivo Taona izy io.

Fizarana efatra niisa 20, fara fahakeliny, no nomanina, ka nanjary azo naseho tany amin’ny tanàna 80 isan’andro izy io. Tena sarotra ny namita izany. Tsy nety indraindray ny fandaharam-potoanan’ny fiarandalamby. Tsy nahazo trano tamin’ilay daty nilana azy indraindray ny fiangonana. Nisy 9 000 000 anefa ny olona nahita an’io fampisehoana io nanerana an’i Amerika Avaratra sy Eoropa ary Aostralia, tamin’ny faran’ny 1914.

[Sary]

Soratra ho an’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, misy an’ireo lahateny sy sary maro

Teatra nampiasaina isan’andro mba handefasana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”

Chicago

New York

Fandefasana horonan-tsary

Fandefasana sary tsy mihetsika

Diska grafofaonina

Sary tsy mihetsika avy ao amin’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”

Taratasy filazana

[Efajoro, pejy 60]

“Tandremo ny 1914!”

Vao nipoaka ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1914, dia nilaza toy izao ny gazety “Izao Tontolo Izao”, teto New York: “Nahatanteraka faminaniana mahagaga ilay ady mahatsiravina mipoaka any Eoropa. ... ‘Tandremo ny 1914!’, hoy ny mpitory an-jatony nitety tanàna. Anisan’io fivavahana hafahafa [mifandray amin’i Russell ] io ry zareo, ary niakatra sy nidina teto amintsika mba hanambara hoe ‘efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.’ ”—“Gazety Izao Tontolo Izao”, 30 Aogositra 1914.

[Sary, pejy 42]

Charles Taze Russell

[Sary, pejy 43]

Joseph Russell, rain’i Charles, anisan’ireo Mpianatra ny Baiboly tany Allegheny sy niara-niasa akaiky tamin’ny zanany tamin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1897

[Sary, pejy 50]

Nizara trakta an-tapitrisany maro ny Mpianatra ny Baiboly, mba hampisehoana ny fahadisoan’ny fivavahana sy hanazavana ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, ary hanambarana fa taona lehibe ny 1914

[Sary, pejy 52]

Nanoratra ny boky enina tamin’ny “Fiandohan’ny Arivo Taona” (1886-1904), trakta sy bokikely ary “Tilikambo Fiambenana” i C. Russell, nandritra ny 37 taona teo ho eo

[Sary, pejy 53]

Tsy nampiasa taratasy ny Rahalahy Russell rehefa nanao lahateny. Nihetsika foana ny vatany sy ny tanany ary nandehandeha teo ambony lampihazo izy

[Sary, pejy 58]

Notombanana fa 15 000 000 no namaky ny lahatenin’i C. Russell nivoaka tao amin’ny gazety 2 000, tao anatin’ny herintaona