Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 10

Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay

Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay

Efa nisy nanasa anao hivory miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve? Mety hatahotahotra ianao amin’ny voalohany, raha mbola tsy nandeha tany mihitsy. Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Inona no atao any? Maninona no ilaina ilay hoe mivory? Tena mila mankany ve aho?’ Ho hitanao ato amin’ity lesona ity fa manampy anao ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ny fivoriana, sady manampy anao eo amin’ny fiainanao manokana.

1. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miara-mivory?

Noresahin’ny mpanoratra Baiboly iray ny antony lehibe indrindra tokony hiarahana mivory. Izao no nolazainy: “Eo anivon’ny fiangonana lehibe no hiderako an’i Jehovah.” (Salamo 26:12) Hoatran’ny mpanompon’Andriamanitra taloha ihany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena faly izy ireo rehefa miara-mivory. Mivory isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany mba hidera an’Andriamanitra sy hihira ary hivavaka. Manao fivoriambe vitsivitsy koa izy ireo isan-taona.

2. Inona ny zavatra hianaranao rehefa manatrika fivoriana ianao?

Avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra ampianarina any am-pivoriana, ary ‘hazavaina mazava tsara’ izy io any. (Vakio ny Nehemia 8:8.) Hahafantatra tsara an’i Jehovah sy ny toetrany ianao raha manatrika fivoriana. Hifandray kokoa aminy ianao satria ho hitanao hoe tena tia anao izy. Ho hitanao any koa hoe manampy anao ho sambatra izy dieny izao.​—Isaia 48:17, 18.

3. Nahoana no afaka manampy anao ny olona miara-mivory aminao?

Mampirisika antsika i Jehovah hoe tokony “hifampiahy [isika] mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.” (Hebreo 10:24, 25) Rehefa manatrika ny fivorianay ianao, dia ho hitanao fa tena be fitiavana ny olona any sady te hahafantatra tsara an’Andriamanitra hoatr’anao koa. Haheno an-dry zareo hiresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly ianao. (Vakio ny Romanina 1:11, 12.) Hanampy anao koa ny miresaka amin’ny olona any, satria mety ho efa niatrika olana hoatran’ny anao ry zareo. Antony vitsivitsy fotsiny ireo ahitana hoe tian’i Jehovah hivory foana isika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe hoatran’ny ahoana ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana no handray soa ianao raha miezaka manatrika an’ilay izy.

4. Ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Niara-nivory foana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mba hanompo an’i Jehovah. (Romanina 16:3-5) Vakio ny Kolosianina 3:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana no nataon’ireo Kristianina voalohany rehefa nivory izy ireo?

Miara-mivory foana koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao. Hoatran’ny ahoana ny fivorian’izy ireo? Alefaso ilay VIDEO. Jereo avy eo ilay sarina fivoriana, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no hitanao hoe mampitovy ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ilay voalazan’ny Kolosianina 3:16?

  • Rehefa avy nijery an’ilay video na ilay sary ianao, misy zavatra hafa tianao koa ve amin’ny fivorianay?

Vakio ny 2 Korintianina 9:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Maninona no tsy terena handoa vola ianao rehefa manatrika ny fivorianay?

Jereo miaraka amin’ilay mpampianatra anao hoe inona no horesahina amin’ny fivoriana manaraka.

  • Inona amin’ny fivorianay no tena mahaliana anao na ilainao?

Fantatrao ve?

Azonao jerena ao amin’ny jw.org ny toerana sy ny fotoana anaovana ny fivoriana rehetra maneran-tany.

  1. A. Misy lahateny, fampiofanana hitory sy hampianatra, ary video any amin’ny fivorianay. Atomboka sy faranana amin’ny hira sy vavaka ny fivoriana

  2. B. Misy fiaraha-midinika koa indraindray, ka afaka manome valin-teny ny mpanatrika

  3. D. Afaka manatrika daholo na lehilahy na vehivavy, ary na be taona na ankizy

  4. E. Tsy misy fanantazan-drakitra any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

5. Mila ezaka ny manatrika fivoriana

Diniho, ohatra, ny nataon’ny fianakavian’i Jesosy. Niainga avy tany Nazareta ry zareo isan-taona mba hamonjy ny fetin’ny Paska tany Jerosalema, ary nandeha an-tongotra 100 kilaometatra teo ho eo tamin’ny toerana be tendrombohitra. Vakio ny Lioka 2:39-42, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nila ezaka ve ilay nankany Jerosalema, araka ny hevitrao?

  • Sarotra aminao ve ilay hoe mandeha mivory? Nahoana?

  • Hitanao ve hoe mahasoa anao ny miezaka mivory na dia sarotra aza izany? Nahoana?

Milaza ny Baiboly fa tena ilaina ny miara-mivory mba hanompo an’i Jehovah. Vakio ny Hebreo 10:24, 25, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Maninona isika no tokony hivory foana?

MISY MITENY HOE: “Efa ampy ny mamaky Baiboly ao an-trano, fa tsy ilaina izany miara-mivory amin’olona izany.”

  • Inona ny andinin-teny na ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho an’izay tian’i Jehovah hataontsika?

FAMINTINANA

Hahafantatra kokoa an’i Jehovah ianao raha manatrika fivoriana, sady ho akaiky kokoa azy. Ho afaka hanompo azy miaraka amin’ny olon-kafa koa ianao.

Famerenana

  • Nahoana i Jehovah no mampirisika antsika hivory?

  • Inona ny zavatra hianaranao rehefa miara-mivory amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao?

  • Inona koa no hitanao hoe maha tsara an’ilay manatrika fivoriana?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Matahotahotra ve ianao hanatrika fivoriana? Resahina ato hoe lasa tia nivory ny lehilahy iray, na dia tsy nahazo aina aza izy tamin’ny voalohany.

Tsy Hohadinoinay Mihitsy ny Fandraisana Anay (4:16)

Inona no nahafinaritra ny ankizilahy iray tamin’izy nanatrika fivoriambe, ary inona no nataony mba ho afaka hanatrika fivoriana foana izy?

Tiako Be ny Fivoriana! (4:34)

Ahoana no fahitan’ny olona sasany an’ilay hoe manatrika fivoriana?

“Fa Maninona Aho no Tokony Handeha Hivory?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana no niova ny fiainan’ny jiolahy iray rehefa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy?

“Tsy Nisaraka Tamin’ny Basiko Mihitsy Aho” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2014)