Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 38

Fanomezana Sarobidy ny Aina

Fanomezana Sarobidy ny Aina

Mamy ny miaina satria be dia be ny zavatra tsara azontsika atao sy ankafizina. Na manana olana aza isika dia mbola misy zavatra mahafaly antsika foana. Ahoana no ampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny aina? Ary inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hanao an’izany?

1. Nahoana no tokony ho sarobidy amintsika ny aina?

Tokony ho sarobidy amintsika ny aina satria fanomezana avy amin’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana. Izy no “loharanon’aina”, izany hoe namorona ny zavamananaina rehetra. (Salamo 36:9) “Izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:25, 28) Omen’i Jehovah an’izay ilaintsika isika mba ho velona. Tsy izay ihany fa nataony afaka mankafy fiainana koa isika.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:17.

2. Ahoana no ampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny aina nomen’i Jehovah?

Mbola tany an-kibo ianao dia efa tian’i Jehovah. Izao no nolazain’i Davida mpanompon’Andriamanitra rehefa nivavaka izy: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.” (Salamo 139:16) Tena sarobidy amin’i Jehovah ny ainao. (Vakio ny Matio 10:29-31.) Malahelo be izy rehefa misy manao fanahy iniana mamono olona na mamono tena. a (Eksodosy 20:13) Malahelo koa izy raha manao zavatra mampidi-doza ny aintsika isika na tsy mitandrina ka mampidi-doza ny hafa. Rehefa manaja ny aintsika sy ny ain’ny hafa isika, dia hita hoe sarobidy amintsika io fanomezana tsara be io.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika ny zavatra sasany azonao atao mba hampisehoana hoe sarobidy aminao ny aina.

3. Karakarao tsara ny fahasalamanao

Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah ny olona iray, dia ampiasainy hanompoana azy ny fiainany manontolo. Hoatran’ny hoe ataony sorona ho an’Andriamanitra ny tenany. Vakio ny Romanina 12:1, 2, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana ianao no tokony hikarakara tsara ny fahasalamanao?

  • Inona avy no azonao atao mba ho salama ianao?

4. Ataovy izay tsy hampidi-doza anao sy ny olon-kafa

Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy hanao zavatra mampidi-doza. Inona àry no azonao atao mba ho voaro amin’ny loza ianao sy ny olon-kafa? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Ohabolana 22:3, ary iaraho midinika avy eo hoe: Inona no azonao atao mba ho voaro amin’ny loza ianao sy ny olon-kafa rehefa...

  • ao an-trano?

  • any am-piasana?

  • manao fanatanjahan-tena?

  • mandeha fiara, môtô, na ny toy izany?

5. Hajao ny ain’ny zaza ao an-kibo

Nohazavain’i Davida hoe mahaliana an’i Jehovah ny fitomboan’ny zazakely ao an-kibon’ny mamany. Vakio ny Salamo 139:13-17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Amin’i Jehovah, rahoviana no manomboka ny fiainan’ny olona iray: Raha vao miforona ao an-kibo izy sa rehefa teraka?

Niaro ny reny sy ny zaza ao an-kibony ny lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita. Vakio ny Eksodosy 21:22, 23, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona iray nahafaty zaza ao an-kibo na dia tsy fanahy iniany aza?

  • Inona no mety ho tsapan’i Jehovah raha misy olona manao fanahy iniana mamono zaza ao an-kibo? b

  • Ahoana no fahitanao an’izany fomba fihevitr’i Jehovah izany?

Alefaso ilay VIDEO.

Na ny vehivavy mihevitra ny aina ho sarobidy aza, mety hisy fotoana hieritreritra hoe ny manala zaza ihany no vahaolana. Vakio ny Isaia 41:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha ohatra ka teren’ny olona hanala zaza ny vehivavy iray, amin’iza izy no tokony hitady fanampiana? Nahoana?

MISY MITENY HOE: “Tsy fidiny ho an’ny olona sasany indraindray ilay manala zaza.”

  • Inona no mandresy lahatra anao hoe samy sarobidy amin’i Jehovah na ny ain’ny reny na ny ain’ny zaza ao an-kibony?

FAMINTINANA

Milaza ny Baiboly hoe tokony ho sarobidy amintsika ny aina nomen’i Jehovah, ary tokony hohajaina sy harovana. Tafiditra amin’izany ny aintsika sy ny ain’ny hafa.

Famerenana

  • Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ny aina?

  • Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy manao fanahy iniana mamono olona?

  • Nahoana no sarobidy aminao ny aina?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Ahoana no azontsika isaorana an’i Jehovah noho ny aina nomeny?

Hira 141: Sarobidy ny Fiainana (2:41)

Afaka mamela ny heloky ny vehivavy iray nanala zaza ve i Jehovah?

“Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

a Tena te hanampy an’ireo olona kivy i Jehovah. (Salamo 34:18) Azony tsara ny zavatra tsapan’ny olona iray te hamono tena. Ahoana no ataon’i Jehovah mba hanampiana azy? Vakio ilay lahatsoratra hoe “Te Hamono Tena Aho! Afaka Manampy Ahy Tsy Hieritreritra An’izany ve ny Baiboly?”, eo amin’ilay fizarana hoe Jereo koa Ireto.

b Tsy tokony hanamelo-tena be ny olona nanala zaza satria afaka mamela azy i Jehovah. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?”, eo amin’ilay fizarana hoe Jereo koa Ireto.