Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 22

Inona no Azonao Atao mba Hiresahana ny Vaovao Tsara?

Inona no Azonao Atao mba Hiresahana ny Vaovao Tsara?

Rehefa mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly ianao, dia mety hieritreritra hoe: ‘Mba tokony hahafantatra an’izany daholo ny olona.’ Tena marina izany. Mety hatahotra anefa ianao hiresaka ny zavatra nianaranao amin’ny hafa. Andao hojerentsika hoe inona no hanampy anao ho sahy hiresaka ny vaovao tsara ao amin’ny Baiboly.

1. Inona no azonao atao mba hiresahana ny zavatra nianaranao amin’ny olona fantatrao?

Nilaza ny mpianatr’i Jesosy hoe: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.” (Asan’ny Apostoly 4:20) Tena tian’izy ireo ny zavatra nianarany, ka te hiresaka an’ilay izy amin’ny olona faran’izay betsaka izy ireo. Hoatr’izany koa ve no tsapanao? Mitadiava àry fomba hiresahana ny zavatra nianaranao amin’ny fianakavianao sy ny namanao. Mila manaja an-dry zareo anefa ianao rehefa manao an’izany.​—Vakio ny Kolosianina 4:6.

Azonao andramana ireto:

  • Raha te hiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly amin’ny fianakavianao ianao, dia izao anombohana azy: “Nisy zavatra tsara be nianarako tamin’ity herinandro ity.”

  • Raha misy namanao marary na miady saina, dia iresaho andinin-teny iray mampahery izy.

  • Rehefa manontany anao ny mpiara-miasa aminao hoe nanao ahoana ny faran’ny herinandro, dia lazao aminy ny zavatra nianaranao tato amin’ity boky ity na tany am-pivoriana.

  • Asehoy amin’ny namanao ny tranonkala jw.org.

  • Asao ny namanao na ny fianakavianao rehefa hianatra Baiboly ianao, na atoroy azy ilay fangatahana hianatra Baiboly ao amin’ny jw.org.

2. Nahoana no tanjona tsara ny hoe miara-mitory amin’ny fiangonana?

Tsy tamin’ny olona fantany fotsiny ny mpianatr’i Jesosy no niresaka ny vaovao tsara. ‘Naniraka azy ireo tsiroaroa tany amin’ny tanàna rehetra’ i Jesosy mba hitory. (Lioka 10:1) Voalamina tsara io fitoriana nataon-dry zareo io, ka betsaka kokoa ny olona naheno ny vaovao tsara. Tena faly koa izy ireo satria niara-nitory fa tsy nandeha irery. (Lioka 10:17) Azonao atao tanjona koa ve ny hitory miaraka amin’ny fiangonana?

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no hanampy anao ho sahy hiresaka ny vaovao tsara, ary nahoana no mahafaly ny manao an’izany.

3. Hanampy anao i Jehovah

Te hitory ny olona sasany nefa matahotra hoe ahoana no mety ho fahitan’ny olona azy, na hoe ahoana no mety ho fihetsiky ny olona hitoriany.

  • Matahotra ve ianao hiresaka ny zavatra nianaranao? Nahoana?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nanampy an’ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah ireo mba tsy hatahotra?

Vakio ny Isaia 41:10, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no manampy anao ny vavaka rehefa matahotra hitory ianao?

Fantatrao ve?

Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nieritreritra hoe tsy mba hahavita hiresaka ny vaovao tsara mihitsy. Izany, ohatra, no nahazo an’i Sergey. Tsy natoky tena izy sady tsy nahay nilaza ny heviny. Nianatra Baiboly anefa izy tatỳ aoriana. Nilaza izy hoe: “Niresaka momba an’izay nianarako aho na dia natahotra aza. Gaga be aho fa lasa natoky tena kokoa rehefa nanao an’izany. Vao mainka koa aho nino ny zavatra nianarako.”

4. Hajao ny olona iresahanao

Rehefa miresaka ny vaovao tsara ianao, dia aza ny zavatra holazainao ihany eritreretina fa ny fomba hilazanao azy koa. Vakio ny 2 Timoty 2:24 sy ny 1 Petera 3:15, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no azonao ampiharana an’ireo andinin-teny ireo rehefa miresaka amin’ny olona momba ny Baiboly ianao?

  • Mety tsy hanaiky ny zavatra teneninao ny fianakavianao na ny namanao. Inona no azonao atao? Inona no tsy tokony hataonao?

  • Nahoana no tsara kokoa raha mametraka fanontaniana mety tsara isika fa tsy manery ny olona hino an’izay lazaintsika?

5. Mahafaly ny miresaka ny vaovao tsara

Nasain’i Jehovah nitory ny vaovao tsara i Jesosy. Ahoana no fahitan’i Jesosy an’io asa io? Vakio ny Jaona 4:34, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Sady mahavelona ny sakafo tsara no mahatonga antsika ho falifaly. Nahoana no nampitovin’i Jesosy tamin’ny hoe misakafo ny manao ny sitrapon’Andriamanitra, anisan’izany ny mitory ny vaovao tsara?

  • Araka ny hevitrao, inona no mahafaly antsika rehefa miresaka ny vaovao tsara isika?

Soso-kevitra

  • Mandritra ny fivoriana andavanandro, dia jereo hoe ahoana no azo anombohana resaka rehefa mitory.

  • Anontanio ny mpampianatra anao hoe ahoana no hatao raha te hanao anjaran’ny mpianatra amin’ny fivoriana andavanandro. Hanampy anao hiresaka ny zavatra nianaranao amin’ny hafa ireny anjara ireny.

  • Ampiasao ilay fizarana hoe “Misy Miteny Hoe” na “Mety Hisy Hanontany Hoe”, amin’izay dia hahita holazaina ianao raha misy olona manohitra na mametraka fanontaniana.

METY HISY HANONTANY HOE: “Inona ny vaovao izay elaela izay?”

  • Ahoana no azonao anararaotana an’izany mba hiresahana ny zavatra nianaranao tao amin’ny Baiboly?

FAMINTINANA

Mahafaly ny miresaka ny vaovao tsara amin’ny olona, ary mety tsy ho sarotra araka ny nieritreretanao azy ilay izy.

Famerenana

  • Inona no mahatonga antsika hiresaka ny vaovao tsara amin’ny olona?

  • Ahoana no ampisehoanao hoe manaja ny olona iresahanao ianao?

  • Inona no azonao atao mba ho sahy hitory ianao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Afaka mampiasa ny karatra jw.org ianao mba hiresahana ny vaovao tsara. Ho hitanao ato ny fomba efatra azo anaovana an’izany.

Fomba Fanolorana ny Karatra JW.ORG (1:43)

Misy toetra efatra hanampy anao hiresaka ny vaovao tsara. Inona avy izany?

“Vonona ho Lasa Mpanarato Olona ve Ianao?” (Ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2020)

Misy tantara iray ao amin’ny Baiboly afaka manampy antsika ho sahy hitory, na dia mbola kely aza isika.

Hanampy Anao ho Sahy Hitory i Jehovah (11:59)

Misy fianakavianao mbola tsy mahafantatra an’i Jehovah ve? Ahoana no azonao iresahana aminy momba ny Baiboly?

“Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao” (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2014)