Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Maninona àry no Tsy Azon-dry Zareo Mihitsy ny Hevitro?

Maninona àry no Tsy Azon-dry Zareo Mihitsy ny Hevitro?

ALAO SARY AN-TSAINA IZAO:

Asabotsy tolakandro tamin’ny telo ora teo ho eo, tamin’izay. Maika handeha hivoaka ny trano i Njara, 17 taona. “Lasa aho a!”, hoy izy tamin’ny dada sy mamany, sady nanantena izy hoe tsy ho tratran’ilay fanontaniana efa ampoiziny.

“Amin’ny firy ianao no mody?”, hoy ny mamany.

Nijanona tampoka i Njara, ary niakanakana nilaza hoe: “Aaa... Aza miandry an’ahy e!” Nosokafany ny varavarana ary efa saika tafatsoaka izy, kanjo nantsoin’ny dadany.

Nijanona indray i Njara ary henony ny dadany, hentitra be, niteny hoe: “Efa hain’ialahy hoe tsy taran’ny amin’ny valo ialahy no mody an!”

Nitodika tany amin’ny dadany i Njara sady nimenomenona kely hoe: “Aiza kosa e! Mahamenatra be ange ilay miteny amin’ny ankizy hoe tsy maintsy mody aloha e!”

Tsy nilefitra mihitsy ny dadany. Hoy ihany izy: “Rehefa amin’ny valo dia amin’ny valo!”

HOATR’IZANY koa angamba no manjo anao. Efa napetraky ny ray aman-dreninao ny lalàna momba ny ora fodianao, ny mozika henoinao, ny namanao, ary ny akanjonao sady tsy azo iadiam-barotra izy ireo. Diniho ireto:

“Lasa hentitra be amin’ny mozika henoiko ny raikeliko, rehefa nanambady an’i Mama. Tsy maintsy nariako daholo ny CD-ko tamin’ny farany.”—Rivo. *

“Miteniteny ahy i Neny satria tsy mana-namana, hono, aho. Rehefa miera handeha hiaraka amin’olona anefa aho, dia tsy avelany satria tsy fantany, hono, ilay olona. Tsy azoko mihitsy!”—Carol.

“Tsy avelan’i Dada sy ny renikeliko hanao tiserta aho, raha tsy hoe malalaka be ilay izy. Fohy loatra koa, hozy i Dada, ny sôrta raha vao ambony lohalika.”—Salohy.

Inona no azonao atao raha tsy mifanara-kevitra ianao sy ny ray aman-dreninao? Afaka mifampiresaka amin-dry zareo ve ianao? Hoy i Jenny, 17 taona: “Matetika i Dada sy Neny no tsy te hihaino.” Hoy koa i Anja, 15 taona: “Akomboko fotsiny ny vavako rehefa hitako hoe tsy azon’i Dada sy Neny ny tiako hotenenina.”

Aza tonga dia kivy anefa. Mety ho vonona hihaino ihany izy ireo, fa tsy araka ny eritreretinao.

Tadidio fa na i Jehovah Andriamanitra aza nihaino rehefa nilaza ny heviny ny olona. Nihaino, ohatra, izy rehefa narovan’i Mosesy ireo Israelita tsy nankatò.—Eksodosy 32:7-14; Deoteronomia 9:14, 19.

Mety hieritreritra ianao hoe tsy hilefitra hoatran’Andriamanitra mihitsy ny ray aman-dreninao. Samy hafa be koa ny hoe i Mosesy niresaka tamin’i Jehovah momba ny hoavin’ny firenena iray manontolo sy ny hoe ianao miera amin’ny ray aman-dreninao mba hody taratara. Misy zavatra itovizany ihany anefa:

Ho vonona hihaino ny hevitrao ny olona manana fahefana, ohatra hoe ny ray aman-dreninao, raha misy tianao hambara.

Miankina amin’ny fomba ilazanao ny hevitrao ny hahombiazanao na tsia. Hanampy anao amin’izany ireto:

  1. Fantaro ilay olana. Soraty eto izay tsy mampitovy hevitra anao sy ny ray aman-dreninao.

  2. Fantaro izay tsapanao. Soraty eto izay tsapanao noho ny fomba fihevitry ny ray aman-dreninao, ohatra hoe tezitra, malahelo, menatra, miahiahy, na ny toy izany. (Menatra ny namany, ohatra, i Njara, ilay voaresaka terỳ aloha, satria hentitra be amin’ny ora fodiany ny ray aman-dreniny.)

  3. Mipetraha eo amin’ny toeran’ny ray aman-dreninao. Eritrereto hoe manan-janaka tanora ianao ary mitovy amin’izay nosoratanao teo amin’ny Dingana 1 ny olana atrehiny. Raha ray na reny ianao, inona no hampanahy anao indrindra ary nahoana? (Nety ho natahotra, ohatra, ny ray aman-drenin’i Njara sao maninomaninona izy.)

  4. Diniho indray ilay olana. Valio ireto fanontaniana ireto:

    Inona no hitanao hoe mahatsara ny hevitry ny ray aman-dreninao?

    Inona no azonao atao mba tsy hampanahy be azy ireo?

  5. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao ary miaraha mitady vahaolana. Ampiharo ireo dingana eo aloha ary jereo ilay efajoro hoe “ Soso-kevitra.” Ho hitanao fa hihatsara ny fomba firesakao amin’ny ray aman-dreninao. Izany no tsapan’i Kanto. Hoy izy: “Tsy hampiova n’inon’inona mihitsy ny mifamaly sady efa fantatra hoe ianao foana no ho resy. Aleoko resahina amin’i Dada sy Neny ilay olana, ary mitady marimaritra iraisana izahay. Matetika izahay no samy afa-po avy eo.”

 

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.