Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Izy Hanana Fitondran-tena Tsara

Ampio Izy Hanana Fitondran-tena Tsara

Tian’ny ray aman-dreny hendry hanana fitondran-tena tsara ny zanany, ka ampianariny an’ireo fitsipiky ny Baiboly

“Tsy nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly aho taloha, ka sarotra tamiko ny nitaiza ny zanako. Mora kokoa anefa izany izao satria manampy ahy ny Baiboly.”—ELIZABETH, AFRIKA ATSIMO.

Olana:

Sahirana be izao ny fianakaviana satria taomin’ny mpiara-mianatra haditra ny ankizy sady ratsy fitondran-tena ny olona. Mila fitsipika tsara momba ny fitondran-tena ny ankizy, mba tsy ho voataona hanao ratsy. Raha tsy izany, dia tsy hahay handray andraikitra sy tsy hahalala fomba ary tsy hanara-dalàna izy rehefa lehibe.

Soso-kevitra:

Mitady ny tari-dalan’ny Baiboly ny olona maro mitaiza irery ny zanany, anisan’izany ireo voatonona tato. Fantany fa mirakitra ny fahendrena tsy manan-tsahala avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Diniho, ohatra, izay lazainy momba ilay toro lalana lehibe indrindra, dia ny tena fitiavana.

“Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, ... manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.”—1 Korintianina 13:4-8.

Mahatsiaro ho sambatra ny ankizy raha manana an’io fitiavana io ny ray aman-dreniny. Hoy i Colette, ilay voaresaka tany aloha: “Ilazako foana ny zanako hoe tiako izy ireo. Resahiko aminy koa fa fanomezan’Andriamanitra izy ireo ka mila karakaraina tsara. Ry zareo kosa mila mahalala fomba sy manaja ahy sy ny rainy. Lasa mifampatoky sy mifanaja tsara izahay noho izany.”—Salamo 127:3.

Hoy i Anna, ilay voaresaka tany aloha: “Rehefa miady ny zanako dia resahiko aminy ilay tenin’i Jesosy hoe tokony hatao amin’ny hafa izay tiantsika hataony amintsika.” (Matio 7:12) Miatrika olana mpahazo an’ireo mitaiza irery i Roberto, ilay voaresaka tany aloha. Hoy izy: “Tsy mitovy ny fitsipika arahiko sy ny an’ilay vadiko taloha, ary misy vokany eo amin’ny ankizy izany. Fantatro fa tsy tena ho tian’ny ankizy aloha aho izao, raha miezaka manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.” Hoy koa izy: “Te haka ny fon’ny ankizy ilay reny ka manome fanomezana azy ireo. Tsy mora ny miatrika an’ilay izy nefa mahasoa ny mifampiresaka tsara amin’ny ankizy.”

Mahasoa foana ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly na dia tsy mora aza. Hoy i Sarah, reny mitaiza irery any Afrika Atsimo: “Faly aho fa nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah rehefa nitaiza ny zanako. Marina fa nisy ny olana, nefa nanampy anay foana Andriamanitra.”