Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Izy Ireo!

Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Izy Ireo!

Tia nisotro toaka aho sady nahery setra. Nisy vaovao ratsy henoko anefa indray andro, ka tonga saina aho. Aleo hotantaraiko izany.

TERAKA tao Rubottom, any Etazonia, aho tamin’ny 1943. Nahery setra foana aho tamin’ny mbola kely. Lasa nisotro koa aho tamin’izaho tao amin’ny kilasy famaranana teny amin’ny lise. Mpisotro toaka be ny dadako sady nahery setra, ka lasa mpinamana izahay. Namonjy fety sy nankany amin’ny toeram-pandihizana izahay, satria fotsiny hoe te hisotro sy hiady.

Nanambady an’i Shirley aho tamin’ny 1966 ary niteraka an’i Angela sy Shawn izahay. Mbola niboboka toaka ihany anefa aho. Namboly sy nivarotra rongony aho mba hahazoako vola misimisy. Niambina bara koa aho ka vao mainka nanaram-po tamin’ny fisotroana sy ny herisetra. Tsy nisy natahorako mihitsy tamin’izany. Tsy niraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa koa aho.

“Tandremo mitondratondra olona atỳ a!”

Nifindra tany Kalifornia ny zanaky ny rahalahin-drain’i Shirley, ary nianatra Baiboly ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Noresahiny tamin’i Shirley izay nianarany rehefa niverina teto Oklahoma izy. Tonga dia niaiky ny vadiko hoe nahita ny fahamarinana. Nandalina Baiboly i Shirley ary te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah, ka natao batisa tamin’ny 1976. Tsy te hidikiditra amin’ny fivavahany aho, ary nilaza hoe: “Tandremo mitondratondra olona atỳ a! Izaho tsy hiova izany.”

Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana i Shirley sady nasehony hoe tiany foana aho. Tsara fanahy erỳ izy manasa ahy hiaraka aminy hanatrika fivoriana kristianina, isaky ny ho any izy sy ny ankizy. Matetika koa i Angela no niteny hoe: “Faly be izao izahay raha mba miaraka aminay i Dada.”

Mazàna aho no nitondra poleta satria nanao zavatra tsy ara-dalàna. Tsy nody an-trano koa aho nandritra ny andro maromaro ka tsy faly ny vadiko. Nandeha niara-nivavaka taminy aho rehefa tonga, mba hampifaliana azy. Tsara fanahy tamiko foana ny Vavolombelona ary hoatran’ny nitombina ny zavatra ampianariny.

Nisy anti-panahin’ny fiangonana nanasa ahy hianatra Baiboly, ka nanaiky aho. Tsy dia nisy vokany tamiko anefa izany satria mbola niaraka tamin’ireo namako taloha aho. Fantatr’ilay anti-panahy izany, ka noresahiny tamiko hoe manimba ny naman-dratsy. (1 Korintianina 15:33) Be hambom-po aho ka tezitra, na dia avy ao amin’ny Baiboly aza ilay torohevitra. Najanoko ilay fianarana ary vao mainka aho nanao ny nataoko. Tena nampalahelo an’i Shirley sy ny ankizy izany.

“Mbola tianay foana ianao”

Maty ny zana-drahavavin’i Shirley tamin’ny 1983. Efa niraiki-po tamin’ilay zaza aho ka nalahelo be ary lasa nandinika ny fiainako. Tsapako hoe nampalahelo an’ireo olona akaikin’ny foko aho, izany hoe ny vady aman-janako. Nanova ny fiainako izany. Nisy anti-panahy iray atao hoe John tany am-pandevenana. Tsara fanahy erỳ izy rehefa nisakambina ahy sady nilaza hoe: “Te hilaza aminao fotsiny aho hoe mbola tianay foana ianao.” Izany indrindra no nilaiko! Niantso an’i John aho ny ampitso ary nilaza taminy fa te hianatra Baiboly indray. Tapa-kevitra ny hiova amin’izay aho.

Niresaka momba ny vavaka izahay sy John tamin’izahay nianatra voalohany, ary nilaza taminy aho fa hanandrana hivavaka. Nanomboka nitady asa mendrika aho ny ampitso, fa tsy nahita. Nitondra ny fiarako aho sady nivavaka mafy tamin’i Jehovah hoe: “O ry Jehovah, omeo asa aho raha mbola tianao hipetraka amin’ity toerana ity.” Nieritreritra aho avy eo hoe: ‘Hoatran’ny adala koa aho, miteny irery etỳ ambony fiara etỳ.’ Tena mbola nila nino an’ilay Andriamanitra “Mpihaino vavaka” aho sady nila nanatsara ny vavaka nataoko. (Salamo 65:2) Nahagaga anefa fa nahita asa aho ny ampitso.

Vao mainka aho tia an’i Jehovah sy natoky ny tari-dalany, rehefa hitako hoe nanan-kery ny vavaka

Lasa nivavaka matetika kokoa aho taorian’izay, ary tena avy amin’ny fo izany. Tsapako hoe imbetsaka i Jehovah no nitahy ahy. Efa nino an’Andriamanitra foana aho, nefa nanjary tsapako fa marina ilay voalazan’ny 1 Jaona 5:14 hoe: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” Vao mainka aho tia an’i Jehovah sy natoky ny tari-dalany, rehefa hitako hoe nanan-kery ny vavaka.—Ohabolana 3:5, 6.

Nandray ahy tsara ny Vavolombelona rehefa nivory indray aho. Lasa hitako hoe tena ‘mifankatia amin’ny fo’ izy ireo, ary nanohina ny foko izany. (1 Petera 1:22) Nanjary tsapako koa fa marina ny lazain’ny Ohabolana 13:20 hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”

Tena nampijaly ny ankohonako aho nandritra ny taona maro. Miezaka anefa aho izao mba ho tia fihavanana sy hifandray tsara amin’izy ireo sady ho ray sy vady tsara kokoa. Nampihariko ilay torohevitry ny Baiboly hoe ‘tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy’, sady tsy tokony ‘hampahatezitra ny zanany, mba tsy ho kivy izy.’—Efesianina 5:28; Kolosianina 3:21.

Nandray soa ny ankohonako rehefa niova aho. Marina mihitsy ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:3 hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Izay aho vao tena sambatra!

Nadinadinina tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Angela, tamin’ny Jona 1984. Noresahiny ny toetrako teo aloha sy ny fiovana nataoko. Nilaza izy rehefa namarana ny teniny hoe faly be satria anisan’ireo hatao batisa tamin’io aho.

Izaho sy Shirley vadiko

Misaotra an’i Jehovah aho fa tsy nahafoy ny olona toa ahy izy. Misaotra an’i Shirley vadiko sy ny zanako koa aho fa tsy nahafoy ahy izy ireo. Tena Kristianina tokoa i Shirley ka nanaraka an’ilay voalazan’ny 1 Petera 3:1 hoe: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa.” Afaka nianatra ny fahamarinana sy niova aho tatỳ aoriana, satria tsy nivadika sy nanam-paharetana izy ary tsara fitondran-tena foana, na dia tamin’izaho nanao hadalana aza.

Tiako ny mampahery an’ireo manam-bady tsy Vavolombelona, taorian’ny batisako. Matetika aho no mitantara izay nataon’ny vadiko, mba hanampiana azy ireo tsy ho kivy. Resahiko aminy hoe: “Mety hiova ihany ny vadinao rehefa mandeha ny fotoana, na dia toa tsy mampino aza izany. Afaka manampy azy hanao izany i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fitondran-tena tsara asehonao.”