Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 7

“Ho Tonga ny Farany”

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 7

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Miresaka momba izany ny Mifohaza! ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

TEZITRA ve ianao rehefa mahita mpitondra fanjakana mampijaly sy manararaotra vahoaka? Hitanao hoe tsy rariny ve ny ataon’ireo mpandraharaha mambotry ny mahantra mba hampitomboana ny harenany? Sosotra ve ianao mahita hoe manararaotra ny ondriny ny mpitondra fivavahana sady mampianatra zavatra diso? Mety hahafaly anao àry ny mahalala fa melohin’ny Baiboly izany fanao izany. Horesahin’ity lahatsoratra ity 1) ny faminaniana milaza fa tsy hisy intsony ny ratsy fanahy sy ny zava-dratsy rehetra, ary 2) ny antony atokisantsika tanteraka an’izany.

Tsy hisy intsony ny faharatsiana

Noresahin’ny fizarana faha-6 amin’ity andian-dahatsoratra ity ny famantarana hoe efa akaiky ny faran’ity tontolo ity. Anisan’izany ny fitoriana maneran-tany an’ilay vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hitondra ny tany manontolo tsy ho ela. (Daniela 2:44; Matio 24:3, 14) “Ho tonga ny farany”, hoy i Jesosy, rehefa vita io asa fitoriana io. Ho gaga angamba ianao hahalala fa ny fivavahan-diso, izay tsy mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra, no hofoanana voalohany. Oharin’ny Baiboly amin’ny vehivavy mpivaro-tena antsoina hoe “Babylona Lehibe” ny fivavahan-diso.—Apokalypsy 17:1, 5;

Faminaniana 1:

‘Ho tonga ny loza hanjo an’i Babylona Lehibe, dia fahafatesana sy alahelo ary mosary. Ary hodorana tanteraka amin’ny afo izy, satria mahery i Jehovah Andriamanitra, izay nitsara azy.’—Apokalypsy 18:2, 8.

Fahatanterahany: Resahin’ny Baiboly fa hataon’Andriamanitra izay hankahalan’ireo fitondrana ara-politika an’i Babylona Lehibe sy handringanany azy, amin’ny fotoana voatondrony. “Handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy” izy ireo, “ary hanapitra ny nofony.” (Apokalypsy 17:16) Hahariharin’izy ireo ny toetra ratsiny ary horobainy ny harem-beny. Tsy haharitra ela ny fandringanana azy ary ho fongotra tanteraka izy.—Apokalypsy 18:21.

Mety hihevitra ireo mpitondra politika fa eritreriny samirery ny nanaovany an’izany. Sitrapon’Andriamanitra anefa ny handringanana an’i Babylona, matoa tanteraka io faminaniana mampitolagaga io. ‘Hataony ao am-pon’izy ireo ny hanatanteraka ny heviny.’—Apokalypsy 17:17.

Faminaniana 2:

‘Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana ilay Andriamanitry ny lanitra. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana [naorin’olombelona] rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.’—Daniela 2:44.

Fahatanterahany: Hifantoka amin’ny fikambanana ara-politika sy ara-barotra ary amin’ireo ratsy fanahy Andriamanitra, rehefa tsy eo intsony ny fivavahan-diso. (Ohabolana 2:22; Apokalypsy 19:17, 18) Hesorin’ny tompon-trano ny mpanofa rehefa manimba ny tranony. Toy izany koa fa ‘horinganin’Andriamanitra izay manimba ny tany’ sy mahatonga azy io ho feno herisetra sy fitondran-tena ratsy.—Apokalypsy 11:18; Romanina 1:18, 26-29.

Iza no ho tafavoaka velona? Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:11; 72:7.

Azo itokisana ve ny faminanian’ny Baiboly? Tena hitsimbina ny olo-marina ve Andriamanitra ary hamarana ny faharatsiana sy fijaliana? Izany tokoa!

Azo itokisana ny faminanian’ny Baiboly

Horinganin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fivavahan-diso rehetra sy ny fitondrana mampahory ary ireo mpivarotra tia vola tafahoatra

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa Andriamanitra no nampanoratra ny Baiboly ary hotanterahiny izay rehetra nampanantenainy. (2 Timoty 3:16) Mitombina ve ny zavatra inoan’izy ireo?

Aoka hatao hoe misy olona iray namanao efa ela ary tena tia anao sady mbola tsy nandainga taminao mihitsy. Hino azy ve ianao raha mampanantena zavatra tsara anao izy ary azony tanterahina izany? Azo antoka fa hino azy ianao. Ka tsy vao mainka ve ianao tokony hatoky an’Andriamanitra? “Tsy mahay mandainga” mantsy izy.—Titosy 1:2.

Tsy tian’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra hinohino befahatany isika. Nasainy nanoratra faminaniana maro kosa ireo mpanoratra Baiboly, ary izy ihany no afaka manatanteraka an’izany. Noresahin’ireo fizarana enina teo aloha ny maro amin’ireny faminaniana ireny sy ny fahatanterahany. Afaka matoky àry isika fa hotanterahin’Andriamanitra ireo faminaniany momba ny hoavy, anisan’izany ireo voalaza ato amin’ity lahatsoratra ity.

Horinganin’ilay Mpamorona tokoa ny fivavahan-diso sy ny fitondrana mampahory ary ireo mpivarotra tia vola tafahoatra. Tianao ho fantatra ve izay hitranga aorian’izay? Hiresaka an’izany ny tapany farany amin’ity andian-dahatsoratra ity, ao amin’ny Mifohaza! manaraka.