Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Oseana Arktika

Mitsonika be ny ranomandry any satria mihamafana ny tany. Lasa nisokatra àry ny Lalana An-dranomasina any Avaratra. Sambo 50 eo ho eo no efa nampiasa azy io tamin’ny 2012. “Raha jerena ny ranomandry nisy tany tamin’ny 30 taona lasa, rehefa vanin-taona mafana, dia efa ampahefatr’izay sisa ny amin’izao”, hoy i Peter Wadhams, mpampianatra iray any Grande-Bretagne.

Zava-misy Eran-tany

Tsy nampoizin’ny mpikaroka hoe 700 mahery ny karazana bakteria ao amin’ny rononon-dreny vao avy niteraka. Mbola vao karohina hoe nahoana izy ireny no manampy ny zazakely handevon-kanina sy hiady amin’ny aretina.

Grande-Bretagne

Nanao fanandramana ny mpahay siansa anglisy. Hitan’izy ireo fa raha voan’ny gripa ny mpitondra fiara dia miadana kokoa ny fihetsiny, noho ny mpitondra fiara efa nisotrosotro.

Repoblika Demokratikan’i Congo

Elefanta an’aliny isan-taona no misy mamono atsy Afrika, mba hakana ivoara. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy hatramin’izay. Indray mandeha aza nisy elefanta maromaro voatifitra teo an-tampon-dohany, angamba avy teny ambony helikoptera no nitifirana azy.

Aostralia

Nihamaty tsikelikely ny vato harana ao amin’ny Haran-dranomasina Lehibe tato anatin’ny 27 taona. Ny antsasany sisa amin’izao no velona. Milaza ny mpahay siansa fa ny rivo-doza sy ny karazana kintan-dranomasina no mahatonga izany. Noho ny fiakaran’ny mari-panan’ny rano koa, dia misy vato harana miofo ka maty.