Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Manao ahoana isika rehefa maty?

MISY MILAZA FA mbola velona any ankoatra isika. Ny hafa indray mieritreritra hoe tapitra hatreo ny fiainana rehefa maty isika. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’ (Mpitoriteny 9:5) Tsy misy intsony fotsiny àry isika rehefa maty.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Lasa vovoka indray i Adama, ilay lehilahy voalohany, rehefa maty. (Genesisy 2:7; 3:19) Miverina ho vovoka daholo koa àry ny olona rehefa maty.—Mpitoriteny 3:19, 20.

  • Afaka madiodio amin’ny fahotany, na voavela heloka, ny olona rehefa maty. (Romanina 6:7) Tsy misy sazy hafa omena azy intsony rehefa maty izy.

Mbola ho velona indray ve ny maty?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Matetika no ampitovin’ny Baiboly amin’ny torimaso ny fahafatesana. (Jaona 11:11-14) Afaka mamoha ny olona efa maty Andriamanitra, hoatr’antsika afaka mamoha olona matory ihany. —Joba 14:13-15.

  • Misy tantaran’olona maromaro natsangana tamin’ny maty ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika hino izy ireny fa tena hatsangana tokoa ny maty.—1 Mpanjaka 17:17-24; Lioka 7:11-17; Jaona 11:39-44.