Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?

Inona no ho Vokany Raha Manao ny Tsy Marina Isika?

Inona no ho Vokany Raha Manao ny Tsy Marina Isika?

“Ho voavaha foana na dia ny olana tena lehibe aza, raha manao ny tsy marina kely fotsiny ianao.”—Samantha, any Afrika Atsimo.

Mitovy hevitra amin’izany ve ianao? Efa nanana olana lehibe hoatran’i Samantha daholo isika rehetra. Mety halaim-panahy hanao ny tsy marina isika indraindray. Izay ataontsika amin’ireny fotoana ireny anefa no ahitana hoe inona no zava-dehibe amintsika. Raha tsy te ho afa-baraka, ohatra, isika, dia mety hieritreritra hoe tsy maninona na manao ny tsy marina aza. Ratsy be anefa matetika ny vokany rehefa mipoitra amin’izay ny tena marina. Ireto ny sasany amin’izany:

LASA TSY ATOKISAN’NY OLONA INTSONY

Mifandray tsara ny olona mifampatoky, ka mahatsiaro ho milamin-tsaina izy ireo. Mila fotoana anefa izany. Lasa mifampatoky ny olona rehefa miaraka matetika, mifampilaza ny marina foana, ary tsy tia tena. Raha manao ny tsy marina indray mandeha fotsiny anefa ny olona iray, dia mety tsy hatoky azy intsony ny olona. Tena sarotra be ny mamerina an’izany.

Efa nisy olona noeritreretinao hoe namanao be ve nefa namitaka anao? Inona no tsapanao tamin’izay? Azo antoka fa nalahelo be ianao, ary mety ho nahatsiaro mihitsy aza hoe namadika anao izy. Ara-dalàna izany! Tsy ho mpinamana be intsony ny olona roa raha manao ny tsy marina ny iray.

MAMINDRA AMIN’NY HAFA ILAY IZY

“Mamindra ilay toe-tsaina hoe tsy tia manao ny marina”, araka ny fanadihadiana nataon’i Robert Innes, mpampianatra toe-karena ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia. Hoatran’ny virosy izy io. Raha mifanerasera matetika amin’ny olona mpamitaka ianao, dia azo antoka fa “hifindra” aminao ny toetra ratsiny.

Inona àry no azonao atao mba tsy ho tratran’izany? Afaka manampy anao ny Baiboly. Handinika toro lalana vitsivitsy avy ao àry isika izao.