Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | NAHOANA ISIKA NO TOKONY HANAO NY MARINA?

Mahasoa ny Manao ny Marina Foana

Mahasoa ny Manao ny Marina Foana

‘Matoky izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.’—Hebreo 13:18.

Midika ara-bakiteny hoe “zavatra tena tsara” indraindray ilay teny grika nadika hoe “manao ny marina” ao amin’ny Baiboly. Azo adika hoe toetra tsara sy mahafinaritra koa izy io.

Tena zava-dehibe amin’ny Kristianina ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ Inona no dikan’izany?

MILA MIEZAKA MAFY IANAO

Tia mijery fitaratra ny ankamaroan’ny olona isa-maraina, alohan’ny hivoaka ny trano, satria mba te hanao metimety. Ny toetrantsika anefa no zava-dehibe kokoa noho ny hoe manao taovolo sy akanjo manara-damaody. Raha tsara toetra isika, dia vao mainka hahafinaritra ny olona. Raha ratsy toetra kosa isika, dia tsy ho tian’ny olona na dia tsara be aza ny paozintsika.

Milaza ny Baiboly fa mora manao ratsy isika. Hoy ny Genesisy 8:21: ‘Zava-dratsy foana no irin’ny fon’ny olona, efa hatramin’ny fahazazany.’ Raha te hanao ny marina foana àry isika, dia tsy maintsy manohitra an’izany faniriantsika hanota izany. Noresahin’ny apostoly Paoly fa nila niezaka mafy izy mba tsy hanao ratsy. Hoy izy: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.”—Romanina 7:22, 23.

Ahoana, ohatra, raha mitaona antsika hanao ratsy ny fontsika ka te hanao ny tsy marina isika? Manan-tsafidy isika fa tsy voatery hanao izay irin’ny fontsika. Raha manala ny eritreri-dratsy ao amintsika isika, dia hahavita hanao ny marina foana na dia tsy manao an’izany aza ny olona manodidina antsika.

AFAKA NY HANDRESY IANAO

Mila toro lalana hanampy antsika hahalala ny mety sy ny tsy mety isika, raha te hanao ny marina foana. Tsy miraharaha an’izany anefa ny ankamaroan’ny olona, fa aleony mandany fotoana hieritreretana be an’izay akanjo mety aminy. Mihevitra àry izy ireo fa azo atao ny manao ny tsy marina rehefa ahazoana tombony izany. Hoy ilay boky hoe Ny (Tena) Marina Momba ny Fanaovana ny Tsy Marina (anglisy): “Tsy maninona na manao ny tsy marina aza isika raha mbola ekentsika hoe mety ny ataontsika.” Soa ihany fa misy toro lalana afaka manampy antsika hamantatra hoe tsy mampaninona tokoa ve ny manao ny tsy marina indraindray.

Olona an-tapitrisany eran-tany no nahita fa tena afaka manampy ny Baiboly. Misy toro lalana tena miavaka ao. (Salamo 19:7) Misy torohevitra azo ampiharina momba an’ireto, ohatra, ao: Ny tokantrano, asa, fitondran-tena, ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy mety lany andro ireny toro lalana ireny, sady azon’ny olon-drehetra ampiharina na inona na inona fiaviany. Hanampy ny fontsika ho zatra hanao ny marina isika, raha mianatra Baiboly sy misaintsaina azy io ary mampihatra ny torohevitra ao.

Tsy ampy anefa ny mianatra Baiboly raha tiantsika ny hanao ny marina foana. Tsy tia manao ny marina mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka tereny hanao hoatr’izany koa isika. Tena ilaina àry ny mivavaka mba hanampian’Andriamanitra antsika. (Filipianina 4:6, 7, 13) Raha manao an’izany isika, dia ho vitantsika ny hanao ny marina foana amin’ny zava-drehetra.

NY SOA AZO REHEFA MANAO NY MARINA

Tsy matiantoka i Hitoshi, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra tany aloha, satria nalaza ho mpiasa manao ny marina. Efa nahita asa izy, ary tena tian’ny mpampiasa azy amin’ilay izy tia manao ny marina. Hoy i Hitoshi: “Faly be aho fa nahita asa mahatonga ahy hanana feon’ny fieritreretana madio foana.”

Nisy olon-kafa koa nandray soa rehefa nampihatra an’ilay toro lalan’ny Baiboly hoe ‘manao ny marina amin’ny zava-drehetra.’ Ireto misy ohatra amin’izany:

  • Manana feon’ny fieritreretana madio

    “Tsy nianatra intsony aho tamin’izaho 13 taona, satria te hangalatra niaraka tamin’ny namako. Halatra daholo ny ankamaroan’ny vola azoko. Nanambady aho tatỳ aoriana, ary nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay mivady. Nianaranay fa tsy tian’i Jehovah * Andriamanitra ny olona manao ny tsy marina, ka tapa-kevitra ny hiova izahay. Nanokana ny fiainanay ho an’i Jehovah izahay tamin’ny 1990, dia natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.”—Ohabolana 6:16-19.

    “Feno entana halatra ny tranoko taloha, nefa tsisy an’izany intsony amin’izao ka lasa madio ny eritreritro. Rehefa mieritreritra ny zavatra tsy nety nataoko nandritra ny taona maro aho, dia tena misaotra an’i Jehovah satria namindra fo tamiko izy. Faly erỳ aho izao isaky ny handeha hatory, satria fantatro fa mahafaly an’i Jehovah ny zavatra ataoko.”—Cheryl, any Irlandy.

    “Nisy olona saika hividy entana tao aminay, nanome tsolotra an’ahy. Rehefa fantatry ny mpampiasa anay hoe tsy nety nandray an’ilay izy aho, dia hoy izy: ‘Ny Andriamanitrao mihitsy no nahatonga anao ho azo atokisana hoatr’izao! Tena faly izahay hoe miasa ato aminay ianao.’ Lasa madio ny eritreritro eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra, satria manao ny marina amin’ny zava-drehetra aho. Afaka mampirisika ny fianakaviako sy ny olon-kafa hanao hoatr’izany koa aho.”—Sonny, any Hong-Kong.

  • Milamin-tsaina

    “Tale lefitra ao amin’ny banky iraisam-pirenena iray aho. Ny hanan-karena no tanjon’ny olona rehefa miasa amin’ny banky, dia matetika izy ireo no tsy mieritreritra ny hanao ny marina izany mihitsy. Izao no toe-tsain-dry zareo: ‘Inona moa no maha ratsy ny manao ny tsy marina kely fotsiny raha hahazoana tombony be ilay izy?’ Milamin-tsaina anefa aho satria manao ny marina. Tapa-kevitra ny hanao an’izany foana aho, na inon-kidona na inon-kihatra. Fantatry ny mpampiasa ahy hoe tsy handainga amin-dry zareo mihitsy aho, sady tsy hanaiky raha asaina manao an’izany.”—Tom, any Etazonia.

  • Hajain’ny olona

    “Nisy entana very tao am-piasana, ka nasain’ny lehibeko handainga momba an’izany aho. Tsy nanaiky anefa aho. Rehefa tratra avy eo ny olona nangalatra an’ilay izy, dia nisaotra an’ahy ny mpampiasa anay satria nanao ny marina aho. Mila herim-po ilay hoe manao ny marina foana, satria tsy tia an’izany ny ankamaroan’ny olona. Lasa atokisan’ny olona sy hajainy anefa ianao raha manao an’izany.”—Kaori, any Japon.

Lasa madio ny eritreritrao, milamin-tsaina koa ianao, ary hajain’ny olona rehefa manao ny marina. Tsy hitanao amin’izany ve fa mahasoa ny manao ny marina?

^ feh. 18 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.