Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanampiana An’ireo Tratran’ny Aretin-tsaina?

Ahoana no Hanampiana An’ireo Tratran’ny Aretin-tsaina?

HOY NY BAIBOLY: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—OHABOLANA 17:17.

Inona no dikan’izany?

Mety hahatsiaro ho tsy afa-manoatra isika rehefa misy namantsika tratran’ny aretin-tsaina. Afaka mampiseho anefa isika hoe tena miahy azy, ka hanampy azy hiatrika an’ilay aretina. Inona no azontsika atao?

Nahoana izany no manampy?

“Aoka [ianao] ho vonona hihaino.”​—JAKOBA 1:19.

Anisan’ny fomba tsara indrindra anampiana ny namanao ny mihaino azy rehefa te hiresaka izy. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy mahita havaly amin’izay rehetra lazainy ianao. Henoy tsara izy, ary miezaha hangoraka foana. Iezaho ho azo izay tsapany, ary aza tonga dia manatsoaka hevitra na mitsaratsara azy. Tadidio hoe mety hilaza zavatra tsy vokatry ny fony izy, ka hanenenany izany any aoriana any.​—Joba 6:2, 3.

Miezaha “hampahery.”​—1 TESALONIANINA 5:14.

Mety hitebiteby be na hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny ny namanao. Omeo toky àry izy hoe miahy azy ianao. Hampionona sy hampahery azy izany, na dia tsy tena hitanao aza izay hotenenina.

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”​—OHABOLANA 17:17.

Manaova zavatra mba hanampiana azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe hainao izay ilainy, fa anontanio izy hoe inona no azonao atao. Ahoana anefa raha sarotra amin’ilay namanao ny manazava an’izay ilainy? Maninona raha anontaniana izy hoe sao dia misy zavatra azonareo iarahana, ohatra hoe miara-mandehandeha? Na azonao atao ny miantsena ho azy, manadio ny tranony, na manao raharaha hafa.​—Galatianina 6:2.

‘Manàna faharetana.’​—1 TESALONIANINA 5:14.

Mety tsy te hiresaka ilay namanao indraindray. Omeo toky anefa izy hoe ho faly hihaino azy foana ianao rehefa te hiresaka izy. Mety hilaza na hanao zavatra mandratra ny fonao izy noho ilay aretiny, ohatra hoe lasa kizitina, na tsy tonga tampoka amin’ilay fotoananareo. Manàna faharetana ary miezaha hahazo an’izay manjo azy rehefa manampy azy ianao.​—Ohabolana 18:24.

Mety hanova zavatra ny fanampianao

“Ataoko tsapany hoe namana azony ianteherana aho. Miezaka mihaino an’izay teneniny foana aho, na dia tsy voavahako aza ny olana mahazo azy. Olona mihaino azy fotsiny no ilainy indraindray, dia efa mahatsiaro ho maivamaivana izy.”​—Farrah, a manana namana mahery misakafo be na malain-komana, sy miady saina foana ary kivy be.

“Tsara fanahy sy mampahery be izay namako iray izay. Nasainy nankany an-tranony aho indray mandeha, ary nanomanany sakafo matsiro. Be fitiavana koa izy, dia mora tamiko ny namboraka an’izay tsapako. Tena nampahery ahy izany!”​—Yun, kivy be ary efa aretina ilay izy.

“Tena ilaina ny manam-paharetana. Rehefa mahasosotra ahy ny ataon’ny vadiko, dia miezaka mitadidy aho hoe ilay aretina no mahatonga azy hanao an’izany, fa tsy izay akory no maha izy azy. Manampy ahy tsy ho tezitra sy ho tsara fanahy kokoa aminy izany.”​—Jacob, kivy be ny vadiny ary efa aretina ilay izy.

“Manohana sy mampionona ahy ny vadiko ary tena miavaka ny fomba anaovany an’izany. Tsy manery ahy hanao zavatra tsy tiako hatao izany mihitsy izy rehefa miady saina be aho. Voatery mandefitra àry izy indraindray ka tsy ataony koa ny zavatra iray na dia te hanao an’ilay izy aza izy. Tena mahafoy tena sy malala-tanana izy, ka tsy hatakaloko an’iza na iza.”​—Enrico, mikorontan-tsaina be ary efa aretina izany.

a Novana ny anarana sasany.