Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’

1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’

HOY NY BAIBOLY: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 PETERA 5:7.

Inona no dikan’izany?

Manasa antsika i Jehovah Andriamanitra mba hiresaka aminy momba an’izay manavesatra ny saintsika sy ny fontsika. (Salamo 55:22) Tsy misy olana lehibe loatra na kely loatra ka hoe tsy azo resahina amin’ny vavaka. Raha zava-dehibe amintsika ilay izy, dia zava-dehibe amin’i Jehovah koa. Anisan’ny tena ilaina ny vavaka mba hahatonga antsika hiadan-tsaina.​—Filipianina 4:6, 7.

Nahoana izany no manampy?

Mety hahatsiaro hoe miady irery tanteraka isika, rehefa tratran’ny aretin-tsaina. Indraindray mantsy tsy azon’ny olona tsara izay zakaintsika. (Ohabolana 14:10) Rehefa mivavaka anefa isika ka mamboraka ny fihetseham-pontsika amin’Andriamanitra, dia hihaino antsika foana izy sady hangoraka sy hahazo tsara an’izay manjo antsika. Mahita antsika i Jehovah, ary fantany ny fijaliantsika sy ny ady mafy ataontsika. Tiany hivavaka aminy momba an’izay rehetra mampanahy antsika isika.​—2 Tantara 6:29, 30.

Rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika, dia vao mainka hatoky hoe miahy antsika izy. Hahatsapa hoatran’ilay mpanao salamo isika amin’izay. Nivavaka izy hoe: “Hitanao ny fijaliako; fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.” (Salamo 31:7) Na ny mahafantatra fotsiny aza hoe hitan’i Jehovah izay mianjady amintsika, dia efa tena manampy antsika tsy ho kivy rehefa ao anatin’ny sarotra. Tsy hoe mahita ny adin-tsaintsika fotsiny anefa izy. Mahazo tsara an’izany mihoatra noho ny olon-kafa koa izy, sady mampionona sy mampahery antsika amin’ny alalan’ny Baiboly.