Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?

Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?

Efa an-jatony taona ny olona no nihevitra hoe hanana hoavy sambatra izay manao ny tsara. Olona maro any Azia, ohatra, no manaraka ny fampianaran’ilay filozofa atao hoe Confucius (551-479 T.K.). Hoy izy io: “Aza atao amin’ny hafa izay tsy tianao hatao aminao.” *

BE DIA BE NO MANAO NY TSARA

Mbola betsaka ny olona mihevitra hoe miantoka hoavy sambatra ny fanaovana ny tsara. Miezaka hanaja ny hafa sy hahalala fomba àry izy ireo. Manao tsara ny andraikiny eo anivon’ny fiaraha-monina koa izy ireo, sady miezaka hanana feon’ny fieritreretana madio. Hoy i Linh, vehivavy mipetraka any Vietnam: “Nino foana aho hoe hahazo fitahiana rehefa miezaka manao ny marina sy manao zavatra amin’ny fo.”

Misy olona miezaka manao ny tsara satria izany no ampianarin’ny fivavahany. Izao, ohatra, no nolazain’i Hsu-Yun, lehilahy iray mipetraka any Taïwan: “Nampianarina ahy hoe raha manao ny tsara ny olona dia ho sambatra aorian’ny fahafatesany, fa raha manao ratsy kosa izy dia hijaly.”

NISY VOKANY VE IZANY?

Marina aloha hoe handray soa be dia be isika raha miezaka manao ny tsara. Maro amin’ireo manao an’izany anefa no mahita hoe tsy arakaraka ny nataon’izy ireo no avalin’ny hafa aminy. Hoy i Shiu Ping, vehivavy iray mipetraka any Hong-Kong: “Hitako teo amin’ny fiainako fa tsy voatery hivaly amintsika ny soa nataontsika. Niezaka nikarakara tsara ny fianakaviako aho sady niezaka nanao ny tsara. Tsy sambatra anefa ny tokantranoko ary nandao anay mianaka ny vadiko.”

Maro koa no mahita hoe tsy voatery hanao ny tsara rehefa mpivavaka. Izao no nolazain’i Etsuko, vehivavy iray mipetraka any Japon: “Nanaraka fivavahana iray izay aho, dia nasaina nitarika tanora tao amin’izy io. Kivy be aho rehefa nahita ny nataon’ny mpivavaka tao. Ratsy fitondran-tena be ry zareo, niady fahefana, ary nanodinkodina ny volan’ny fiangonana.”

“Niezaka nikarakara tsara ny fianakaviako aho sady niezaka nanao ny tsara. Tsy sambatra anefa ny tokantranoko ary nandao anay mianaka ny vadiko.”​—SHIU PING, HONG KONG

Lasa diso fanantenana ny olona niezaka nanao ny tsara sy tia fivavahana, rehefa nahita hoe hoatran’ny tsy misy dikany ny ezaka nataon’izy ireo. Izany no tsapan’i Van, renim-pianakaviana iray avy any Vietnam. Hoy izy: “Nividy voankazo sy voninkazo ary sakafo be dia be aho isan’andro, mba hatao eo amin’ny alitaran’ny razambeko. An-taonany maro no nanaovako an’izany, sady niezaka nanao ny tsara koa aho. Nanantena hahazo fitahiana mantsy aho. Mbola narary mafy ihany anefa ny vadiko. Maty tanora koa ny zanako vavy, tamin’izy nianatra tany ivelany.”

Inona àry no azo atao, raha tsy miantoka hoavy sambatra ny fanaovana ny tsara? Mila tari-dalana azo antoka isika mba hahitana ny valin’ny fanontaniantsika sy hanoro antsika ny fomba hahazoana hoavy sambatra. Aiza no ahitana an’izany?

^ feh. 2 Misy fanazavana momba ny fampianaran’i Confucius ao amin’ilay boky hoe Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona (frantsay), toko 7, fehintsoratra 31-35. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io, ary azo jerena ao amin’ny Internet ao amin’ny www.dan124.com/mg.